Tsy Iray Monja, Fa Roa Ny Fitetezam-paritra Natokan'i Però Ho An'ny Anaran'i Mario Vargas Llosa, Ilay Nahazo Ny Loka Nobel

Cruce de las calles Colón y Diego Ferré en Miraflores, Lima, calles recurrentes en las obras del Nóbel peruano. Foto de la autora, usada con autorización.

Kihon-dàlan'i Colon sy Diego Ferre ao Miraflores, Lima, arabe mahazatra ao amin'ny asan'ilay Peroviana mpanoratra nahazo loka Nobel, Mario Vargas Llosa. Sary an'ny mpanoratra, nahazoana alàlana

Mety efa mahazatra ireo mpankafy ny bokin'ilay Peroviana mpanoratra nahazo loka Nobel, Mario Vargas Llosa ny mahita ireo anaranà làlana sasany sy kianja miainga avy ao Miraflores , distrikan'i  Lima, izay hita any anatin'ireo tantarany, toy ny Ocharan, Colon, Diego Ferre, Juan Fanning, Salazar Park, sy Kennedy Park, ankoatry ny hafa.

Izany no antony nanombohan'ny fiadidiana ny tanànan'i Miraflores tamin'ny 2011 ny làlan'ny fizahantany antsoiny hoe “Literatour“, aingam-panahy avy amin'ny asan'i Vargas Llosa, izay niaina taona vitsivitsy tao nandritry ny hatanorany:

‘Literatur: la ruta de Mario Vargas Llosa’. Se trata de un circuito que une parques y avenidas emblemáticas […] inicia en el parque Kennedy, el mismo que está ubicado al lado de la iglesia principal de Miraflores, luego continúa por donde se encontraba el parque Salazar y donde ahora se encuentra el concurrido centro comercial Larcomar.

Más adelante, el circuito sigue por la Casa de Porras Barrenechea (ahora convertida en Instituto Cultural), donde Vargas Llosa trabajó seleccionando los libros. Para terminar, se continúa por la concurrida avenida Larco, y el pasaje Champagnat, donde se encontraba el colegio del mismo nombre donde estudió el literato.

“Literatour: ny Làlan'i Mario Vargas Llosa.” Fitetezam-paritra io, izay mandeha mandalo amin'ireo kianja sy arabe mampiavaka […] miainga avy ao amin'ny Kianja Kennedy, eo akaikin'ny fiangonana lehibe ao Miraflores, ka avy eo mitety ny làlana rehetra mitondra ho any amin'ny nisy ny Kianja Salazar izay ankehitriny toerana ijoroan'ny Larcomar, ilay Tranombarotra goavana be mpitsidika tokoa.

Mitohy mankany amin'ny tranon'i Porras Barrenechea  [diplaomaty Peroviana, mpahay tantara ary mpanao politika] (ankehitriny lasa ivon-kolontsaina) ilay fitetezam-paritra, toerana efa niasàn'i Vargas Llosa nitantanany fitehirizam-boky. Farany ilay izy dia mandalo ny Arabe Larco izay be mpandeha tokoa, sy ny fiampitàna ao Champagnat, toerana ahitàna sekoly iray nianaran'ity lehilahin'ny literatiora ity ary ankehitriny mitondra ny anarany.

Araka ny hita amin'ny tranonkalan'ny fiadidiana any tanànan'i Miraflores, mba hikarakaràna ilay fitetezam-paritra :

[…] la Municipalidad de Miraflores desarrolló una investigación literaria e histórica que permite involucrar a los ciudadanos con el mundo literario de Vargas Llosa, y a la vez conocer un poco más sobre la historia de la ciudad, al recorrer sus principales calles.

[…] nampanao fanadihadiana momba ny literatiora sy ny tantara ny fiadidiana ny tanànan'i Miraflores mba hahafahana misintona ny olompirenena hiditra amin'ny tontolon'ny literatioran'i Vargas Llosa, no sady hanazàrana ny olona hilona amin'ny tantaran'ny tanàna rehefa mandalo amin'ireo làlambeny.

Ity lahatsary YouTube ity dia mampiseho sary avy eny amin'ireo toerana lalovan'ny “Mario Vargas Llosa Literatour”:

Ao amin'ny Twitter, nizara torohay momba ny fitetezam-paritra ao Miraflores ny olona, antsoina ihany koa hoe “Mario Vargas Llosa Literatur” ary amin'ny fomba tsotra hoe “Literatour”:

Manolotra fitetezam-paritra iray i Lima izay manaraka ny dian'i [Mario] Vargas Llosa. Literatour, aingam-panahy iray nalaina avy amin'ilay nahazo ny loka Nobel…

Ho amin'ny Foara faha-36n'ny Bokin'i Ricardo Palma, hetsika efatra no nokarakaraina ho an'ny Mario Vargas Llosa Literatour.

Fintin'ny lahatsoratra: Tsy vitako ny tsy hanoratra momba an'i Miraflores, Vargas Llosa hoy ny iray. Fantaro ilay fitetezam-paritra mampahatsiahy ny fahiny izay entina ho ao anatin'ny vaninandro maoderina…

Bitsika: Mario Vargas Llosa Literatour

Tamin'ny taona lasa, nahitàna manampahaizana iray amin'ny baiko moana ny andiany iray tamin'ilay fitetezam-paritra, ho an'ireo manana olana amin'ny fandrenesana:

Miaraka amin'ny Mario Vargas Llosa Literatour iarahan'ny rehetra. #AndroErantanyHoAnyMarenina

Tsy i Miraflores ihany no hany toerana manana fitetezam-paritra nalaina avy amin'i Vargas Llosa. Vao haingana koa i Arequipa no nanomboka iray iray ahitàna fitsidihana misy mpitaridia mankany amin'ny Tranombokim-paritra Mario Vargas Llosa sy ny tranombokiny manokana, hatramin'ny fitsidihana ny Trano Vakoka izay nahaterahan'ilay mpanoratra,  vao avy nahafeno ny faha-80 taonany :

Entre las majestuosas fachadas de sillar que dan a Arequipa el nombre de “Ciudad Blanca”, la travesía recorrerá el centro histórico de la urbe para visitar la Biblioteca Regional Mario Vargas Llosa, y la biblioteca personal y la casa museo del último escritor con vida del “boom” de la novela latinoamericana.

La ruta Vargas Llosa es la primera propuesta turística de Arequipa enfocada en la literatura, y será una alternativa a otros recorridos más populares, entre ellos las visitas al imponente cañón del Colca, punto ideal para avistar cóndores, la campiña, las picanterías y la escalada al volcán Misti, que custodia la capital [del departamento].

Anatin'ireo [vato fotsy] sillar ivelany manerinerina izay mahatonga an'i Arequipa ho fantatra amin'ny hoe  “Tanàna Fotsy,” hitety ireo foibe ara-tantara ao aminy ilay fitetezam-paritra hitsidihana ny Tranombokim-paritra nomena ny anaran'i Mario Vargas Llosa, ny tranombokiny manokana ary ilay Trano Vakoka ho an'ilay hany mpanoratra sisa velona avy amin'ny “boom” -n'ny literatiora tao Amerika Latina.

Ny Làlan'i Vargas Llosa no voalohany tetikasa fizahantany tao  Arequipa nifantoka tamin'ny literatiora, ary ho safidy iray amin'ireo fitetezana hafa malaza, toy ireo fitsidihana ny Colca Canyon mahavariana, toerana iray tena tsara hijerena iraeo “condors”; ny faritra ambanivohitra; ny picanterías [trano fisakafoana ahitàna sakafo masiatsiaka]; ary ny fianihana ny volkano Misti izay mandondona ny renivohitr [‘ilay departemanta].

Nilaza i Rommel Arce, mpitantana ilay tranomboky, hoe ny tanjona amin'ilay fitetezam-paritra dia ny hampitomboana ny isan'ny fitsidihana ireo ivon-kolontsaina natokana ho an'ilay mpanoratra. Nasiana fanamboarana iIlay Trano Vakoka, tsy ela akory izay, ary ankehitriny dia ahafahan'ireo mpitsidika manao fitsidihana virtoaly ireo dingana lehibe teo amin'ny fiainan'i Vargas Llosa, miaraka amin'ireo sary sy lahatsary ary misy hologram iray an'ilay mpanoratra mihitsy aza.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.