- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manampy Hampaharitra Ny Herisetra Ao Afghanistàna Ve Ny Media Sosialy?

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Afganistana, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Teknolojia, Vehivavy sy Miralenta
Former Taliban fighters lay down their arms. Wikipedia image.

Facebook. Namana mahatokin'ny Talibàna ve? Nozaraina be.

Ny 31 May, mpandeha miisa roa ambiny folo tamin'ny fiara iombonana no hita maty teny amin'ny sisin-dàlan'ny tanàna manodidina ny faritanin'i Kunduz, taorian'ny nakàn'ireo vondrona Talibàna mpaka an-keriny azy ny omalin'io. Nanenika ny media sosialy ireo sary feno rà, ny andron'iny ihany.

Nanao fanambaràna tamin'ny alàlan'ny pejy Facebook-ny avy eo ny Talibàna, nilaza fa miaramilan'ny governemanta ireo olona novonoina. Nesorina tamin'ny Facebook moa ilay filazàna sy ilay pejy.

خبر مهم:
صبح امروز در منطقه انگورباغ شهر کندز ۲۶تن عساکر فعال اداره کابل که با استفاده ازموترهای ملکي سفر میکردند، شناس…

Androany, tany amin'ny faritra Angur Bagh, notsongaina sy nosamborina ireo miaramila 26 amperinasa an'ny sampandraharahan'i Kaboul, izay nandeha taminà fiaran'olontsotra. Novonoina ny enina tamin'izy ireo raha nanandrana nitsoaka, ary nentina tany amin'ny toerana azo antoka mba hohadiadiana ireo ambiny.

Nalefan'i Al Emarah TV [1] ny Talata 31 May 2016 [2]

Tsy isalasalàna, taratry ny fiarahamonina Afghana mihitsy ny media sosialy any Afghanistàna, fiarahamonina rovitrovitr'ireo fifandirana anatiny [3] izay nohamafisin'ny fidirana an-keriny nataon'ireo firenena roa matanjaka indrindra, tato anatin'ireo efapolo taona farany.

Saingy iantohan'ny herin'ny fanamafisana avy amin'ny media sosialy ny hoe tsy ho vitan'ireo tsy te-hijery herisetra mahatsiravina — na io azon'ireo media tsy miankina ao amin'ny firenena, na ny hery tsy mitsaha-mitombon'ireo olontsotra mpanao gazety amin'ny smartphones mirohotra be — ny hanivana azy ireny.

Ny fidirana matetika ao amin'ireo tambajotra sosialy any Afghanistàna dia midika ho toy ny efa hitovy amin'ny fomba fiaina isan'andro anaty rà mandriaka sy tsy fitiavana, fihainoana isan'ora ireo fipoahana baomba, famonoana olona.

Fa inona ny vokatr'izany?

Ny Talibàna sy ny media sosialy

Samy mizara ireo sarin'ny herisetra daholo ny andaniny roa, na ireo mpanohitra na ireo mpanohana ny Talibàna sy ireo vondrona hafa mpikomy.

Ilay vondrona voalohany mizara ireo sary mba hisintonana ny sain'ny olona amin'ireo zavadoza ataon'ireo mpikomy, raha ilay vondrona faharoa kosa manao izany mba hanaparitahana ny fahombiazan'ny mpitolona manoloana ny governemanta foibe marefo sy ny “Afghan National Army” (ANA) (Tafika Nasionaly Afghana).

Toa lasa loharanom-baovao tsy andoavam-bola eo amin'ny fifandraisana amin'ny vahoaka, ho an'ireo mpikomy ireo vondrona roa ireo.

Ny Talibàna manokana dia mahay manararaotra mampiasa tsara ireo media sosialy .

Mandefa sary sy hafatra matetika ilay vondrona, mba hanehoana ny fandresena ara-tafika vitany nanoloana ny ANA, raha toa ireo mpanohana siviliny mampiasa ny sehatra sahala amin'ny Facebook mba hanitarana any ivelany ny antson'ilay fikambanana sy hanasongadinana mazava ireo fahabangan'ny manampahefana ao Kaboul.

Noho io antony io, mampitandrina ny hafa ireo mpampiasa media sosialy sasany mba tsy hizara sary maneho ireo zava-bitan'ilay vondrona. Ary raha tsy manome alalana [4]ny fandraisana anjaran'ireo fikambanana tafiditra amin'ny raharaha “fampihorohoroana”, na ny votoaty “maneho fanohanana ireo vondrona tafiditra amin'ny fitondrantena feno herisetra na helohin'ny lalàna” ny Facebook, sarotsarotra ho an'ilay orinasa ihany ny manao ny votoaty toy izany tsy ho eo amin'ny sehany.

Rehefa dinihana, mahazo tombony afaka mampiseho amin'ireo mponina ny fisiany ao amin'ireo faritra stratejika ao amin'ny firenena, sahala ny faritanin'i Kunduz any avaratra, ireo mpikomy mahery fihetsika .

یکی از اهداف طالبان از سلاخی مسافران ، ایجاد جنگ روانی و پراکندن وحشت در بین مردم است.
کسانی که صحنه های دلخراش مسافران را نشر می کنند نه تنها به خانواده این قربانیان جفا می کنند بلکه ناخواسته در جهت تبلیغ طالبان قدم بر می دارند.

Ny Talibàna, amin'ny famonoana ireo mpandeha [amin'ny fitateram-bahoaka], dia manao ady fandemen-tsaina, izay mampihorohoro ny vahoaka. Tsy hoe mandrangitra ireo fianakavian’ [ireo tradoza] fotsiny, ireo mizara sary feno rà ireo, fa koa manampy tsy amin-tsitrapo ny Talibàna amin'ny fampielezankeviny. Nalefan'i Hassan Faryaar [5], ny Talata 31 May 2016 [6]

Fa ao ambadik'ireo sary maneho ny zavabita manakorontana ataon'ny Talibàna na ireo vondrona hafa, misy endrika herisetra hafa maka toerana ao amin'ny sehatry ny media sosialy Afghana.

Herisetra ihany koa ny herisetra amin'ny alalan'ny teny sy ny fanaovana antsojay  

Nanoratra vao haingana tao amin'ny Facebook-ny, ny parlemantera iray avy amin'ny faritany avaratra Balkh, Mohammad Natiqi, hoe nitombo tao anatin'ny fikorontanan-tsaina ireo zanany, amin'ny famakiana ireo fanehoankevitra ao anaty hafatra Facebook-ny, noho ireo ompa maro atao amin'ny reniny, tafiditra amin'izany ny fanompàna efa ho isan'andro midika hoe “”fuck” ny vadinao”.

نشست فرزندانم

من چهار پسر و دو دختر دارم همه شان غیر سیاسی اند البته یکی علوم سیاسی خوانده اما نمی دانم چه قدر علاقه به…

Mijery ny Facebook-ko ireo zanakolahy sy ny zanakavaviko, very saina izy ireo taorian'ny namakiany ireo fanehoankevitra feno teny mihoa-pefy atao amin'ny reniny ireo. Nalefan'i Mohammad Nateqi [7] ny Sabotsy, 14 Novambra 2015 [8]

Zavatra fahita mahazatra ao amin'ny kolontsainan'ny media sosialy Afghàna io herisetra variraraka io.

Araka ny fanarahamaso nataon'i Salam Watandar, radio iray eo an-toerana, mahazo fiteny mihoa-pefy manodidina ny 1.500 isan-kerinandro ao amin'ny pejy Facebook-ny manokana ny Filoha Ashraf Ghani.

Tsongain'ireo lehilahy mpampiasa media sosialy manokana, mba hanaovana fiteny mihoa-pefy sy antsojay, ireo vehivavy mpampiasa media sosialy, izay nahatonga ny ankamaroan'izy ireo tsy hampiasa ny tena anarany sy sariny amin'ny filazàna ny momba azy ireo.

Nanaiky izany ny Ministeran'ny Serasera sy ny Fifandraisandavitra ao Afghanistàna, ary milaza fa na 28 % amin'ireo Afghàna mpampiasa Facebook miisa iray tapitrisa [9] aza no azo fantarina hoe vehivavy, mety ambony noho io ny tena taha isanjatony noho ireo maro mampiasa solonanarana sy anaram-petaka.

Ny Febroary lasa teo, namboraka ireo hafatra voarainy avy tamin'ireo mpanankarena, izay nangataka azy hiara-mandry aminy fa sandaina vola i Aryana Said, vehivavy Afghàna mpihira:

Tsy haiko na tokony hanome tsiny ireo mpandraharaha mpanankarena aho, izay mieritreritra fa afaka vidiany amin'ny vola daholo ny zavatra sy ny olona rehetra, na manome tsiny ireo nivarotra ny tenany ary mamela ny karazan'olona toy izany hilalao azy ireo amin'ny fomba rehetra tian'izy ireo. Manantena aho fa ho avy tsy ho ela ny andro, izay hiaina marina amin'ny kantony tokoa ireo mpanakanto, amin'ny tena talenta marina sy asa mafy, tsy hanimba ny anaran'ny “Mpanakanto”, fa tsy hoe hanome alalana ireny olona ireny hahasahy hanoso-kevitra tahaka izany amin'ny Mpanakanto.

Ps. Nanapa-kevitra ny tsy hamboraka ny anarana sy loharanombaovao hafa mikasika io olona io aho, satria mety hamotika ny anaran'ny fianakaviany izany. Manantena aho fa nandray ny lesona izy.

Nalefan'ny Aryana Sayeed Music [10] ny Sabotsy 6 Febroary 2016 [11]

Mazava loatra, mihazakazaka be ny fampiasàna ny media sosialy any Afghanistàna, toy ny fitondrantena diso amin'ny Aterineto, izay manaiky ny fanjakan'ny miaramila sy ny herisetra ara-nofo.

Raha toa ny governemanta ka manao izay faraheriny amin'ny fanakanana ny fikomiana ataon'ny Talibàna amin'ny tranga tena iainana, tena tsy misy miraharaha tanteraka ny tafiotranà herisetra misoko ao amin'ny Aterineto, mandrovitra ireo fifandraisana ara-tsosialy ao amin'ny firenena.

Fanarahana lahatsoratra iray hafa ity avy amin'ity mpanoratra mitovy ity ihany ito: Mampiakatra Ny Kabarim-pankahalana Ny Media Sosialy Ao Afghanistàna” [12].