Mampiakatra Ny Kabarim-pankahalana Ny Media Sosialy Ao Afghanistan

Ethno-linguistic map of Afghanistan. Wikipedia image.

Sarintanin'ny teny ara-poko ao Afghanistan. Sary Wikipedia.

Tamin'ny 16 May, nanatri-maso fihetsiketsehana milamina tsy mbola nisy habetsahan'olona tahaka izany i Kabul raha nirohotra nankao an-drenivohitra Afghan ny vahoaka Hazara an'arivony mba haneho ny fahadisoam-panantenany amin'ny fanapahan-kevitry ny governemanta hamindra lalana ny tariby mpamindra hafatra mitentina an-tapitrisany dolara, tsy mandalo ao Afghanistan afovoany, faritra betsaka indrindra ny vondrona ara-poko Hazara.

Noraisin'ireo mpanohana ny fihetsiketsehana ho ohatra hanamafisana ny fiarahamonim-pirenena Afgàna izany satria nihetsika hitaky ny rariny amin'ny governemanta foibe tsy mahomby amin'ny alalan'ny fihetsiketsehana tsy misy herisetra ny fiarahamonina niaritra fampijaliana hatry ny ela .

Anisan'ireo mpitsikera, na izany aza, nisy ireo firaisana tsikombakomba tsy manam-pitsaharana fa niasa toy ny saribakolin'i Iran ny Hazara, izay manana fifandraisana ara-pivavahana sy ara-kolontsaina aminy, ary maro ny ohatra ratsy amin'ny fitsarana an-tendrony ara-poko izay miorina tsara ao amin'ny ampahan'ny sehatra haino aman-jery sosialy Afgàna.

Samy manana ny fiteny manevatevany izy ireo

Ny fanjakazakan'ny fitsarana an-tendrony sy ny fanevatevana ao amin'ny media sosialy Afgàna dia ahitana ny fifandraisana ara-poko marefo ao amin'ny firenena niaina ady bebe kokoa noho ny fihavanana tao anatin'ny taompolo maro.

Hoy ny mpisera Facebook iray tezitra nanohitra ny fihetsiketsehan'ny Hazara:

هزاره موش خور قلفک چپات نن دمره شو چی د یوپشتون ولسمشر توحین کوی ستاسی نسل کی م .،.، وکړم

Androany, ny Hazara mpihinana voalavo sy petak'orona dia mahavita manevateva ny filoha Pashtun…

Nalefan'i Mekheen Sib tamin'ny Asabotsy 14 May 2016

Ny fitsaratsaram-poana toy ny Hazara-e-Mushkhur (Hazara mihinana totozy), ny Ozbek khám Kala (tsy matotra atidoha), ny endrika Pashtun roa, filazana ny tantaran'ny Tajiks sy ny Ghul (vaventy nofosana saingy tsy misy saina) – izay matetika afangaro amin'ny mpampihorohoro – no mameno ny Facebook.

Zara raha taterina ny tranga kabarim-pankahalana tahaka izany, ary angamba, satria matetika soratana amin'ny teny Farsi na Pashto ny lahatsoratra, dia tsy mirotsaka an-tsehatra firy ireo mpandrindra ny Facebook..

یک افغان/پشتون انتحاری دیگر که میخواست خود مرداری کند، دستگیر شد.

Voasambotra ny Pashtun mpanao vy very ny ainy iray hafa saika hanapoaka tena.

Nalefan'ny Afghanistan Is My Mother (Reniko i Afghanistan) tamin'ny Alahady 16 Novambra 2014

Ny famaritana ifanarahana amin'ny atao hoe fitsaratsaram-poana dia angamba ny famaritana notazonina sy raikitra ao amin'ny Rakibolana Oxford milaza hoe sary diso nohamaivanina na hevitra momba ny karazan'olona na zavatra manokana .”

Saingy mitondra olana ara-tantara maharitra an-taonjato maro ny sary fanavakavahana manalika ny politika Afgàna.

Ao anatin'ny vanim-potoana nomerika, mandrahona hanimba tanteraka ny firaisam-pirenena sy ny firaisankin'ny samy vondrona ny fitoeran'ireo fitsarana an-tendrony ireo hatrany.

Ny fifandanjam-pahefana ara-poko

Vokatry ny fifandraisana amin'ny fahefana , fampandrosoana ara-politika ary ny fiainana antanandehibe ny fitsaratsaram-poana.

Talohan'ny fananiham-bohitra Sovietika, ny hoe tsy fisian'ny fahefana ara-politika Ozbek, ohatra, no  nahafahan'ny vondrona ara-poko hafa hanala baraka azy ireo sy maneho azy ireo ho adala.

Mandritra izany, ny vondrona ara-poko lehibe indrindra, ny Pashtun, ao amin'ny firenena matetika no ampifandraisan'ny foko hafa ho ny Taliban anjakan'ny Pashtun, ary taty oariana, ampifandraisina tamin'ny mpitolona manao vivery ny ainy amin'ny baomba.

Indraindray, sakafo ho an'ny mpanaraby ao amin'ny media sosialy ny fiorenam-pakan'ireo fitsarana an-tendrony ireo, araka ny asehon'ity lahatsoratra Facebook ity:

پشتونهای با غیرت سقاویها هزارههای جوالی و ازبیک های کله خام صبح تان بخیر! جان مان تان جور است؟ خوب هستین؟
امروز عرض تان آهنگی زیبا و شنیدنی امیر جان صبوری را پیشکش نمودم، امیدوارم لذت و طراوت بخش باشد
امروز آتش بس موقت اعلام می نمایم! هر چی گفتنی دارین به مدیر تان عرض کنید!

Pashtun be fialonana, Tajik mpitondra rano, Hazara mpibata entana ary Ozbeks arafesina atidoha, miarahaba o!

Nalefan'i ‎مسعود خائن‎ tamin'ny Zoma 7 Febroary 2014

Matetika anefa, tena zava-misy mihitsy ireo fanevatevana ary maneho ny fisafotofotoana andavanandro eo amin'ny fiainana andrenivohitra ao Kaboul, izay mifanakaiky trano ireo vondrona ara-poko isan-karazany ary manana fahafahana miditra aterineto ny ankamaroan'ny mponina.

Mahatsikaiky fa ny ankamaroan'ireo fitsaratsaram-poana dia tononina sy soratana amin'ny fiteny iray – Farsi-  – ifandraisan'ny olona any Afghanistan ary anisan'ny fiteny ifampiresahan'ireo Afgàna nahita fianarana.

Mandrakizay doria?

Farafahakeliny, antony roa no milaza fa hitoetra ny fitsarana an-tendrony ara-poko, anisan'izany ny endrika feno fankahalana indrindra.

Ny iray dia fahazarana amin'ny fitsaratsaram-poana eo amin'ny kolontsaina Afgàna sy ny tsy fisian'ny finiavana ara-politika hanakana izany.

Raha tsorina, mba tsy ho hita ho toy ny fady, eken'ny besinimaro ho toy ny paikady ara-dalàna amin'ny tolona hanjakazakana eo amin'ny sehatra manerana ny firenena eo amin'ny samy vondrona ny kabarim-pankahalana.

Ny faharoa dia ny tsy fisian'ny rafitra hanoherana ny herin'ny fitsaratsaram-poana izay nahazo vahana sy laza noho ny firongatry ny haino aman-jery sosialy ao amin'ny faritra antanandehibe ao amin'ny firenena.

Raha mipoitra amin'ny kaonty Facebook sandoka ny ankamaroan'ny fitsarana an-tendrony ara-poko, misy ihany koa ny fitomboan'ny isan'ny olona faly mampifandray ny anaran'izy ireo amin'ny fanevatevana ara-poko.

Amin'izao fotoana izao, toa liana kokoa amin'ny fanararaotana ny fizarazarana ara-poko ao amin'ny sehatra virtoaly sy tsy virtoaly ny mpanao politika fa tsy mamaha izany, kanefa maro ny zavatra azon'izy ireo atao ho fanavotana.

Ny fanaovana fanambarana imasombahoaka manohitra ny fitsaratsaram-poana ara-poko ao amin'ny aterineto sy manampy ny Facebook sy Twitter amin'ny fanivànana ny sasany amin'ireo tranga (kabarim-pankahalana) manimba indrindra ny ara-tsosialy dia azon'ny governemanta atao tsara sy ny mponina amin'ny ankapobeny ihany koa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.