- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fibahanana Ny Fidirana Media Sosialy Tao Oganda Mialohan'ny Fanokanana ny Filoha Museveni

Sokajy: Afrika Mainty, Oganda, Fahalalahàna miteny, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, GV Mpisolovava
800px-Yoweri_Museveni,_President,_Uganda_(6923079355)

Yoweri Museveni. Sary avy amin'ny Wikipedia

Taorian'ny fifidianana tamin'ny 18 Febroary 2016 izay nahalany ny Filoha Yoweri Museveni [1] tamin'ny vato maherin'ny 60%, tonga ny fotoana izay hanaovany fianianana mikasika ny fepotoam-piasàny fanindimy nieraka resabe. Mialohan'ny fety fankalazana ny 12 May, namoaka didy fibahanana ny fidirana amin'ny media sosialy manerana ny firenena ny Kaomisionan'ny Serasera ao Oganda.

Zavatr efa fahita io ho an'ireo Ogande, izay efa niaina ny fanerena fanakatonana media sosialy nandritra ny efatra andro nisian'ny fifidianana tamin'ny volana Febroary, ka nahazoan'ny mpitarika mpanohitra ny vato 35%. Manamafy ny mpanohitra ara-politika fa nisy hosoka ny fifidianana, notsikerain'ireo mpanaramaso iraisam-pirenena sy ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona ihany koa ny fizotry ny fifidianana [2].

Nofonjaina any amin'ny toerana voaara-maso akaiky i Besigye sy ireo endrika mpanohitra hafa fanta-daza, andro maromaro hatramin'ny volana Febroary, ary niantehitra tamin'ny media sosialy mba hikarakara izay antsoin'izy ireo hoe “fanentanana fihantsiana” ireo hetsi-panoherana [3]. Ny hany vitan'i Besigye dia fametrahana fanamby araka ny lalàna manohitra ireo valim-pifidianana, niaraka tamin'ny fanampian'i Amama Mbabazi, Praiminisitra teo aloha.

Namoaka didy ny fitsarana fa i Museveni izay efa teo amin'ny fitondrana hatramin'ny taona 1986 no  voafidy ara-dalàna, ary ny 12 May no nofidiana hanaovany ny fianianana. Nandritra ny fikarakarana, nosakanana avokoa ireo lalambe rehetra ary naparitaka be nanerana an'i Kampala renivohitra ireo miaramila. Efa nofonjaina [4] indray i Besigye noho izy nikasa hiditra tao an-tanàna mba hotokanan'ny antokony taminà lanonana irey nifanindran-dàlana tamin'io

Vao tamin'ny harivan'ny 11 May, nitatitra ireo Ogande sasantsasany mpampiasa aterineto fa tsy afaka niditra tamin'ireo tranonkala media sosialy toy ny Facebook sy Twitter ry zareo.

Tao anatin'ireo filazàna ho an'ireo mpanjifany , nanamafy ny fanakatonana [5] azy ireo serasera lehibe ao amin'ny firenena, toy ny Airtel Uganda sy ny MTN Uganda [6].

Ry Mpanjifa hajaina, araka ireo didin'ny UCC, nosakanana vonjimaika ireo media sosialy saingy azo idirana kosa ireo tolotray hafa rehetra. Miala tsiny indrindra noho ny  fanelingelenana.

Nizara ny serasera avy amin'ny Roke Telkom ny mpampiasa Twitter @JZiras, izay nilaza fa olana naterak'ireo “antony ho fiarovana ny fandriampahalemana” no nahatonga ilay fanakanana:

Didin'ny governemanta Ogande nanakatonana ny Media Sosialy mialohan'ny fety fanokanana ny Filoha Museveni pic.twitter.com/sG7mXCwGOo [7]

Tamin'ny herinandro lasa teo, ny minisi-panjakana misahana ny fampahalalam-baovao sy ny torolalana nasionaly dia nandràra [3] ireo tranon'ny media tsy hanao fandrakofana ireo hetsi-panoherana, ary ny lehiben'ireo Kaomisionan'ny Serasera ao Oganda efa nampitandrina [9] fa ny sakana “dia mety hihanaka hatrany amin'ireo media sosialy.”

Nandritra ny fanakatonana tamin'ny volana Febroary, mbola afaka niditra tamin'ny media sosialy ireo mpampiasa tamin'ny alalan'ny fampiasana ireo tambajotra virtoaly tsy miankina (VPNs).  Tamin'ny fanantenana ny tsy hiverenan'io tranga io, nitatitra ny Jajja, tambajotra Ogande miresaka momba ny teknolojia, ireo vaovao Oganda Tech , niankna taminà tatitra tsy voamarina [10], fa ireo mpanome tolotra Aterineto (ISP)  “dia nangatahana mihitsy aza tsy hibahana fotsiny ny media sosialy sy ny fikirakiràna vola amin'ny finday fa ny Aterineto amin'ny ankapobeny raha sanatia mitranga izay ratsy indrindra”.

Nanomboka nampaneno anjomara ireo mpisera amin'ny aterineto mbola afaka niditra tamin'ny media sosialy.

Mety ho tapaka mandritra ny 24 ora ireo media sosialy sy aterineto amin'ny ankapobeny ao Oganda https://t.co/uF6l8MGcdn [11]

Milaza ny ISPs ao Oganda fa nahazo toromarika avy amin'ny mpandrindra mba hanakatona ny media socialy manomboka amin'ny 6ora hariva mandra-maraina  #UgandaSocialMediaShutdown [14]

Namporisihan'ireo mpiray tanindrazana aminy ireo Ogande hafa mba hitroka VPNs amin'izao fotoana izao, na dia toa mbola mandeha ihany aza ny aterineto. Nibitsika [16] i Trevor Mugabi, mpiasam-barotra nomerika, fa:

Haizina mitatao mandrakotra an'i Oganda
Nakatona ny aterineto sy ireo sehatra media sosialy rehetra.
Ny VPN sisa no fomba azonao izorana amin'izao fotoana izao

Nanatsofohan'i ZeroBrain hatsikana kely ny tranga miseho, tamin'ny fanontaniana tena hoe  fandrahonana ara-batana ny aterineto toa inona no mety haterak'ireo olona misorara amin'izany ao Oganda ho an'ilay lanonam-panokanana :

Fa nahoana no sakanana ny fahazoana Aterineto?? Mivondrona mandrahona mba hisompatra ny lanonam-pianianana isika… Mpanao sangy ratsy ireo mitondra an'i Oganda.

Ary niondrika ambany noho ilay sakana i Neil Blazevic mpahay teknolojia:

Eto indrindra isika izao. Nakatona avokoa ny media sosialy Pt2 mialoha ny fianianan'ny Filoha Museveni  #internetfreedom [20]