#PanamaPapers Milaza Ny Tantara Mahazatra Momba Ireo Sangany Ara-politika Ao Pakistan

Nawaz Sharif, praiminisitr'i Pakistan, nandritra ny fitsidihana ny Downing Street tamin'ny volana Aprily 2014. Sary avy amin'ny kaonty Flickr Number 10. CC BY-NC-ND 2.0
Tamin'ny manodidina ny 10 ora tamin'ny Alahady alina tao Pakistan no nanomboka tao amin'ny media sosialy ny resaka momba ny vaovao tafaporitsaka manaraka izay ho goavana sy mahaliana. Tamin'ny mamatonalina, manerana ny media sosialy ny diezy #PanamaPapers, olona an-jato sy an'arivony no naneho hevitra mikasika ity nantsoina hoe “iray amin'ireo vaovao goavana tafaporitsaka eo amin'ny tantaran'ny asa fanaovan-gazety” ity, izay mamoaka ny kaonty offshore maloto amin'ny fifanarahana ataon'ireo mpitarika marobe malaza manerantany, anisan'izany ny Praiminisitr'i Pakistan, Nawaz Sharif.
Offshore Power Players: See how Nawaz Sharif's relatives are linked 2the #panamapapers: https://t.co/JDeMk8kPet@PTIOfficial will love this
— Lawangin (@Pashtoonkhan) April 4, 2016
Offshore Power Players: Jereo ny fianakavian'i Nawaz Sharif voasaringotra amin'ny #panamapapers
Sharif family owned, mortgaged UK property through offshore companies, leaked docs reveal#PanamaPapers #Pakistan pic.twitter.com/AQbu17QyOi
— Mahwish Rajput (@wishrajpoot) April 3, 2016
Nanana, nanao antoka fananana mifaka tao amin'ny Fanjakana Mitambatra Britanika tamin'ny alalan'ny orinasa offshore ny fianakaviana Sharif, hoy ny navoakan'ny antontan-taratasy tafaporitsaka #PanamaPapers
Ministry of Information reactions right now #Pakistan #PanamaPapers pic.twitter.com/iJ6pthNSSM
— Adnan Rasool (@adnanrasool) April 3, 2016
Fanehoan-kevitry ny minisiteran'ny fampahalalam-baovao amin'izao fotoana izao
Ny fanafenana goavana ny antonta-taratasy ara-bola 11,5 tapitrisa dia mampiseho ny asa anatin'ny iray amin'ireo orinasa lehibe manerantany amin'ny fampidirana vondrona offshore, Mossack Fonseca, ao Panama. Ahitana firaketana efa 40 taona mahery amin'ny tahirin'ireo mpanao politika 150 avy amin'ny firenena 50 ny raki-tsarobidy.
Araka ny antontan-taratasy, izay nangonin'ireo Vondrona Iraisampirenen'ireo Mpanao Gazety Fanadihadiana (ICIJ), dia nanangana orinasa offshore efatra ny zanaky ny Praiminisitra Sharif izay nahazo fananana enina farafahakeliny ao amin'ny faritra avo lenta sy manankarena mahatazana ny Hyde Park ao Londra. Manamarika ny tatitry ny ICIJ hoe:
Three children of former and current Pakistan's Prime Minister Nawaz Sharif – Mariam, Hasan and Hussain– were owners or had the right to authorise transactions for several companies… Hasan Nawaz Sharif was the sole director of Hangon Property Holdings Limited incorporated in the British Virgin Islands in February 2007, which acquired Liberia-based firm Cascon Holdings Establishment Limited for about $11.2 million in August 2007. Mossack Fonseca resigned as agent for Hangon because Hasan Nawaz Sharif was a “Politically Exposed Person.”
Zanaka telon'ny Praiminisitr'i Pakistana Nawaz Sharif teo aloha sy amin'izao fotoana izao- Mariam, Hasan sy Hussain- no tompony na nanan-jo hanome alàlana varotra ho an'ny orinasa maro … Nawaz Sharif Hasan no hany talen'ny Hangon Property Holdings Limited nampidirina tao amin'ny Nosy Virijiny Britanika tamin'ny Febroary 2007, izay nahazo ny orinasa Cascon Holdings Establishment Limited miorina ao Liberia tamin'ny vidiny teo amin'ny 11,2 tapitrisa dolara amerikanina tamin'ny Aogositra 2007. Nametra-pialàna tsy ho mpiasan'ny Hangon intsony ny Mossack Fonseca satria “Olona Miseho ara-politika” i Nawaz Sharif Hasan.
Tsy nety naneho hevitra ny fianakaviana Sharif raha natonin'ny ICIJ. Na izany aza, tamin'ny fandaharana amin'ny fahitalavitra izay nalefa tamin'ny 19 Martsa, niaiky ny zanakalahin'ny praiminisitra, Hussain Nawaz fa manana orinasa offshore izay nataony ho voninahitra (“Allhamdullah” midika hoe “Dera ho an'Andriamanitra” amin'ny teny Arabo):
@hyzaidi: Hussain Nawaz admitted on Javed Ch show that they own offshore companies. He said “Allhamdullah’ we own these offshore companies”
— Hassan Iftikhar (@Hassaniftikhar) April 3, 2016
@hyzaidi: niaiky tamin'ny fandaharana Javed Ch i Hussain Nawaz fa manana orinasa offshore. Hoy izy “Allhamdullah” fa manana ireo orinasa offshore ireo izahay”
Pakistan, firenena an-dalam-pandrosoana, dia miantehitra amin'ny fanampiana ara-bola avy any ivelany mba hanampiana ireo mahantrany indrindra satria tsy ampy rafitra fiarovana ara-tsosialy ny firenena. Miaina ao anaty fahantrana lalina ny ampahany betsaka amin'ny mponina ao amin'ny firenena, saingy malaza manankarena kosa ny maro amin'ireo mpanao politikany. Manambara ny tantara diso fantatra momba ireo sangany ara-politika manankarena izay zara raha mahatsapa andraikitra mba hangarahara sy tompon'andraikitra tanteraka amin'ny vahoakany ireo antontan-taratasy.
Nahitana fanehoan-kevitra isan-kararazany ireo vaovao tafaporitsaka. Mpiasa ara-politika avy amin'ny antoko mpanohitra Pakistan Tehreek-e-Insaf (PTI) an'i Imran Khan mihevitra fa fankatoavana ny fitakian'izy ireo izany, raha mihevitra kosa ny hafa fa tsy hitarika any amin'ny fanovana fototra akory izany:
The frustration doesn't end. #panamapapers.
Denial will show our disinterest in the people and the future of #Pakistan— yada (@YadaThoughts) April 4, 2016
Tsy mifarana ny fahasorenana. #panamapapers.
Hampiseho ny tsy firaharahiantsika ny olona sy ny hoavin'i Pakistan ny fandavana
any one who is patriotic to Pakistan will leave to support this corrupt crime minister n his family now#PanamaPapers
— Syed Omer Ijaz (@IamBukhari14) April 4, 2016
Hiala amin'ny fanohanana ity minisitra sy ny fianakaviany jiolahy mpanao kolikoly amin'izao fotoana izaoity izay rehetra tia tanindrazana an'i Pakistan
A fresh Supreme Court Commission is needed to examine #PanamaPapers Pakistan's integrity & democracy depends on it. pic.twitter.com/8lhoBlQjo3
— PTICyberForce (@PTICyberForce) April 4, 2016
Ilaina ny Vaomieran'ny Fitsarana Tampony vaovao mba handinika ny #PanamaPapers, miankina amin'izany ny fahamarinana sy ny demokrasian'i Pakistan.
So serious question – where do we go from here? Like beyond the tweets and shouting matches on TV.. What now? #Pakistan #panamapapers
— Adnan Rasool (@adnanrasool) April 3, 2016
Olana lehibe – hiala eto ho aiza isika? Tahaka ny any ambadiky ny sioka sy horakoraka amin'ny fahitalavitra.. Dia inona izao?
Tamin'ny 2014, nanoratra fandinihana lalina momba ny harenan'ny fianakaviana Sharif ilay bilaogera Shahid Saeed. Nanome antsipiriany be dia be momba ireo orinasa isan-karazany an'ny fianakaviana Sharif ny lahatsoratra. Nofaranan'i Saeed hoe:
This would probably bring Nawaz Sharif into the top 100 richest individuals in Pakistan, maybe a bit below that too.The large portion of these holdings are illiquid (total cash in-hand and bank deposits combined for Nawaz Sharif and his wife are Rs 140 million) and constant industrial investments in Pakistan. The family is by no means poor, and neither have they ever claimed of being so.
Azo antoka fa mety hitarika an'i Nawaz Sharif ho anisan'ireo olona mpanakarena 100 voalohany indrindra ao Pakistan izany, angamba ambany kelin'izany kokoa. Tsy vola ny ampahany lehibe amin'ireo fananana ireo (Rs 140 tapitrisa ny fitambaran'ny vola eo am-pelantanana sy petra-bola any amin'ny banky ho an'i Nawaz Sharif sy ny vadiny) ary fampiasam-bola tsy tapaka amin'ny indostria ao Pakistan. Tsy mahantra mihitsy ny fianakaviana, ary tsy mbola nilaza fa mahantra izany.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...