Ny Herinandro Tato Amin'ny Global Voices Podcast: Maherifo Tsy Fantatra

Manao topimaso amin'ny tantara sasany nivoaka vao haingana tato amin'ny Global Voices ny Herinandro podcast.

Tamin'ity herinandro ity, hitondra anao any Bosnia sy Herzegovina, Japan ary Myanmar izahay. Niresaka tamin'ny Tonian'ny Global Voices Brazil, Taisa Sganzerla, momba ny raharaham-panolanana feno fankahalana izay nampitroatra an'i Brezila sy ny faritra hafa amin'izao tontolo izao sy tamin'ny mpandray anjara tato amin'ny Global Voices, Leila Nachawati Rego, momba ny tantarany vaovao izay manome voninahitra ireo olona tsy fantatra miaina, mitia ary mifahatra ho an'i Syria izahay.

Isaorana indrindra ny mpanoratra, mpandika lahatsoratra ary ny tonia nandray anjara nahatonga ity ho tontosa. Ity fizaran-tantara ity dia manasongadina ireto tantara avy amin'i Filip Stojanovski[mg],  Nevin Thompson[mg], Mong Palatino[mg], Fernanda Canofre sy Taisa Sganzerla, ary Firuzeh Shokooh Valle.[mg] izahay.

Asongadinay ihany koa ny hira manana lisansa Creative Commons avy amin'ny Arisivan'ny Mozika Malalaka, ahitana ny Please Listen Carefully avy amin'i JahzaarMachine Elves avy amin'i Alan Singley; Looking For That Moment When Time Stands Still avy amin'i Will Bangs; All My Light avy amin'i Cory Gray; Shamon’s Roar avy amin'i Sergey Cheremisinov; ary A Storm At Eilean Mor avy amin'i Jon Luc Hefferman.

Manantena hihaino ny feonay indray afaka tapabolana. Mihainoa finaritrao!

Sary ao amin'ny hajian'ny SoundCloud avy amin'i Filip Stojanovski, CC BY.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.