- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpanoratra Angoley Ondjaki Nahazo Voalohany Tamin'ny Lokan'ny Literatiora Tany Frantsa

Sokajy: Angola, Brezila, Frantsa, Haisoratra, Mediam-bahoaka, Vaovao Tsara, Zavakanto & Kolontsaina
Brasília - O escritor angolano Ondjaki participa da 1ª Bienal do Livro e da Literatura (2012). Foto: Elza fiúza/ABr (CC BY 3.0 br)

Brasília – Ny mpanoratra angoley Ondjaki nandray anjara tamin'ny isan-droataonan'ny boky sy literatiora voalohany (2012). Saripika: Elza fiúza/ABr [1] (CC BY 3.0 br [2])

Ny mpanoratra angoley Ondjaki no nahazo ny Prix Littérature-Monde 2016, tamin'ny boky “Os transparentes” [Ny Mangarahara] nivoaka tamin'ny 2012. Io boky io ihany koa no efa nahazo ny Lokan'ny mpanoratra literatiora José Saramago, herintaona taorian'ny namoahana azy (2013).

Nandritra ity antsafa tamin'ny 2013 ity i Ondjaki no niresaka momba ny boky “Os transparentes” [Ny Mangarahara]:

Ondjaki no solon'anarana noraisin'i Ndalu de Almeida izay teraka tany Luanda tamin'ny taona 1977. Nahazo ny lisansa tamin'ny Sosiolojia, nianatra tany Lisboa, Itália sy tany Etazonia ny mpanoratra. Monina ao Rio de Janeiro izy amin'izao fotoana izao.

Nandray ny loka tamin'ny asabotsy 14 mey nandritra ny Fetiben'ny Etonnants Voyageurs faha-27 notontosaina tao avaratr'i Frantsa ny mpanoratra izay “manana fomba fanoratra tsy manampaharoa”.

Manana fomba fanoratra tsy manampaharoa i Ondjaki, mahatonga ahy voasintona ho any Angola.

Poeta sady mpanoratra, mbola mpamokatra sarimihetsika ihany koa i Ondjaki. Tamin'ny taona 2006 izy niara-namokatra ny Oxalá cresçam pitangas – histórias de Luanda [4], [maniry hitombo anaty fahamamiana – tantaran'i Luanda] lahatsarim-panadihadiana mampiseho ny fanamby ara-tsosialy atrehin'ny olona ao an-drenivohitr'i Angola isan'andro.