Famadihan-Tanindrazana Ny Fandrindram-Piterahana, Hoy ny Filohan'i Torkia

erdi

Erdogan. Official Flickr, azon'ny rehetra ampiasaina.

Tao anatin'ny 72 ora, tati-baovaon'ny fampitam-baovao iraisampirenena momba an'i Torkia ireto manaraka ireto “Mitomboa sy mihamaroa: Mampitandrina ny Miozolomana ny filohan'i Torkia”; “Mampitandrina ny Miozolomana amin'ny fandrindram-piterahana i Erdogan an'i Torkia”; “Tsy natao ho an'ny Miozolomana ny fandrindram-pianakaviana, hoy ny filohan'i Torkia”; ary “Erdogan an'i Torkia: Tsy tokony hisy fianakaviana miozolomana hiditra amin'ny fandrindram-piterahana”.

Izany no tian'ny Filoha Erdogan antsoina hoe  “Torkia Vaovao”, ary olana lehibe ho an'ny mpanao fanantenana hiarovana ny vehivavy izany.

Nanamarika ny Filoha Recep Tayyip Erdogan fa ‘famadihan-tanindrazana’ ny fandrindram-piterahana ary tsy vao sambany izy sy ny fitondrana tarihany no nanao kabary tahaka izany miresaka momba ny vehivavy sy ny safidim-piainany.

Tamin'ny fanamarihana ny andron'ny vehviavy tamin'ny volana marsa i Erdogan niteny fa “ambonin'ny zavatra rehetra dia reny” ny vehivavy ary nampiany fa tsy mitovy lenta ny lehilahy sy ny vehivavy, fanamarihana efa nataony tamin'ny 2014 raha niampanga ny feminista ho tsy manaiky ny mahareny ry zareo.

Ary tamin'ny 2014, nilaza ny Praiminisitra Lefitra Bulent Arinc fa tsy tokony hihomehy imasom-bahoaka ny vehivavy, izay niteraka setriny maro avy amin'ny vehivavy tiorka izay nisioka tamin'i Arinc amin'ny diezy #kahkaha [hehy] raha mamoaka ny sarin'izy ireo eo am-pihomehezana.

Eo amin'ny sehatra pratika, nanolo-kevitra ny hamerana ny zo hanala zaza, ny pilin'ny ampitso maraina ary ny fiterahana amin'ny fandidiana ny governemanta fehezin'ny AKP (Antokon'ny Rariny sy ny Fampandrosoana) misy an'i Erdogan, na dia tsy nisy lasa lalàna ofisialy aza ireo.

Ny mampihomehy fa tamin'ny fotoana niresahan'i Erdogan ny fandrarana ny fandrindram-piterahana, Ramatoabe Emine Erdogan kosa teo ampanaovana kabary maherihery nandritra ny lanonam-pamaranana iray tao Istanbul “Fiatrehana Valiny afa-Mihetsiketsika: Vehivavy” izay niantsoany ny hamaranana hatreo ny fanambakana ny asam-behivavy.

“Tsy maintsy atao ny fanafoanana ny sakatsakana tahaka ny fahasamihafan-karama, ny valin-drihana fitaratra [tsy hita maso saingy tena misy eo amin'ny fiakarana ambonimbony kokoa eo amin'ny sehatry ny asa, ampiharina manokana amin'ny asa] isian'ny fitoviana lenta,” hoy izy.

Tsy voamarika ny fanamarihana nataon'ny vadiny, taloha kelin'izany, mitaky amin'ny vehivavy ny tokony hiterahana telo farafahakeliny — izay hiteraka sakana miharihary amin'ny fiakaran'ny vehivavy amin'ny toerana ambonimbony kokoa eo amin'ny sehatry ny asa.

Ny fanaovana firaisana indray ny manaraka

Ny fandrindram-piterahana no zavatra tokana tsy nahaliana azy, fa efa tsy izany intsony izao.

Ondry tsy mahalala izany fandrindram-piterahana izany ihany koa ny atsasaky ny firenena… Ka tsy ilaina ny miahiahy.

Niresaka tsipalotra ny fitotongan'ny toe-draharaha any atsinanan'ny firenena izay heverin-dry zareo fa mendrika kokoa ny fifantohan'i Erdogan ny mpaneho hevitra.

Polisy roa maty tao anaty fiara antonontonony…
Fa mbola miresaka fandrindram-piterahana sy fampiasana fimailo ihany ianao sy [ny tokony ananan'ny fianakaviana farafahakeliny] zaza 3. Rehefa kelikely ianao hiteny fa tsy tokony mivoaka ivelan'ny trano ny vehviavy bevohoka.

Vita ny resaka fanalan-jaza, fandrindram-piterahana sy fandrindram-pianakaviana indray izao. Ny manaraka: impiry isak'alina ny miozolomana no afaka manao firaisana, inch'Allah.

Araka ny Fampilaharana ny elanelana eo amin'ny lahy sy ny vavy nataon'ny Tsenan-Dresaka Ara-Toekarena Manerantany tamin'ny taona 2015, dia laharana faha-130 amin'ny firenena 145 i Torkia. Ny tatitra navoakan'ny minisitera tiorka misahana ny fianakaviana sy ny politika sosialy tamin'ny herintaona no namehy fa ianjadian'ny herisetra an-tokatrano ny 40%n'ny vehivavy.

Angamba ireny no lohahevitra mendrika ifantohan'ny governemanta, fa tsy ny fandrarana amin'ny “famadihan-tanindrazana” amin'ny fandrindram-piterahana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.