- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mandrahona Hitory Tranonkala Fitadiavan'Asa Tsy Mety Namoaka Tolotr'Asa Mitady Mpandihy Ny Klioba Iray Mpanao Striptease

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna, Vehivavy sy Miralenta, Akon'ny RuNet
The “Golden Girls” ready for a court battle. Image edited by Kevin Rothrock.

“Golden Girls” vonona amin'ny ady ao amin'ny fitsarana. Sary namboarin'i Kevin Rothrock.

Mandrahona hitory tranonkala mpanome tolotr'asa ny klioba rosiana iray mpanala akanjo eny ampadihizana noho ny fandavan'ny tranonkala tsy hamoaka tolotr'asa mitady mpandihy hanao fampisehoana ao amin'ny klioba. Manohana ny klioba amin'izany ny Fikambanan'ny Klioba Rosiana Mpanao Striptease.

Araka ny tatitra [1] avy amin'ny tranonkala “theRunet,” nilaza ny klioba “Golden Girls” fa efa nandefa tolotrasa hafa tao amin'ny tranonkala, Superjob tsy nisy olana izy taloha. Na izany aza, tamin'ity indray mitoraka ity, nosakanan'ny mpandrindra ny Superjob ny tolotr'asa. Raha nanontany ny antony mahatonga ny tranonkala tsy hamoaka ny tolotrasa ny Girls Golden, dia voalaza fa namaly ny solontenany hoe: “Ara-tantara, tsy miara miasa amin'ny trano fivarotan-tena izahay. Tsy misy antony manokana. “

Koa ankehitriny, mikasa hitory ny Superjob ny fikambanana noho ny “fanalambaraka,” milaza izany ho fepetra ilaina mba hiarovana ny “lazan'ny orinasa,” araka ny filazan'i Evgeny Shapovalov, mpitondra tenin'ny Golden Girls sy ny Fikambanana Klioba Rosiana Mpanala Akanjo eny ampadihizana (Mpandihy Sexy) :

Вакансия подразумевала просто хореографические номера, не имеющие эротического элемента. Но, видимо, чрезмерно ретивый сотрудник этого удивительного агентства ликвидировал вакансию, а когда мы с ним стали выяснять в переписке, почему, он ответил «с борделями мы не работаем».
[…]
…таким образом целый класс людей оказывается выведен за рамки правового поля, а, согласно конституции, каждый человек имеет право на труд.

Mikasika ny sora-dihy ilay tolotrasa, tsy misy singa manaitaitra. Saingy toa nofafan'ny mpiasa mazoto iray ao amin'ity sampana mpanome [tolotr'asa] mahafinaritra ity ny filazana tolotrasa, ary raha nifandray taminy izahay nanontany ny antony, dia hoy izy: “Tsy miara-miasa amin'ny trano fivarotan-tena izahay.” […] Midika izany fa miafara any ivelan'ny fetra ara-dalàna ny sarangan'olona rehetra, ary araka ny voalazan'ny lalàmpanorenana, manan-jo hanana asa ny olona rehetra.

Naneho ny fahasorenany tamin'ny fitarainan'ny klioba mpandihy sexy tamin'ny lahatsoratra tao amin'ny Facebook ny Filoha Tale Jeneralin'ny vavahadin-tserasera arak'asa, Natalya Godzhayeva, saingy nofafany ilay lahatsoratra tatỳ aoriana (na namindra izany tamin'ny rindrina manokana ). (Na izany aza, nandrakitra ny dikasary [1]ny lahatsoratra orizinaly ny theRunet.)

Мы баним такие вакансии. Ну правила у нас такие и все тут. Нужны повара, секретари, проджекты, программисты, приходите. Если ищете стриптизерш, извините, не поможем.

Mandràra ny tolotr'asa tahaka izany izahay. Izany no fitsipikay. Raha mila sefo, mpitantsoratra, [mpitantana] tetikasa, mpikirakira rindrambaiko ianao dia raisina soa aman-tsara. Raha mitady mpandihy sexy ianao, dia miala tsiny fa tsy afaka hanampy anao.

Marihina fa tsy raharaha malaza voalohany mahakasika ny Golden Girls izao. Telo taona lasa izay, tamin'ny 2013, miaraka amin'ny Fikambanana, natao fitaovana hamoronana sary manokana amin'ny alimanaka [2]ho an'ny filoha Rosiana Vladimir Putin izy, izay nomena lohahevitra mikasika ny firotsahan'i Rosia antsehatra amin'ny ady Syriana ary mitondra ny lohateny hoe “Fitiavana Atao Fa Tsy Ady.”

Nilaza [1] tamin'ny mpanangom-baovao ny filohan'ny Superjob, Alexey Zakharov fa tsy manana fanehoan-kevitra ofisialy momba ny zava-mitranga izy, ” hatreto.”

Если эти мутанты поведут себя неправильно, тогда мы их будем учить правильному поведению. А пока не вижу смысла нигде упоминать название этого борделя 🙂 Это же для них бесплатная реклама. Обойдутся 🙂

Raha manao ny tsy mety ireo olona miova ireo, dia hampianarinay fomba fitondran-tena tsara izy ireo. Hatramin'izao, tsy mahita fomba hanononana izany anaran'ny trano fivarotan-tena izany aho. Dokambarotra maimaim-poana ho azy ireo ity. Tsy misy fomba hafa:)

Nilaza tamin'ny theRunet i Roman Alypov, mpisolovava fa manam-bintana tsara hanaporofo amin'ny fitsarana ny klioban'ny striptease fa azo raisina ho toy ny ompa ny fampitahana azy amin'ny “trano fivarotan-tena”. Nilaza i Alypov fa mety hiafara amin'ny fanerena ny Superjob hamoaka ny filazana tolotrasa ny raharaha.

Nilaza ny Golden Girls sy ny Fikambanana fa vonona hiandry fialan-tsiny avy amin'ny Superjob mandritra ny 30 andro izy ireo, ary avy eo nilaza izy ireo fa nitondra ny raharaha teny amin'ny fitsarana indray.