Manambatra Ny Fikarakaràna Zaridaina Sy Fihiràna Hip Hop Ny Tanànan'i Kolombià Mba Hamelomana Indray Ny Vondrom-piarahamonina

Mpanao hip hop “El Aka” sy mpandray anjara iray hafa mampihatra ny Agro-Art (Taokanto-Fambolena). Sary avy tamin'i Louise Møller, navoaka tao amin'ny Rapolitics.org sy AgroArte teo aloha. Nahazoana fahazoandalana.
Si el hip hop es calle, debajo de la calle hay tierra, nosotros somos esas plantas callejeras que se resisten a que le echen cemento, y el cemento es el olvido, es decir que no pasa nada.
Raha làlana ny hip hop, [ary] ao ambany làlana misy ny tontolo, isika ireny zavamaniry maniry eny amin'ny làlana mitriatra ireny. Ny simenitra fomba iray entina hanamafisana ny tena zava-mitranga marina — hilazàna hoe tsy misy zavatra tsy mety.
An'ilay mpanakanto “El Aka” io tsonga eo ambony io, ilay mpanakanto izay miteny fa misy fifandraisana eo amin'ny mozikany sy ny fambolena. Miasa miaraka amin'ireo tanora voahilika ao amin'ny Comuna 13 ao Medellín, Kolombià, izy, izay nanorenany ny fandaharanasa “Voan'ny Ho avy”, izay tsy araka ny fahita, ho an'ireo olona maro, mampivady ny hip hop sy ny fambolena. Milaza i El Aka fa iray amin'ireo fomba tena manan-danja indrindra mba hikolokoloana ny fisian'ny vondrom-piarahamonina ny fampifangaroana “ny fakàna indray ny fitadidiana” sy “ny fahitàna mazava” an'ireo olona miaina ao aminà faritra iray manokana.
“Voan'ny Ho avy” dia natolotra ho an'ireo tanora tsy noraharahiana tao anatin'ireo fanatsaràna ny tanàn-dehibe natao vao haingana tao Medellín. Medellín, tanàna fanta-daza fahiny tamin'ny varo-maizina rongony, ankehitriny kosa tena fahagagana fa malaza amin'ny fanavaozana ny tanàn-dehibe ao aminy. Fa tsy an'ny rehetra akory izany lova mahafinaritra izany hoy i El Aka:
En la ciudad que la están planteando como la más innovadora, nosotros decimos que es la ciudad más aniquiladora. [El mismo día] que le dieron ese título mataron a 25 jóvenes.
Ao aminà tanàna izay lazain'izy ireo ho manana fahaiza-mamorona, lazaintsika hoe lasa feno famonoana bebe kokoa. [Tamin'io andro io ihany] nanomezan'izy ireo ny tanàna io anarana io, tanora miisa 25 no nisy namono.
Hetsika kolontsaina eny an-tanàn-dehibe iraisampirenena ny Hip hop, izay mamehy ireto zavatra efatra manaraka ireto: rangodrangotra ‘graffiti’, break dance, rap, ary DJs (mpampandihy amin'ny kapila). Ao Medallo (araka ny fiantsoan'ny mponin'i Medellín azy), tena kolontsaina nalaza sy nanan-danja tokoa ny hip hop hatramin'ny taona 1980 — indrindra tany amin'ireo faritry ny tanàna nanana fidirambola ambany. Maro ireo tanora mitombo ao anatin'ny fankafizana ny “mpanao hip hop” malaza eo an-toerana, ary manonofy ny mba halaza toy izany amin'ny sehatra ao an-toerana ihany koa indray andro any. Ao amin'ny firenena toa an'i Kolombià, izay nanjakan'ny ady an-trano nandritra ny 60 taona mahery, ary ao amin'ny tanàna toa an'i Medellín, izay anisan'ireo tanàna nisy ny tena mafy sy nikorianan'ny rà be indrindra tao amin'ny firenena, nitàna toerana lehibe ny hip hop tamin'ny fanoheran'ny vahoaka, tamin'ny fanamboarana fahatsiarovana, ary tamin'ny fiarahana nanenona fiarahamonina voazarazara.
Asehon'ny “Voan'ny Ho avy” ny fomba ahafahan'ny tetikasa voarindra hamorona sy hanohana ireo vondrom-piarahamonina, izay nitambesaran'ny tsindry hazolena sy tsy fahitàna azy ara-tsosialy tany aloha:
Nuestro proceso nació como […] resistencia frente a una escombrera que tiene más de 300 cuerpos enterrados después de las operaciones militares acá. Si no juntamos las manos con otros y otras, en este país continuaría pasando lo mismo de siempre. La idea es proponer. Hemos estado asesinándonos [desde] hace 60 años. Hemos entendido que este país lo hemos construido nosotros y nosotras.
Teraka ho toy ny fanoherana teo anatrehan'ny fitoerampako,izay nandevenana olona niisa 300 teo ho eo taorian'ireo hetsiky ny miaramila, ny dingana nataonay. Raha tsy mifanome tànana isika, mbola hitranga ato amin'ity firenena ity ihany ny zavatra toy izany. Ny hanolotra [fanovàna] no tanjona. Nifamono foana isika nandritra ny 60 taona. Tsapantsika fa isika samy isika ihany no nanorina ity firenena ity.
Mampiray tanora eo amin'ny 60 eo ny Voan'ny Ho avy, avy amin'ny Comuna 13, izay samy mampihatra miaraka ny “AgroArte”. Amin'ny fiteny hafa, mampifandray ny fambolena (na famafazana) amin'ny taokanto (hip hop) izy ireo. Amin'izany, mampianatra ireo tanora vehivavy sy lehilahy ny fomba famafazana voa izy ireo, ny fiasàna tany, ary fikarakaràna zaridaina. Mandritra izany fotoana izany, manoratra sy mihira ny mozika hip-hop novokariny manokana ireo mpandray anjara, ary mampiasa ny tononkirany hilazalazana ny zava-mitranga sy ny fihetsempony amin'ny fiainany manokana izy ireo. Amin'ny fambolena voa, alainy ho azy ireo ny toerana voamariky ny herisetra teo aloha. Hovaina ho lasa “sehatry ny fiainana” avy eo ireo toerana, izay mampiseho an'ohatra ny fanoherana ny herisetra.
Maro amin'ireo olona ao Medellín no avy any amin'ireo faritra ambanivohitry ny firenena, mitsoaka ny herisetra any amin'ny faritra misy azy ireo. Ao Kolombià no manana ny isa ambony indrindra indrindra eto an-tany amin'ireo olona nafindra monina ao anatiny ihany. Miaraka amin'ireo olona maro be nifindra toerana ao amin'ilay tanàna, fomba iray ho an'ireo mpifindra monina hahatsiarovany ireo fiainany talohan'ny nandroahan'ireo vondrona mitam-piadiana azy ireo avy any amin'ny tokantranony, ny fambolena toy ny famafazana voa ary ny fikarakaràna zaridaina.
Miaraka miasa ireo mpandray anjara, tsy misy an-tanan-tohatra na hoe iza no mpitarika, ao anaty rafitra boribory miala amin'ny fibodoan'ny olona iray na vitsivitsy ny fahefana. Ny hanorina vondrom-piarahamonina iray ifanilàna vodirindrina mampirehareha no tanjon'ilay tetikasa. Amin'ny fampiasàna ireo faritra izay nisy herisetra sy hetsiky ny miaramila teo aloha, manova ireo faritra ireo ho faritra fahatsiarovana sy fahamendrehana ny Voan'ny Ho avy.
Nosotros no creemos en la burocracia ni en los políticos, nosotros creemos en la capacidad de la gente de crear. De exigir a través de las acciones.
Tsy mino ny fahefana an-databatra sy ireo mpanao politika izahay, fa mino ny fahafahan'ny olona hamorona. Ary ny hanaovany fangatahana amin'ny alalan'ireo hetsika ataony.
Mampiseho endrika toerana iray natao ho fihaonana ihany koa ilay fandaharanasa, izay andehanan'ireo mpiray vodirindrina miaraka mba hanatsara ny vondrom-piarahamonina. Manana tanjona ny hampirindra milamina ny fiarahamiaina ary hanamboarana fiarahamonina feno fahatokisana, io fomba fampiarahana io.
Afaka hita eto ambany ireo hira sasany avy amin'ny Voan'ny Ho avy:
Mampiseho an'i El Aka sy ny AgroArt eo am-perinasa ny lahatsary manaraka (amin'ny fiteny Espaniola):
Ho an'ireo izay liana ny hahafantatra bebe kokoa ny zavatra ataon'ny Seeds of the Future, misy lahatsary maro ao amin'ny Barrio Bajo Producciones,YouTube an'ny AgroArt.
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...