- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

#PanamaPapers Milaza Ny Tantara Mahazatra Momba Ireo Sangany Ara-politika Ao Pakistan

Sokajy: Pakistana, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna
Nawaz Sharif, the prime minister of Pakistan, during a visit to Downing Street in April 2014. Photo from the Flickr account Number 10. CC BY-NC-ND 2.0 [1]

Nawaz Sharif, praiminisitr'i Pakistan, nandritra ny fitsidihana ny Downing Street tamin'ny volana Aprily 2014. Sary avy amin'ny kaonty Flickr Number 10. CC BY-NC-ND 2.0

Tamin'ny manodidina ny 10 ora tamin'ny Alahady alina [2]tao Pakistan no nanomboka tao amin'ny media sosialy ny resaka momba ny vaovao tafaporitsaka manaraka izay ho goavana sy mahaliana. Tamin'ny mamatonalina, manerana ny media sosialy ny diezy #PanamaPapers [3], olona an-jato sy an'arivony no naneho hevitra mikasika ity nantsoina hoe “iray amin'ireo vaovao goavana tafaporitsaka eo amin'ny tantaran'ny asa fanaovan-gazety” ity, izay mamoaka ny kaonty offshore maloto amin'ny fifanarahana ataon'ireo mpitarika marobe malaza manerantany, anisan'izany ny Praiminisitr'i Pakistan, Nawaz Sharif.

Offshore Power Players: Jereo ny fianakavian'i Nawaz Sharif voasaringotra amin'ny #panamapapers

Nanana, nanao antoka fananana mifaka tao amin'ny Fanjakana Mitambatra Britanika tamin'ny alalan'ny orinasa offshore ny fianakaviana Sharif, hoy ny navoakan'ny antontan-taratasy tafaporitsaka #PanamaPapers

Fanehoan-kevitry ny minisiteran'ny fampahalalam-baovao amin'izao fotoana izao

Ny fanafenana goavana ny antonta-taratasy ara-bola 11,5 tapitrisa dia mampiseho ny asa anatin'ny iray amin'ireo orinasa lehibe manerantany amin'ny fampidirana vondrona offshore, Mossack Fonseca, ao Panama. Ahitana firaketana efa 40 taona mahery amin'ny tahirin'ireo mpanao politika 150 avy amin'ny firenena 50 ny raki-tsarobidy.

Araka ny antontan-taratasy, izay nangonin'ireo Vondrona Iraisampirenen'ireo Mpanao Gazety Fanadihadiana [14](ICIJ), dia nanangana orinasa offshore efatra ny zanaky ny Praiminisitra Sharif izay nahazo fananana enina farafahakeliny [15]ao amin'ny faritra avo lenta sy manankarena mahatazana ny Hyde Park ao Londra. Manamarika ny tatitry ny ICIJ hoe:

Three children of former and current Pakistan's Prime Minister Nawaz Sharif – Mariam, Hasan and Hussain– were owners or had the right to authorise transactions for several companies… Hasan Nawaz Sharif was the sole director of Hangon Property Holdings Limited incorporated in the British Virgin Islands in February 2007, which acquired Liberia-based firm Cascon Holdings Establishment Limited for about $11.2 million in August 2007. Mossack Fonseca resigned as agent for Hangon because Hasan Nawaz Sharif was a “Politically Exposed Person.”

Zanaka telon'ny Praiminisitr'i Pakistana Nawaz Sharif teo aloha sy amin'izao fotoana izao- Mariam, Hasan sy Hussain- no tompony na nanan-jo hanome alàlana varotra ho an'ny orinasa maro … Nawaz Sharif Hasan no hany talen'ny Hangon Property Holdings Limited nampidirina tao amin'ny Nosy Virijiny Britanika tamin'ny Febroary 2007, izay nahazo ny orinasa Cascon Holdings Establishment Limited miorina ao Liberia tamin'ny vidiny teo amin'ny 11,2 tapitrisa dolara amerikanina tamin'ny Aogositra 2007. Nametra-pialàna tsy ho mpiasan'ny Hangon intsony ny Mossack Fonseca satria “Olona Miseho ara-politika” i  Nawaz Sharif Hasan.

Tsy nety naneho hevitra ny fianakaviana Sharif raha natonin'ny ICIJ. Na izany aza, tamin'ny fandaharana amin'ny fahitalavitra izay nalefa tamin'ny 19 Martsa, niaiky ny zanakalahin'ny praiminisitra, Hussain Nawaz fa manana orinasa offshore izay nataony ho voninahitra (“Allhamdullah” midika hoe “Dera ho an'Andriamanitra” amin'ny teny Arabo):

 @hyzaidi [16]: niaiky tamin'ny fandaharana Javed Ch i Hussain Nawaz fa manana orinasa offshore. Hoy izy “Allhamdullah” fa manana ireo orinasa offshore ireo izahay”

Pakistan, firenena an-dalam-pandrosoana, dia miantehitra amin'ny fanampiana ara-bola avy any ivelany mba hanampiana ireo mahantrany indrindra satria tsy ampy rafitra fiarovana ara-tsosialy ny firenena. Miaina ao anaty fahantrana lalina ny ampahany betsaka amin'ny mponina ao amin'ny firenena, saingy malaza manankarena kosa ny maro amin'ireo mpanao politikany. Manambara ny tantara diso fantatra momba ireo sangany ara-politika manankarena izay zara raha mahatsapa andraikitra mba hangarahara sy tompon'andraikitra tanteraka amin'ny vahoakany ireo antontan-taratasy.

Nahitana fanehoan-kevitra isan-kararazany ireo vaovao tafaporitsaka. Mpiasa ara-politika avy amin'ny antoko  mpanohitra Pakistan Tehreek-e-Insaf (PTI) an'i Imran Khan mihevitra fa fankatoavana ny fitakian'izy ireo izany, raha mihevitra kosa ny hafa fa tsy hitarika any amin'ny fanovana fototra akory izany:

Tsy mifarana ny fahasorenana. #panamapapers.
Hampiseho ny tsy firaharahiantsika ny olona sy ny hoavin'i Pakistan ny fandavana

Hiala amin'ny fanohanana ity minisitra sy ny fianakaviany jiolahy mpanao kolikoly amin'izao fotoana izaoity izay rehetra tia tanindrazana an'i Pakistan

Ilaina ny Vaomieran'ny Fitsarana Tampony vaovao mba handinika ny #PanamaPapers, miankina amin'izany ny fahamarinana sy ny demokrasian'i Pakistan.

Olana lehibe – hiala eto ho aiza isika? Tahaka ny any ambadiky ny sioka sy horakoraka amin'ny fahitalavitra.. Dia inona izao?

Tamin'ny 2014, nanoratra fandinihana lalina [23] momba ny harenan'ny fianakaviana Sharif ilay bilaogera Shahid Saeed. Nanome antsipiriany be dia be momba ireo orinasa isan-karazany an'ny fianakaviana Sharif ny lahatsoratra. Nofaranan'i Saeed hoe:

This would probably bring Nawaz Sharif into the top 100 richest individuals in Pakistan, maybe a bit below that too.The large portion of these holdings are illiquid (total cash in-hand and bank deposits combined for Nawaz Sharif and his wife are Rs 140 million) and constant industrial investments in Pakistan. The family is by no means poor, and neither have they ever claimed of being so.

Azo antoka fa mety hitarika an'i Nawaz Sharif ho anisan'ireo olona mpanakarena 100 voalohany indrindra ao Pakistan izany, angamba ambany kelin'izany kokoa. Tsy vola ny ampahany lehibe amin'ireo fananana ireo (Rs 140 tapitrisa ny fitambaran'ny vola eo am-pelantanana sy petra-bola any amin'ny banky ho an'i Nawaz Sharif sy ny vadiny) ary fampiasam-bola tsy tapaka amin'ny indostria ao Pakistan. Tsy mahantra mihitsy ny fianakaviana, ary tsy mbola nilaza fa mahantra izany.