Ilay Vehivavy Miantafika Irery Miady Amin'ny Aretina Thalassemia Ao Pakistàna

Ayesha Mehmood miteny mandritry ny Andro Erantany Ho An'ny Thalassemia. Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'i Ayesha Mehmood.
Ayesha Mehmood no mpitondra teny ofisialin'ny Thalassemia Pakistan – fikambanana iray izay manentana mampahafantatra momba ny aretina manaranaka vokatry ny fikorontanan'ny asan'ny rà.
Mehmood, izay tratry ny thalassemia henjana rahateo ary namoy roa tamin'ireo mpiray tampo aminy noho io aretina io, dia nandray azy io ho iraka tontosainy amin'ny fiainany mba hanentanana ety anaty media sosialy momba ny loza mananontanona entin'ilay fikorontanana ho an'ny fiainana, sy mba hampihenàna ny fanilikilihana ara-piarahamonina mifandray amin'io aretina io ary hanosehana ny hanaovana lalàna hanampy amin'ny fanakànana azy io tsy hihitatra.
Miampitapita amin'ny fianakaviana ny Thalassemia. Mamokatra liomena manana endrika tsy lavorary ny vatan'ny olona tratry ny thalassemia, ilay molekiolan'ny proteina tomponandraikitra amin'ny fitondràna oksizena ao anatin'ny selamenan'ny rà. Miafara amin'ny fahapotehana tafahoatra manjo ny liomena ny fikorontanana izay mitondra mankany amin'ny tsy fahampian-drà. Raha samy manana fototarazo niova endrika ny ray sy ny reniny – endriky tsy ahitàna soritr'aretin'ny thalassemia malefaka – ny zanak'izy ireo kosa dia mety ho tena tandindonin-doza be amin'ny tsy fahampian-drà ny fiainany.
Tamin'ny herinandro farany tamin'ny volana May, nisy andianà parlemantera avy ao Pakistàna nandàny tsy nisy nitsipaka ny tolodalàna iray hanaovana ny fitiliana rà ho zavatra tsy maintsy atao alohan'ny fanorenana tokantrano ho an'ireo fianakaviana misy thalassemia, miaraka amin'ny tolokevitra tsy maintsy anaovana izany alohan'ny mariazy mba hisorohana ny fihanaky ny aretina. Raha ny sasany mahita ilay tolodalàna ho tafahoatra, Mehmood kosa, izay mandeha amin'ny “Blessed Ayesha” eny anaty sehatry ny media sosialy, dia nizara ny fahatsapàny tao amin'ny Facebook tamin'ny filazàna fa tena ilaina ny fepetra henjana hanakanana ny fiparitahan'ny thalassemia:
Raha toa ireo olompirenantsika efa matotra ara-tsaina ka mandeha manira-tena hanao fitiliana, dia tsy hila akory ny governemanta hanery azy ireo hanao azy io. Raha mba tsapan'izy ireo fotsiny. Manohina mafy ny mahita zaza vao teraka tsindronina in-droa na in-telo mba hitadiavana ny làlan-dràny hanaovana famindràna rà. Mampalahelo isika fa mbola miaina anatin'ny dour-e-jahalat (vaninm-potoanan'ny tsy fahalalàna.)
Araka ireo tatitra, ankizy 5.000 isantaona no voatily tratry ny endrika thalassemia henjana ao Pakistàna. Tsy maintsy miatrika famindràna rà tsy tapaka ireo marary tratry ny Thalassemia, izay mahatonga azy ireo harefo mora voan'ny VIH sy ny hepatita. Ary mety ho tena faran'izay manaintaina mafy tokoa ireny fotoana ireny. Tantarain'i Mehmood miaraka aminà ampahanà torohay madinidinika ireo zavatra niainany mety ho afaka hanampy marary hafa :
Nijaly ireo andian-taranaka tamin'ny taona 80s satria tsy mbola nisy fahatongavan-tsaina tamin'izany fotoana izany. Saingy nahoana no misy tranga vaovao isantaona izao na efa nisy aza ny fanairana nataon'ny media, ireo ivontoerana momba ny thalassemia , sns. Minoa ahy fa tena manohina mafy mihitsy ny mahita zaza vao teraka tsindronina in-droa na in-telo mba hitadiavana ny làlan-dràny hanaovana famindràna rà, tsy tokony handalo amin'izany izy raha toa ny ray sy reniny mba afaka nandeha nitevika kely indray mandeha monja nanao fitiliana liomena “hemoglobin electrophoresis”. Aleo misoroka toy izay mitsabo. Amin'ity andro ity dia te-hangataka ny hamoram-ponareo rehetra aho mba hanolo-tena hanao fitiliana thalassemia ary raha afaka manome rà ianareo dia miangavy aho mba tsidiho ireo ivontoerana momba ny thalassemia ao amin'ny tanànanao ka manao fanomezana iray ho an'ny aina mba ho an'ireo namanao tratry ny thalassemia! Ary ho anareo namako tratry ny thalassemia, karakarao tsara ny tenanareo, tsy latsa-danja noho ny hafa ianareo, mba hiaina fiainana iray lavabe anaty fahasalamàna sy hafaliana isika, amen 🙂
Zara raha misy na tsy misy mihitsy aza fanairana fanentanana momba ny hirifiry iaretan'ireo marary mandritra, eo anelanelany ary aorian'ireny famindràna rà ireny. Efa fahazarana ho an'i Mehmood ny fiainany ny famindràna rà atao aminy :
Is se behter koi jagah hi nahi mili nurse ko :'( pic.twitter.com/Ler43YJScK
— Ayesha Mehmood (@blessedAyesha) May 16, 2016
Tsy mahita toerana tsara (mba hametahana ny fanjaitrany) ny mpanampy ny mpitsabo
Ny sasany amin'ireo soritr'aretna mahazatra amin'ny thalassemia no ahitàna fanimpanina, marary an-doha na tongotra volivoly, ankoatry ny maro hafa
Woke up with headache and then legs pain.. #NotMyDayToday
— Ayesha Mehmood (@blessedAyesha) May 25, 2016
Nifoha niaraka tamin'ny aretin'andoha sy fanaintainana tamin'ny tongotra #Tsy AndrokoAndroany
Saingy tsy nanakana an'i Mehmood tsy hanolo-tànana ny hafa ao anaty fanaintainana izany:
@shadesofsunrise I hope you are fine. Please let me know if need any help.
— Ayesha Mehmood (@blessedAyesha) May 23, 2016
@shadesofsunrise Antenaiko fa salama tsara ianao. Ampahafantaro ahy raha mila fanampiana azafady
Tsy izany ihany, mba hiantohana fa afaka mahazo famindràna rà tsy tapaka ireo marary tratry ny thalassemia, tsy tapaka manao fanangonam-bola sy fanohanana i Mehmood .
Please do visit and donate blood!
It's our humble request! https://t.co/JH1LiSMyEl
— Ayesha Mehmood (@blessedAyesha) May 28, 2016
Miangavy, tongava mamangy sy manome rà!
Fangatahana am-panetren-tena avy aminay izany
Tolona efa ela ny an'i Mehmood sy ireo hafa miady mba hanakanana ny fiparitahan'ny thalassemia saingy tsy mbola niala an-daharana ry zareo.
Miaraka amin'ny volan'ny Ramadàny efa managasanga, sy ny ho fisondrotan'ny fanarahana fandaharana ao amin'ny TV ho amin'ny haavony ambony indrindra, ataony azo antoka ny handrakofan'ireo media mahazatra ity olan'ny fikorontanan'ny rà ity. Faramparany teo, seriny izy tao amin'ny Twitter tamin'ny fandònana ireo mpanolotra media malaza, nandrisika azy ireo mba hiresaka ny thalessemia amin'ny fandaharan'izy ireo :
@iqrarulhassan is Ramadan aik program thalassemia awareness pe karlen please. Kisi center ka visit karke, kuch bachon ko show pe bula ke?
— Ayesha Mehmood (@blessedAyesha) May 29, 2016
Amin'ity Ramadàny ity, miangavy aho mba hanaovana fandaharana iray fanentanana momba ny thalassemia. Mba mitsidika toby iray na miantso ankizy vitsivitsy ho ao amin'ny fandaharanareo ?
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...