Toa Maneho Hoavy Mamirapiratra Ho An'ireo Biby Marefo Ny Famindràm-ponenana Vao Haingana Ny Rhino Tany Nepal

Greater One-horned Rhinoceros at Chitwan National Park, Nepal. Image from Flickr by GrahamC57. CC BY-NC-ND 2.0

Ilay Tokantandroka Lehibe Indrindra ao amin'ny Valan-javaboaharim-pirenena Chitwan, Nepal. Sary avy amin'ny Flickr-n'i GrahamC57. CC BY-NC-ND 2.0

Manana ny antony hitsikiana ireo mpiaro ny tontolo iainana manerana izao tontolo izao — niteraka zanany kely salama tsara ny tokantandroka iray nafindra toerana avy any amin'ny Valan-javaboaharim-pirenena ao Chitwan ho any amin'ny Valan-javaboaharim-pirenena ao Bardiya any Nepal, volana vitsy lasa izay.

Ny Valan-javaboaharim-pirenena ao Chitwan no misy ny tokantandroka maro indrindra any Nepal. Araka ny fanisàna farany natao mikasika ny tokantandroka tamin'ny 2015, nanana tokantandroka 601 ilay valan-javaboary, amin'ny 645 tao amin'ny firenena.

Zanany vaovao ao amin'ny andiany: Ny tokantandroka nafindra avy any Chitwan miaraka amin'ny zanany vao teraka tany lemak'i Babai any amin'ny Valan-javaboaharim-pirenena ao Bardiya

Tamin'ny volana Martsa, tokantandroka miisa dimy no nafindra avy tany amin'ny Valan-javaboaharim-pirenena ao Chitwan nankany amin'ny Valan-javaboaharim-pirenena ao Bardiya izay tsy nanana afa-tsy tokantandroka 29 araka ny fanisana vao haingana, na dia lehibe indrindra aza izy io ao amin'ny faritra.

#Rhino eny an-dalana: Vao nahazo sary sy andian-tsary izahay avy amin'ny famindràn-toerana ny tokantandroka tao  #nepal #worldwildlifeday #nashorn

Mampiseho ny fomba namindràna ireo tokantandroka ny lahatsary eto ambany:

Ny taona 1986 ka hatramin'ny 2003, mitotaly 87 ny tokantandroka nafindra toerana avy tany amin'ny Valan-javaboaharim-pirenena ao Chitwan mankany amin'ny faritra hafa arovana.

Manodidina ny 83 no nafindra tany amin'ny Valan-javaboaharim-pirenena ao Bardiya ary efatra hafa tany amin'ny Shuklaphanta Wildlife Reserve any amin'ny faritra andrefan'i Nepal.

Nanamarika ny antony nanosika hanaovana famindràna ny mpanoratra ny lahatsoratra siantifika tamin'ny 2009 “Fandinihana ny Fisafidianana ny Toeram-ponenan'ny Tokantandroka Nafindra tao amin'ny Valan-javaboaharim-pirenena ao Bardia sy ny Suklaphanta Wildlife Reserve, Nepal“:

Ny Valan-javaboaharim-pirenena ao Chitwan (CNP) no hany nanana tokantandroka lehibe indrindra sisa velona tao Nepal hatramin'ny taona 1980. Mba hampihenana ny raho-mitatao mety hamoizana izany mponina izany amin'ny loza natoraly, tranga mitera-doza ary ny fihazàna tsy ara-dalàna, dia nafindra tany amin'ny Valan-javaboaharim-pirenena ao Bardiya (BNP) sy ny Suklaphanta Wildlife Reserve (SWR) ireo tokantandroka.

Na izany aza, lasa rembin'ny fihazàna tsy ara-dalàna ny ankamaroan'ireo tokantandroka nafindra, izay nahatratra ny fara tampony nandritra ny fotoana nisian'ny fikomiana Maoista.

Noho ireo zava-nitranga mampalahelo nandalovana ireo, nanao fihetsiketsehana ny sasany tamin'ireo mpiaro ny tontolo iainana sy ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana ao Chitwan, manohitra ny drafitry ny governemanta hamindra tokantandroka 30 amboniny ho any Bardia ato anatin'ny telo taona.

Olana goavana no niseho tamin'ny namindràna ny Tokantandroka avy amin'ny CNP nankany Bardia, toeram-ponenana ratsy ho an'ireo bibidia ary fidirana malalaka ho an'ny mpihaza an-tsokosoko avy any India.

Na izany aza, nafàna fo ny vondrom-piarahamonina tao Bardia tamin'ny fahatongavan'ny tokantandroka ary niarahaba ny ekipa nanao ny famindràn-toerana tamin'ny filanjàna sora-baventy mitondra ny hafatra hoe: “Afaka miaro ny tokantandroka isika”.

Ankoatra izany, araka ny voalazan'ny mpanoratra ny lahatsoratra siantifika, ny Valan-javaboaharim-pirenena ao Bardiya sy ny Shuklaphanta Wildlife Reserve dia toeram-ponenana tsara ho an'ny tokantandroka noho ny faritra manodidina izay manome fahafahana mampitombo ny mponina tokantandroka ao anatin'ny fotoana maharitra.

Na nanome porofo ampy aza ilay zanaka tokantandroka vao teraka fa, amin'ny fotoana maharitra, ho tonga mponina hiroborobo any amin'ny faritra andrefan'i Nepal ny tokantandroka, mbola kianin'ny sasany noho ny antony hafa ilay politika famindràm-ponenana.

Nanoratra tao amin'ny Facebook i Dilli Bhattarai:

Rey olona, na ireo Gourous amin'ny biby sy ireo mafàna fo sasany mpiaro zon'ny biby aza, milaza fa vaovao tsara izany, vaovao lehibe…sns. Ekena, angamba vaovao tsara izany, satria niteraka soa aman-tsara tao amin'ny toeram-ponenana vaovao ilay tokantandroka vao nafindra. Kanefa efa azonareo sary an-tsaina ve fa izany pachyderm bevohoka izany, izay niteraka vao volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nofahanana fanafody fampitoniana sy nampidirina tao anaty fiarabe ary nentina tany amin'ny toeram-ponenana vaovao lavitra ny nisy azy teo aloha? Manontany tena fotsiny aho, tsy heloka atao amin'ny biby bevohoka ve izany? Angamba, ny manampahaizana momba ny tokantandroka mety hilaza fa tsy hanimba mihitsy ilay biby izany. Kanefa izany ve no fomba itondranareo ny reny bevohoka?

Ireo manampahefanan'ny governemanta sy ny fikambanana mpiaro ny tontolo iainana tafiditra tamin'ny famindràna sy fiarovana ny tokantandroka dia tokony hiatrika ny fitarainana toy izany amin'ny alalan'ny adihevitra malalaka ampahibemaso momba ny paikady ary koa hiantoka fa tokony hamafisina ny hetsika manohitra ny fihazàna tsy ara-dalàna any amin'ny faritra andrefan'i Nepal.

Tena ilaina ny fitantanana mahomby ny toeram-ponenana sy ny fanairana ny fahatsiarovan-tenan'ny tsirairay raha toa ny firenena hanohy ny fankalazàna ny “aotra ny fihazàna tsy ara-dalàna ny tokantandroka any Nepal”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.