Fibahanana Ny Fidirana Media Sosialy Tao Oganda Mialohan'ny Fanokanana ny Filoha Museveni

Yoweri Museveni. Sary avy amin'ny Wikipedia
Taorian'ny fifidianana tamin'ny 18 Febroary 2016 izay nahalany ny Filoha Yoweri Museveni tamin'ny vato maherin'ny 60%, tonga ny fotoana izay hanaovany fianianana mikasika ny fepotoam-piasàny fanindimy nieraka resabe. Mialohan'ny fety fankalazana ny 12 May, namoaka didy fibahanana ny fidirana amin'ny media sosialy manerana ny firenena ny Kaomisionan'ny Serasera ao Oganda.
Zavatr efa fahita io ho an'ireo Ogande, izay efa niaina ny fanerena fanakatonana media sosialy nandritra ny efatra andro nisian'ny fifidianana tamin'ny volana Febroary, ka nahazoan'ny mpitarika mpanohitra ny vato 35%. Manamafy ny mpanohitra ara-politika fa nisy hosoka ny fifidianana, notsikerain'ireo mpanaramaso iraisam-pirenena sy ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona ihany koa ny fizotry ny fifidianana.
Nofonjaina any amin'ny toerana voaara-maso akaiky i Besigye sy ireo endrika mpanohitra hafa fanta-daza, andro maromaro hatramin'ny volana Febroary, ary niantehitra tamin'ny media sosialy mba hikarakara izay antsoin'izy ireo hoe “fanentanana fihantsiana” ireo hetsi-panoherana. Ny hany vitan'i Besigye dia fametrahana fanamby araka ny lalàna manohitra ireo valim-pifidianana, niaraka tamin'ny fanampian'i Amama Mbabazi, Praiminisitra teo aloha.
Namoaka didy ny fitsarana fa i Museveni izay efa teo amin'ny fitondrana hatramin'ny taona 1986 no voafidy ara-dalàna, ary ny 12 May no nofidiana hanaovany ny fianianana. Nandritra ny fikarakarana, nosakanana avokoa ireo lalambe rehetra ary naparitaka be nanerana an'i Kampala renivohitra ireo miaramila. Efa nofonjaina indray i Besigye noho izy nikasa hiditra tao an-tanàna mba hotokanan'ny antokony taminà lanonana irey nifanindran-dàlana tamin'io
Vao tamin'ny harivan'ny 11 May, nitatitra ireo Ogande sasantsasany mpampiasa aterineto fa tsy afaka niditra tamin'ireo tranonkala media sosialy toy ny Facebook sy Twitter ry zareo.
Tao anatin'ireo filazàna ho an'ireo mpanjifany , nanamafy ny fanakatonana azy ireo serasera lehibe ao amin'ny firenena, toy ny Airtel Uganda sy ny MTN Uganda.
Ry Mpanjifa hajaina, araka ireo didin'ny UCC, nosakanana vonjimaika ireo media sosialy saingy azo idirana kosa ireo tolotray hafa rehetra. Miala tsiny indrindra noho ny fanelingelenana.
Nizara ny serasera avy amin'ny Roke Telkom ny mpampiasa Twitter @JZiras, izay nilaza fa olana naterak'ireo “antony ho fiarovana ny fandriampahalemana” no nahatonga ilay fanakanana:
Social media shut down ordered by Ugandan government ahead of contested swearing in ceremony of president Museveni pic.twitter.com/sG7mXCwGOo
— #IstandwithMM (@JZiras) 11 de mayo de 2016
Didin'ny governemanta Ogande nanakatonana ny Media Sosialy mialohan'ny fety fanokanana ny Filoha Museveni pic.twitter.com/sG7mXCwGOo
Tamin'ny herinandro lasa teo, ny minisi-panjakana misahana ny fampahalalam-baovao sy ny torolalana nasionaly dia nandràra ireo tranon'ny media tsy hanao fandrakofana ireo hetsi-panoherana, ary ny lehiben'ireo Kaomisionan'ny Serasera ao Oganda efa nampitandrina fa ny sakana “dia mety hihanaka hatrany amin'ireo media sosialy.”
Nandritra ny fanakatonana tamin'ny volana Febroary, mbola afaka niditra tamin'ny media sosialy ireo mpampiasa tamin'ny alalan'ny fampiasana ireo tambajotra virtoaly tsy miankina (VPNs). Tamin'ny fanantenana ny tsy hiverenan'io tranga io, nitatitra ny Jajja, tambajotra Ogande miresaka momba ny teknolojia, ireo vaovao Oganda Tech , niankna taminà tatitra tsy voamarina, fa ireo mpanome tolotra Aterineto (ISP) “dia nangatahana mihitsy aza tsy hibahana fotsiny ny media sosialy sy ny fikirakiràna vola amin'ny finday fa ny Aterineto amin'ny ankapobeny raha sanatia mitranga izay ratsy indrindra”.
Nanomboka nampaneno anjomara ireo mpisera amin'ny aterineto mbola afaka niditra tamin'ny media sosialy.
Social media and General internet in Uganda might be down for 24 hours https://t.co/uF6l8MGcdn
— roger bambino (@rogekk) May 11, 2016
Mety ho tapaka mandritra ny 24 ora ireo media sosialy sy aterineto amin'ny ankapobeny ao Oganda https://t.co/uF6l8MGcdn
ISPs in #Uganda say that they have been instructed by the regulator to shutdown social media until 18h tomorrow #UgandaSocialMediaShutdown
— Michael O'Hagan (@micoh) May 11, 2016
Milaza ny ISPs ao Oganda fa nahazo toromarika avy amin'ny mpandrindra mba hanakatona ny media socialy manomboka amin'ny 6ora hariva mandra-maraina #UgandaSocialMediaShutdown
Namporisihan'ireo mpiray tanindrazana aminy ireo Ogande hafa mba hitroka VPNs amin'izao fotoana izao, na dia toa mbola mandeha ihany aza ny aterineto. Nibitsika i Trevor Mugabi, mpiasam-barotra nomerika, fa:
Darkness hovering over Uganda
Internet is shut down and all social media platforms
VPN is the only way to go now pic.twitter.com/cNVGCXHhQP— Mugabi™ (@trevormugabi) May 11, 2016
Haizina mitatao mandrakotra an'i Oganda
Nakatona ny aterineto sy ireo sehatra media sosialy rehetra.
Ny VPN sisa no fomba azonao izorana amin'izao fotoana izao
Nanatsofohan'i ZeroBrain hatsikana kely ny tranga miseho, tamin'ny fanontaniana tena hoe fandrahonana ara-batana ny aterineto toa inona no mety haterak'ireo olona misorara amin'izany ao Oganda ho an'ilay lanonam-panokanana :
But why block Internet access ?? We're bundles threatening to storm the swearing in ceremony…Uganda is led by jokers.
— ZeroBrain (@cyrylkojo) May 11, 2016
Fa nahoana no sakanana ny fahazoana Aterineto?? Mivondrona mandrahona mba hisompatra ny lanonam-pianianana isika… Mpanao sangy ratsy ireo mitondra an'i Oganda.
Ary niondrika ambany noho ilay sakana i Neil Blazevic mpahay teknolojia:
Here we go. #Uganda social media blackout Pt2 in advance of President Museveni swearing-in #internetfreedom
— Neil Blazevic (@neilblazevic) May 11, 2016
Eto indrindra isika izao. Nakatona avokoa ny media sosialy Pt2 mialoha ny fianianan'ny Filoha Museveni #internetfreedom
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Tantaran'ny Afrika Mainty farany
Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...