
Ny Mpanjakavavy Elizabeth II tao amin'ny Oniversite Britanika ao Kolombia nandritry ny Jobily Volamenan'ny Mpanjakavavy tamin'ny 2002. Sary an'i Michael Chu, nampiasàna lisansa CC BY-NC-ND 2.0.
Malaza ao amin'ny #TriniTwitter ny tenifototra #writethequeen taorian'ny nanoratan'ny mpikatroka iray taratasy ho an'ny Mpanjakavavy Elizabeth II nangataka ity reny fahinin'ny firenena ity hanampy manoloana ny firongatry ny heloka bevava ao Trinidad sy Tobago.
Natombok'i Nalini Dial tamin'ny fiarahabana ny lehiben'ny fanjakana britanika noho ny faha-90 taonany ny taratasiny ; nampilahariny tamin'ny hafaliana nentin'io fankalazana io ny “fahatsapàna nenina lalina, ny tsy fananana fanantenana ary ny firaviraviana tànana” izay fihetsehampo iainan'ireo nosy kambana efa nozanahan'i Angletera fahiny – raha ny fandinihany azy :
Toa tsy misy finiavana avy amin'ireo antoko politika, na taloha na ankehitriny, handeha marina amin'izay dingana tena ilaina mba hanesorana ny tanintsika amin'io valanaretina io – amin'ny ampahany betsaka dia noho ny zavamisy hoe nino ry zareo fa mpandray tombontsoa avy amin'ireo olona izay mifamatotra amin'ny famotsiana vola maloto sy fanondranana zava-mahadomelina antsokosoko. […]
Vokany, isika mihitsy no lasa mandray andraikitra miantso ny Mpanjakavavy mba hiresaka amin'ny governemantany hitondra ny fahaizamanaony sy ny toroheviny ho an'ny Praiminisitsika Dr. Hajaina Keith Rowley sy ny governemantany amin'ny ady atao amin'ny heloka bevava. Tsy azo lavina fa ny governemanta iray tsy afaka miaro ny olompireneny dia tsy nahefa ny andraikitra voalohany indrindra natao ho azy.
Nampanantena ny hanome ilay taratasy ho an'ireo media ao an-toerana sy iraisampirenena i Dial — saingy tsy nangataka ny valintenin'ireo mpampiasa media sosialy ao amin'ny firenena. Ireo Trinbagonians, araka ny fiantso ireo olompirenena ao amin'ilay firenena, dia malaza amin'ny fampiasàna hanihany mba hiatrehana olana sarotra — raha ny marina, ny fanesoana zavatra no valiny tonga voalohany. Tsy atao mahagaga araka izany raha vetivety dia niparitaka ilay tenifototra, miaraka amin'ny fametrahan'ireo mpisera ny resaka matavy avy amin'izy ireo manokana momba ny fitarainana mendrika hatao amin'ny mpanjakavavy.
Tsy very anjara ny zavatra rehetra, miainga amin'ny famerana ny hafainganam-pandeha ao amin'ny firenena ho 80 km / ora ka hatramin'ny resabe momba ny fanambadian'ankizy:
#writethequeen 80kmh a prob. Switch to carriage or nah?
— † (@smokeohontas) June 2, 2016
Manorata ny olan'ny 80kmh amin'ny mpanjakavavy. Hifindra fiarandalamby sa tsia?
Sat talking chupidness #writethequeen
— Rachel (@racheltnt) June 2, 2016
nipetraka miresaka fitiavambola tafahoatra
Nisy ihany koa fitarainana momba ny tolotra ho an'ny mpanjifa alefan'ny mpamatsy TV iray mandeha tariby, sy ny toetra miverimberina amin'ny fandefasana hira soca :
Flow fucking up #WriteTheQueen
— Owner of Drogo (@kramTT) June 2, 2016
Koriana mampiteny ratsy #manorata_amin_ny_mpanjakavavy
Iwer sing the same song for 5 years #writethequeen
— Caresse (@caressable_) June 2, 2016
Dimy taona izao i Iwer mihira hira iray tsy miova #manorata_amin_ny_mpanjakavavy
Olona iray mpampiasa Twitter no nitodika ny lasa ka tonga hatramin'ny fitarainana mikasika ny filohan'ny firenena (izay nandritry ny fanokanana azy, nanao kabary nampientanentam-po momba ny fahefana maha-filoha azy ary avy eo, araka ny fomba fahitan'ireo maro mampiasa ny media sosialy, tsy nahavita nampiasa azy ireny ho an'ny tombontsoan'ny firenena):
Presidential powers we know and don't know #WriteTheQueen
— Owner of Drogo (@kramTT) June 2, 2016
ireo fahefan'ny filoham-pirenena fantatsika sy tsy fantatsika #manorata_amin_ny_mpanjakavavy
Nisy maro ireo bitsika #writethequeen izay tsy maintsy nanambaran'ny mpampiasa Twitter iray hoe :
Why does everyone wants to #writethequeen on my TL? The address is Buckingham Palace, London SW1A 1AA, United Kingdom.
— Haydn Dunn (@HaydnDunn) June 2, 2016
Fa maninona isika rehetra no maniry hanoratra ho an'ny mpanjakavavy amin'ny TL-ko (TwitterTine) ? Ity ny adiresy Buckingham Palace, London SW1A 1AA, United Kingdom.
Angamba ny olana iray amin'ireo faran'izay maika indrindra, rehefa jerena hoe hatraiza no fitiavan'ireo Trinbagonians ny fetibe Karnivaly fanaony, dia ny tsy fahafahany mahazo akanjo hilatroana miaraka amin'ny andiany nosafidiany :
Trying to get a costume in @CarnivalTRIBE for 2017? #writethequeen
— Tenille Clarke (@tenilleclarke1) June 2, 2016
Miezaka hahazo akanjo ho an'ny @CarnivalTRIBE amin'ny 2017 ve? #manorata_amin_ny_mpanjakavavy
Nipoitra ihany koa ireo fomba fiteny eo an-toerana — indrindra ny “Trini-ism” amin'ny fanampiana “ments” amin'ireo teny– ohatra, “fetements”, midika hoe fety na lanonana.
People still putting “ments” at the end of words #WriteTheQueen
— Michael Saunders (@Angelo_vo) June 2, 2016
Petahan'ny olona “ments” any amin'ny faran'ny teny #manorata_amin_ny_mpanjakavavy
Tsy niaro an'i Dial ilay mpampiasa Twitter, bilaogera sady mpikatroka, Brendon O'Brien, tamin'ny filazana hoe :
I wanna say something potentially unpopular…
There's nothing wrong with someone deciding to #WriteTheQueen.
— Tekhartha Zenyatta (@BrendonJOBrien) June 2, 2016
Te-hilaza zavatra faran'izay tsy mahazatra ny olona aho…
Tsy misy olana mihitsy mikasika ireo olona manapaka hevitra hanoratra_amin_ny_mpanjakavavy
Kanefa, nanome fanazavana ihany koa izy momba ny antony mety nisian'ny valinkafatra tahaka izany ety anaty media sosialy :
The real problem? We don't trust Nalini Dial. Which is fair. I don't trust her either… #WriteTheQueen
— Tekhartha Zenyatta (@BrendonJOBrien) June 2, 2016
Ny tena olana ve? Tsy matoky an'i Nalini Dial isika. Izay tsy rariny loatra. Na izaho koa aza tsy matoky azy…#manorata_amin_ny_mpanjakavavy
Mpikambana avy amin'ny antoko politika Kaongresim-Bahoaka i Dial ary nifaninana hahazo toerana tamin'ny fifidianana solombavambahoaka natao farany teo tao amin'ny firenena. Rehefa nivoaka nanohitra fanehoankevitra manenjika ny olona pelaka nataon'ireo minisitra ao amin'ny governemanta izy, dia nanao ihany koa fanambaràna feno tsy firaharahiana sy niteraka resabe avy aminy manokana.
Ny tena nahatonga ny mpampiasa media sosialy ho tezitra ihany koa dia ny tsy nitanisan'ny trano iray mpamoaka vaovao, izay nandefa tantara iray momba ilay tenifototra malaza, ny anaran'ny tompon'ireo bitsika :
WAIT this media house took all the tweets from #writethequeen hashtag put it in an article and didn't credit the persons who posted them?
— Clydeen McDonald (@ClydeenMcDonald) June 2, 2016
ANDRASO ALOHA nalain'ity trano famoahana vaovao ity daholo ve ny bitsika avy amin'ny tenifototra #manorata_ho_an_mpanjakavavy, nataony ho anaty lahatsoratra iray nefa tsy napetany ny anaran'ireo olona izay nandefa azy ireny?
Na izany aza, tian'ireo mpisera ilay tenifototra, ary inoana ny hanohizan-dry zareo ny fandraisany anjara amin'izy io :
All about #WriteTheQueen
So much win.— Amanda Reason (@Femme1991) June 2, 2016
Ny rehetra momba ny #manorata_ho_an_mpanjakavavy
Fandresena be.