Nalàna Sarona Tao Sarajevo Ny Saribe An-drindrina Mampiseho An'i David Bowie

David Bowie mural in Sarajevo, Bosnia and Herzegovina

“Miova ny rendrarendra, fa ianareo kosa hijanona hatrany ho mahery fo ho ahy,” hoy ny hafatr'ilay sariben'i David Bowie ao Sarajevo. Sary an'i Filip Stojanovski, CC BY.

Ny 28 May teo, nanala sarona ny saribe an-drindrina maneho an'i David Bowie tao an-drenivohitr'i Bosnia sy Herzegovina ny andiany iray ahitàna ireo mpanakanto ao Sarajevo, ho fankasitrahana ny fandraisana anjaran'ilay mpanakanto tamin'ireo ezaka ho an'ny maha-olona tao amin'ny firenena.

Rindrin'ny tranobe iray efa tranainy be ao amin'ny faritry ny toeram-ponenan'ny mpianatra amin'ny anjerimanontolon'i Sarajevo no nanaovana ilay sary an-drindrin'i Bowie.

Nandritry ny lanonana fanokafana, nampiasa lasitra handokoana ny sarin'i Bowie ho amin'ny T-Shirt -n'ireo mpanatrika ihany koa ireo mpanoratra, izay nilaza ny tenan'izy ireo ho Team Bowie ( Tarika Bowie).

Araka ny vavahadin-tserasera ao an-toerana, Clix.ba, io no “sary an-drindrina goavana indrindra eto an-tany ahitàna an'i Bowie,” 13 metatra ny haavony ary 10.5 ny sakany (43 x 34 feet).

Raha sarotra hamarinina ny amin'izay filazàna izay, tahàka ny goavana be kosa aloha ilay sary an-drindrina ao Sarajevo mitaha amin'ireo “13 Zavakanton'ny Làlana Natao Hanomezana Voninahitra an'i Bowie Eran'izao Tontolo Izao” notsongain'ny gazetiboky  NME.

People at the unveiling of David Bowie mural in Sarajevo. Photo by Katarina Vučković, CC BY..

Vahoaka mijery ny fanalàna ny voalin'ilay saribe an-drindrin'i David Bowie tao Sarajevo. Sary an'i Katarina Vučković, CC BY.

Nandritra ilay ady tamin'ny 1992-1995, rehefa niaritra fahirano goavana i Sarajevo, nandray anjara taminà hetsika noho ny maha-olona natao hanampiana ireo olom-pirenena tao i Bowie.

Ny “Team Bowie Sarajevo” dia ahitàna mpitendry mozika Vedad Trbonja avy amin'ilay tarika mpiangaly rock Billy Andol, Marvel comics artist Enes Čišić, mpamorona endrika sy mpanao hosodoko Zoran Herceg, hatramin-dry Mensur Demir, Aleksandar Brezar sy Adnan Čomor.

Lazain'izy ireo fa tonga nanatevina laharana ry zareo mba hanome voninahitra ny “iray amin'ireo mpanakanto goavana indrindra, izay efa nodimandry talohan'ny nahafahan'izy rehetra ireo nanatrika iray tamin'ny fampisehoana nataony.”

Nampiasain'ireo mpampiasa media sosialy ny tenifototra #SarajevoBowie mba hanehoana fankasitrahana ilay tetikasa.

Ampahany amin'ny faritra iray nampiasaina ho toby goavana indrindra nisy ny Tafibahoaka Yogoslavy ny toerana misy ilay sary an-drindrina.

Taorian'ny Ady Bosniaka, naverina namboarina ny toerana, nampiasaina tamin'ny ampahany ho an'ny anjerimanontolo, ary tamin'ny ampahany ho an'ny masoivoho Amerikàna vaovao.

Ampahany tamin'ilay tranobe tao amin'ilay toeram-ponenana ihany no nesorina, ary marobe amin'izy ireo no mbola mijoro ho toy ny vata foana tsy misy na inona na inona. Soratra rangodrangotra (Graffiti) no mameno azy, miaraka aminà sary an-drindrina hafa manotrona an'i Bowie.

Part of the Sarajevo University Campus. Photo by Filip Stojanovski, CC BY.

Ampahany amin'ny toeram-ponenan'ny mpianatry ny Anjerimanontolo ao Sarajevo . Sary an'i Filip Stojanovski, CC BY.

Part of the Sarajevo University Campus. Photo by Filip Stojanovski, CC BY.

Ampahany amin'ny toeram-ponenan'ny mpianatry ny Anjerimanontolo ao Sarajevo . Sary an'i Filip Stojanovski, CC BY.

Another graffiti on Sarajevo University Campus, unrelated to Bowie. Photo by Filip Stojanovski, CC BY.

Ampahany amin'ny rangodrangotra ao amin'ny Toeram-ponenan'ny Mpianatry ny Anjerimanontolon'i  Sarajevo, tsy misy ifandraisany amin'i Bowie. Sary an'i Filip Stojanovski, CC BY.

Stencils near the David Bowie mural in Sarajevo. Photo by Filip Stojanovski, CC BY.

Lasitra sary, tsy lavitra ilay saribe an-drindrn'i David Bowie ao Sarajevo. Sary an'i Filip Stojanovski, CC BY.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.