Fihaonan'i Meksika Amin'Izao Tontolo Izao Mandritra Ny Fetin'ny Kolontsaina Sakaiza

Mandray ny Fetin'ny Kolontsaina Sakaiza natao hampifandray ity firenena iray ao Amerika Latina ity amin'ny firenena manakaiky ny 90 avy amin'ny faritra maro manerana izao tontolo izao indray i Zócalo ao an-drenivohitra meksikana. Nasaina manokana amin'ity lanonana ity i Lafrantsa.

Ho ela velona Lafrantsa, Ho ela velona Meksika ! @CulturasAmigas #FCA2016 araraoty !

Tonga eo amin'ny andiany fahafalo ny fety, araka ny voafariparitry ny mpitondra ao an-toerana misahana ny fikarakarana azy :

Más de 200 actividades artísticas y culturales están listas para promover el intercambio multicultural, moderno y cosmopolita que se ha hecho tradición en la capital del país, del sábado 21 de mayo al domingo 5 de junio, cuando se lleve a cabo la Feria de las Culturas Amigas (FCA) 2016 en el Centro Histórico de la Ciudad de México.

Mihoatra ny 200 ny hetsika arajavakanto sy kolontsaina nomanina hampiroboroboana ny fifanakalozana kolontsaina-maro, maoderina sy ahitana olona avy amin'ny fiaviana maro namaka tao an-drenivohitra, manomboka ny asabotsy 21 mey ka hatramin'ny 5 jona, rehefa tontosaina ao amin'ny Foibe Ara-Tantaran'ny Tanànan'i México ny Fetin'ny Kolontsaina namana (FCA) 2016.

Fa inona moa izany ny fihetsiketsehana atao ao? Tao amin'ny filazana ihany ny mpikarakara no namaly:

Con talleres, conferencias, ciclos de cine, clases de francés, actividades infantiles, sesiones de activación física y espectáculos de performance, música, danza y teatro, el proyecto llega a su octava edición bajo la coordinación general del Gobierno de la Ciudad de México.

Amin'ny alalan'ny atrikasa, valandresaka, sombin-tsarimihetsika, fianarana teny frantsay, kilalao ho an'ny ankizy, fotoana fampiasam-batana sy fampisehoana hira, dihy ary tantara tsangana, tetikasa miditra amin'ny andiany fahavalo eo ambany fandrindran'ny manampahefanan'ny tanànan'i México.

Iray amin'ny fanintonan'ny fety ny mpitsidika isan-taona ny fahafaha-manandrana ny fahaiza-manao ara-nahandro iraisampirenena, ary fantatry ny mpiasan'ny Sekretarían'ny Fizahantany ny Tanànan'i México tsara izany ka izany no anasany ny olona amin'ny sary manaraka eto ambany :

Ny fetin'ny @CulturasAmigas miandry anao ao Zócalo fankalazan'izao tontolo izao ato amin'ny #CDMX [tanànan'i México] Firenena nasaina i Frantsa

Ao amin'ny stand an'i Fanjakana Mitambatra (Britanika), ahitana ny fahaizana manokan'ny isan-toerana :

Miandry anao izahay amin'ny Fetin'ny Kolontsaina Fanjakana Mitambatra (Britanika).

Ho an'ireo izay te-hahazo entambarotra avy amin'izao tontolo izao aorian'ny fety, manamarika izahay fa misy tolotra maro isan-karazany tsy lavitra an'i Zócalo, ao amin'ny Tsenan'i San Juan [mg].

Ny lanonana toy ny fetin'ny kolontsaina namana no ahafahan'ny mponin'ny tanànan'i México sy ny mpitsidika azy mitsipalotra ny feo, ny tsiro ary ny lokon'ny firenena lavitra ary nahoana moa, manangana fifandraisana.

Azerbaiyán, Tanzania, Libia y República Dominicana, algunos de los países con presencia en la #FCA2016. Imagen del autor.

Azerbaijan, Tanzania, Lybia ary i Repoblika Dominikana, sasantsasany amin'ireo firenena nanao fampirantiana tao amin'ny #FCA2016. Sary avy amin'ny mpanoratra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.