‘Tsy Dera Izany’ Fanentanana ao Goiana Mampiasa Tantara Manokana Hiadiana Amin'ny Fanorisorenana An-Dalambe

Screen grab of the banner image of the WITNESS Project website, which has undertaken a campaign to stop street harassment in Guyana.

Pikan-tsarin'ny fanevan'ny tranonkala Tetikasa VAVOLOMBELONA , izay niandraikitra ny fanentanana hampitsaharana ny fanorisorenana eny an-dalambe ao Guyana.

Amin'ny sary mainty sy fotsy nalefa tao amin'ny efitra fandroan'ny fisotroana kafe iray malaza ao an-drenivohitr'i Goiana, mihazona sora-baventy ny zatovovavy iray izay mivaky hoe: ‘Avelao Aho!’. Nosoratana tamin'ny tsaoka manodidina ny lohany ireo teny hoe ‘eh Sexy’ (sic) ‘Ah te hanoroka azy eo amin'ny molotra aho ‘ (sic) sy ny hoe ‘eh tovovavy avia mipetraka eto”(sic) .

Avy eo misy ny teny faneva — It’s Not a Compliment, It’s Street Harassment [Tsy Dera Izany, Fa Fanorisorenana An-dalambe].

Ampahany amin'ny fanentanana ao amin'ny aterineto sy ivelan'ny aterineto ny peta-drindrina izay nataon'ny tetikasa WITNESS, ahitana vondrona tanora izay monina ao Georgetown sy ny manodidina ny ankamaroany ary mampiasa ny zavakanto sy ny fampitam-baovao ho fanairana ny fisian'ny fanorisorenana mihatra amin'ny vehivavy sy ny fampijaliana ny ankizy ao Goiana.

Ao anatin'ny fizarana telon'ny fanentanana ny peta-drindrina izay mampiasa ihany koa ny atrikasa sy ny media sosialy hanombohana ny dinika. Hatramin'ny nanombohany, efa nahazo tantara am-polony maro avy amin'ny vehivavy sy avy amin'ireo lehilahy ihany koa izy, nilaza nandritra ny tafatafa nifanaovana taminy manokana tamin'ny 28 May 2016 ny talen'ny fandaharana WITNESS ho an'ny mpilatsaka an-tsitrapo , Rosheni Takechandra hoe:

Basically what happened to them, how it made them feel, ways they’ve dealt with it and the results of that. Each story is unique to the person’s experience, but overall the harassment is the common thing.

Raha tsorina tamin'izy ireo ny nitranga, ahoana ny  fahatsapany, ny fomba niatrehany izany sy ny vokany. Samy tsy manam-paharoa ny tantaran'ny zava-nitranga tamin'ny olona tsirairay, fa amin'ny ankapobeny ny fanorisorenana no iraisan'izy rehetra.

Nahasarika ekeko efa ho 2000 ny pejy Facebook-ndry zareo, ary maro ny tanora Goianey mizara fanorisorenana an-dalambe hitany manokana. Nizara ny tantarany  ilay mpisera Facebook Shelly Harris:

I have faced down groups of touts. I stood my ground; looked them in the eye boldy and told them with enough venom to out supply a poisonous snake, not to touch and I would repeat as though I am just crazy enough.
Eventually, after some training, from the time I got to the bus park, I could hear one or two saying: ‘Don’t touch she.’

Efa nifanehatra tamin'ny andiana mpivarotra an-dalambe aho. Nijanona aho; nijery azy ireo tamin'ny maso feno fahasahiana ary nilaza tamin'izy ireo fa aoka izay ny fangalana ny poizina amin'ny bibilava misy poizina, avelao hoy aho ary naveriko tahaka ny hoe tena tezitra aho.
Farany, rehefa vita ny fiofanana, nanomboka tamin'ny fotoana nahatongavako teo amin'ny fiandrasana fiara fitateram-bahoaka, nahare feon'olona iray na roa aho niteny hoe: ‘Aza kasihana izy.’

Nanoratra ny mpanao gazety mahaleotena Carinya Sharples tao amin'ny lahatsoratra bilaogy iray  :

I usually feign deafness and walk on. But words are harder to ignore – and my irritation levels vary according to the language, context and man.

Matetika aho mody tsy mahare ary manohy ny diako ihany. Kanefa sarotra ny tsy hiraharaha ny teny – ary miovaova arakarak'ilay fiteny, ny zava-misy ary ny olona ny halehiben'ny fahatezerako.

Tamin'ny lahatsary izay nivoaka tao amin'ny ny pejy, nanontaniana ny antony – amin'ny maha zazalahy azy –  i Haresh, mpikambana ao amin'ny tetikasa WITNESS, tokony ho liana momba ny olana izy:

I think respect for women is vital and it starts with everyday interactions.

Heveriko fa ny fanajana ny vehivavy no tena zava-dehibe ary manomboka amin'ny fifandraisana andavanandro izany.

Tamin'ny tafatafa niarahana tamin'ny Global Voices, nilaza i Takechandra fa tsy mbola hain'ny vondrona tamin'ny voalohany ny mety ho fandehan'ny tetikasa, indrindra rehefa nandefa ny tanora vavy sy lahy mpirotsaka an-tsitrapo mba hanandratra ny feony momba ny olana izy ireo:

I think it would be fair to say that it’s an abusive and a very aggressive culture, verbally, even physically and the newspapers attest to that when you see the level of violence in Guyana.

Heveriko fa tsara ny milaza hoe kolontsaina fanararaotana sy tena mahery setra izany, ara-pitenenana, eny ara-batana mihitsy aza ary manaporofo izany ny gazety rehefa mahita ny haavon'ny fanorisorenana ao Goiana.

Matetika ny olona no manatona ny vondrona, izy ireo mihitsy no mametaka ny peta-drindrina :

We realized that lots of men were willing to have a conversation to justify why they should harass women. That’s what we wanted. We wanted to ignite and spark conversations.

Takatray fa maro ny lehilahy no vonona  hanao dinika mba hanamarinana ny antony tokony hanorisorenany vehivavy. Izany no tadiavinay. Te handrehitra sy hamoaka resaka.

Dia nanomboka atrikasa ry zareo sy nifantoka tamin'ny vondrona mba hihainoana mivantana ny lehilahy. Nanazava i Takechandra :

Men were saying that they didn’t know. Men were saying, ‘I thought women liked this. I thought they wanted to know how they look and about their body parts. I had no idea that women didn’t like it.’

Nilaza ireo lehilahy fa tsy nahafantatra. Nilaza ireo lehilahy hoe: ‘Nieritreritra aho fa tia izany ny vehivavy. Nihevitra aho fa te hahafantatra ny fomba fijerin'ny olona ny toe-batany izy ireo. Tsy noeritreretiko mihitsy fa tsy tia izany  ny vehivavy. ‘

Hatramin'izao ny fanentanana efa nahazo valiny miabo kokoa noho ny miiba i Takechandra, raha maro ny lehilahy tsy nahalala fa olana izany ary ireo hafa kosa nampanantena fa tsy hanao izany intsony – na dia tsy ny lehilahy rehetra izay noresahana ary no resy lahatra:

They say ‘I’ve been doing this since I was [little]. My father used to do it. My uncle used to do it. I can do it. Women like it. If a woman looks a certain way, she should know.’

Hoy izy ireo: ‘Nanao izany foana aho hatramin'ny mbola [kely]. Nanao izany ny raiko. Nanao izany ny dadatoako. Azoko atao izany. Tia izany ireo vehivavy. Raha misy vehivavy manana fomba fijery hafa, dia tokony ahafantatra izany izy.

Raiki-tapisaka amin'ny kolontsain'i Goiana ny herisetram-panorisorenana vehivavy. Araka ny tranonkalan'ny Help and Shelter (Vonjy sy Fialofana), tranom-pialofana azo antoka indrindra ao Georgetown, anelanelan'ny iray ampahatelony ka hatramin'ny roatokon'ny vehivavy ao amin'ny firenena no efa niharan'ny herisetra an-tokantrano.

Iray amin'ireo rafitra mpanohana lehibe indrindra amin'ny tetikasan'ny WITNESS ny fialofana ary manana takelaka voaloko eo amin'ny trano fanorenany. Mandray fanohanana ara-bola  avy amin'ny Margaret Clemons Foundation any New York ihany koa ny tetikasa.

Ny fanentanan'ny WITNESS dia ny hanitarana ny fandaharanasany indray amin'ny fampidirana atrikasam-piofanana amin'ny mpandalo- na ho an'ny tovovavy na hoan'ny tovolahy – any amin'ny sekoly maro ao Georgetown amin'ity Septambra ity. Nilaza i Takechandra fa nampianatra azy ireo ny traikefan'ny vondrona fa hitsahatra ny hanorisory vehivavy ireo lehilahy ireo matetika rehefa misy lehilahy miditra an-tsehatra. Mety ho avy ihany koa ny fotoana, te hitondra ny fiofanana any amin'ny sekoly rehetra ao Goiana izy ireo. Nilaza i Takechandra  fa isaky ny atrikasa, dia hangataka ireo mpandray anjara mba hanolon-tena hanohitra ny fanohintohinana izy ireo:

If it’s anyone who will change behavior and send a strong message, it’s the younger population.

Raha hisy ny hanova ny fitondran-tena, ary handefa hafatra mavesa-danja, dia izy no mponina tanora kokoa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.