- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Lasa Nisarika Ny Sain'ny Rehetra Ny Fihenan'ny Farihy Urmia Ao Iran, Noho Ny Nataon'i Leonardo DiCaprio Avy Any Hollywood

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fampandrosoana, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana, Zavakanto & Kolontsaina
Lake Urmia by Yoosef Pooranvary - Own work, CC BY-SA 3.0

Ny Farihy Urmia avy amin'i Yoosef Pooranvary. Asa manokana. CC BY-SA 3.0

Tao amin'ny “regram” iray, nitondra fisarihan-tsaina maro momba ny faharitan'ny Farihy  Urmia any Iran ilay Amerikana mpilalao sarimihetsika, Leonardo DiCaprio.

Olana ho an'ireo Iraniana mpiaro tontolo iainana sy ny injenieran'ny rano nandritra ny taona maro ny Farihy Urmia (indraindray soratana Orumyeh na Urmieh). Farihy besira indrindra any Afovoany-Atsinanana ilay farihy. Ny tsy fahaiza-mitantana ny rano, ny tetikasa amin'ny foto-drafitrasa tsy voahevitra, ary ny haintany no nitambatra ka nanambana ny fisian'ilay farihy.

Nizara sary avy amin'ny fandaharan'ny Fahitalavitra Amerikana The Weather Channel momba ny faharitan'ilay farihy i Leonardo DiCaprio tao amin'ny lahatsorany Instagram nozaraina ny 5 May 2016.

#Regram #RG @weatherchannel: A dilapidated ship dock remains on dried up Lake Urmia in northwestern Iran. It used to be the biggest salt lake in the Middle East, but it now contains five percent of the amount of water it did two decades ago due to climate change, dam construction and decrease in precipitiation. Read more at weather.com. Photo: @solmazdaryani #ItsAmazingOutThere #climatechange #lakeurmia #iran #photography #travelphotography #travel #environment #lake #saltlake #saltdesert #photo #photos #photooftheday #pic #picoftheday #pics #urmia [1]

A photo posted by Leonardo DiCaprio (@leonardodicaprio) on

Tavela teo amin'ilay Farihy ritra Urmia ny fiantsonan-tsambo iray efa ratsy any avaratra-andrefan'i Iran. Farihin-tsira lehibe indrindra any Afovoany Atsinanana izy io, saingy ankehitriny, noho ny fiovan'ny toetr'andro, ny fanamboarana tohodrano ary ny fihenan'ny rotsa-korana, dia tsy manana afa-tsy dimy isan-jaton'ny habetsahan'ny rano izay nananany roapolo taona lasa,. Vakio bebe kokoa ao amin'ny weather.com

Tsy ela dia feno haingana fiderana ho an'ny lahatsoratra Instagram an'ilay mpilalao sarimihetsika ny Twitter. Ny solontenan'ny fandaharan'Asa momba ny Fampandrosoana an'ny Firenena Mikambana any Iran, Gary Lewis, dia nisaotra ilay mpilalao sarimihetsika tamin'ny fisarihana ny sain'izao tontolo ho amin'ilay farihy:

#Iran [2]: Misaotra @LeoDiCaprio [3] nisarika ny sain'izao tontolo izao ho amin'ny Farihy Urmia. Ilaina ny tolo-tanana rehetra. Tohizo ny asa tsara

Efa ela i Lewis no nandray anjara tamin'ny hetsika mikendry ny hamadika ny faharitan'io farihin-tsira anatiny io.

Nisaotra an'i DiCaprio i Behna Azimi tamin'ny fihainoana “ny tarainanay”:

Misaotra betsaka amin'ny fanehoankevitrao @LeoDiCaprio [3], fara fahakeliny olona iray no mandre ny fitarainanay!
ilaina ny manao zavatra bebe kokoa mba hanavotana ny #urmialake [6] / #FarihyUrmia [7]!

Ny mpampiasa twitter @Elxan89 [9] dia nizara ilay lahatsary In Memory of Urmia Lake (Ho Fahatsiarovana Ny Farihy Urmia) [10].

Ny mpanao gazety Omid Memarian [11]koa anisan'ireo nisaotra an'i DiCaprio tamin'ny fizaram-baovao momba ilay farihy:

Donakely ho an'i @LeoDiCaprio [3] noho ny fisarihan-tsaina ho amin'ny #FarihyUrmia [7] ao #Iran [2]  tamin'ny lahatsorany farany, voaray hatraiza hatraiza tany Iran.

Nampian'i @aaraz, mpampiasa Twitter avy ao Urmia hoe:

Rehefa alefan'i @LeoDiCaprio [3] amin'ny Instagram ny tanindrazanao & ny  mpiray tanindrazana aminao manapaka ny @instagram-ny [14]

Misy fiantraikany ho an'izao tontolo izao ny faharitan'ilay farihy. Loharanon-tsakafo lehibe ho an'ny karazam-borona mpifindra monina maro ny makamba an-dranomasina ao amin'ny Farihy Urmia. Maro tokoa taloha ny flamingos, egrets, pelicans, ary vorona hafa tao amin'ilay faritra.

Ny mponina ao amin'ny faritra no mijaly indrindra. Efa nanapoizina ny tany ny sira nipoitra avy amin'ilay farihy ritra, nanimba ny tany fambolen'ireo andian-taranaka, ary mety hanakorontana ny fiainan'ny olona an-tapitrisany.

‘Raha ritra izy, tsy maintsy mandeha any an-kafa isika’

Nandeha ankoatry ny nisaotra an'ilay mpilalao sarimihetsika ny mpampiasa sasany. Nandefa bitsika i Ghias Amir momba ny famerenana amin'ny laoniny ny farihy:

Misy vokany ny fanarenana ny #FarihyUrmia, fa mitaky fotoana.

 

Image widely shared during the 2011 protests to bring attention to the drying lake.

Sary nifampizaràna betsaka nandritra ny fihetsiketsehana tamin'ny 2011 mba hisarihana ny saina ho amin'ny faharitan'ilay farihy.

Ao amin'ny sisintany manasaraka an'i Iran sy i Torkia no misy ny Farihy Urmia. Efa ela izy io no singa iray manandanja ho an'ny mponina ao amin'ny faritra. Loharanom-bola sy rehareha ara-kolontsaina ilay farihy. Nahatonga ahiahy teo amin'ny mponina any Torkia sy Iran ny fiharatsiany. Tamin'ny 2011, nitarika fihetsiketsehana faobe izany. Fantaro bebe kokoa ao amin'ny Arseh Sevom  [20]sy Global Voices [21] ny momba ireo fihetsiketsehana.

Nanoratra ny mpampiasa Twitter, Saeed Maraghali:

Manerana izao tontolo izao dia misy ny ahiahy mikasika ny faharitan'ny farihy. Nanontany aho raha toa ka fantatr'izy ireo ny loza mety hitranga aminay raha toa ka ritra ilay farihy. Dia hoy izy ireo hoe, raha ritra izy, tsy maintsy mandeha any an-kafa isika. #urmialake

(Mihoatra noho ny hoe) Miahiahy isika hoe mivazivazy ilay mpampiasa Twitter Saeed Morning ao amin'ity bitsika ity momba ny Farihy Urmia:

Manahy momba ny Farihy Urmia izy ireo, raha tokony ho ny Bay of Pigs no hampanahy an-dry zareo. Tsy menatra ve izy ireo #UrmiaLake

Efa tara loatra ve ny hamonjena ny farihy?

Mety tsy ho afaka ny hamonjy ny farihy i Leonardo DiCaprio. Nefa misy olona maro any Iran sy manerana izao tontolo izao miasa mba hampiverina azy. Tamin'ny resadresaka niarahana tamin'ilay Siantifika Amerikana [25]Hossein Akhani [26], manampahaizana momba ny zava-mananaina ao amin'ny Oniversiten'i Tehran, dia nanontaniana izy momba ny hetsika nataon'ny governemantan'i Iran mba hamonjena ilay farihy. Hoy izy:

Ny Komitim-Panarenana ny Farihy Urmia dia nametraka komity ahitàna manampahaizana manokana izay nanao drafitr'asa tamin'ny 2014, ary nankatoavina. Ao anatin'ny tetiandro Iraniana ho amin'ny 2015 ka hatramin'ny 21 Martsa 2016, 660 tapitrisa $ no vola nampiasaina tamin'ny tetikasa 88 tao amin'ny faritra. Ohatra, nanome rano 200 tapitrisa metatra toratelo avy amin'ny tohodrano ho any amin'ilay farihy ary nampifandray renirano roa mba hanamora ny fikorianan'ny rano izy ireo. Nanamboatra lakandrano mba hitondra ny rano avy amin'ny renirano teo akaikin'ny sisintany Tiorka ho any amin'ny farihy. Nanomboka namatsy vola ny sehatra fambolena koa izy ireo mba hampihena ny fanjifàna rano.

Azo antoka fa voazarazara ny asan'izy ireo. Ity GIF ity dia mampiseho ny fomba nihenan'ny farihy teo anelanelan'ny 1998 sy 2014:

Lake Urmia from 1998 - 2014 using satellite images in the public domain

Ny Farihy Urmia nanomboka ny 1998 – 2014 mampiasa sary avy amin'ny zanabolana ao amin'ny sehatra ho an'ny daholobe. Ao amin'ny sary 2014, azonao jerena fa manakenda ilay farihy ny tetezana tsy voahevitra tsara.

Ity sary ity izay nozarain'i Gary Lewis vao haingana tao amin'ny pejiny Facebook no hamaranantsika azy. Ny ririnina nisy ranon'orana vao haingana tany Iran dia anisan'ny nahatonga ny fitomboana 5 santimetatra amin'ny haavon'ny rano ao amin'ny farihy. Satria voalohany dia tena marivo ny Farihy Urmia, dia fitomboana misongadina io.

"Let's continue our efforts to restore it." [27]

“Ho tohizantsika ny ezaka mba hamerenana azy io.”

Ho tohizantsika ny ezaka mba hamerenana azy io amin'ny laoniny

Fandrakofana hafa nataon'ny Global Voices: