- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Lalaon'ny Hanoanan'ny Azerbaijan: Eo Amoron-tevana Ireo Media Tsy Miankina

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Azerbaijan, Fanampenam-bava, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, GV Mpisolovava
Meydan.tv homepage. Screenshot taken on April 24.

Pejy fandraisan'ny Meydan TV. Dikasary nalaina ny 24 Aprily.

Fanjakana mpamokatra solika tafapetraka tsara ao Kaokazy, nampiantrano ireo Lalao Eorôpeana i Azerbaijan iny taona lasa iny, ary na eo aza ny fanaovana jadona ratsy indrindra sasany, mitazona fifandraisana madio miaraka amin'ny Tandrefana ilay faritra Sovietika fahiny.

Fa ho an'ireo media tsy miankina sy mpanohitra mikaikaika sisa tavela, mampahatsiahy kokoa ilay sarimihetsika “Lalaon'ny Hanoanana” sy andiam-boky ny fiainana ao amin'ny firenena, fa tsy izay hetsika fanatanjahantena malaza.

Vao haingana izao ny biraon'ny mpampanoa lalànan'ny Repoblika, ny 20 Aprily, no nanomboka fanadihadiana [1] heloka bevava mikendry ny hanameloka ny Meydan TV izay media naorin'ilay gadra politika teo aloha, Emin Milli, ary miasa miainga avy amin'ny foibeny ao Berlin.

Ampangain'ny fitsaràna ilay media hoe meloka amin'ny fahazoana tombom-barotra tsy ara-dalàna ary fitsoahana fandoavan-ketra goavana, araka ny mpisolovava misolo tena io Elchin Sadigov.

Mandalo fanadihadiana noho ny heloka bevava ny #MeydanTV

Iray andro taorian'izay, ny 21 Aprily, nanonona anarana [11] olona 15 ny biraon'ny mpampanoa lalàna, tao amin'ilay fanadihadiana heloka bevava natao tamin'ny Meydan TV, mpanao gazety mipetraka ao Azerbaijan ny sasany amin'izy ireo.

#mpanaogazety dimy ambiny folo voatonona tao amin'ilay fanadihadiana heloka bevava atao ny #MeydanTV

Raha tsy nisy voaheloka tamin'ny fomba ofisialy, maro amin'ireo mpitati-baovaon'ny Meydan TV no miatrika fandraràna tsy hivezivezy ary nalaina am-bavany.

Miaraka amin'ny tolotra Azeri an'ny Radio Free Europe/Radio Liberty (RFE/RL), iray amin'ireo media vitsy milaza matetika ny famoretana ny zon'ny Azeri ao anatin'ny firenena ny haino aman-jery Meydan TV.

Nilaza ny heviny momba ilay fiampangàna ny Meydan TV [19] i Emin Milli mpanorinasady filohan'ilay media:

Bir daha bəyan edirik ki, Azərbaycan hökuməti bu cür absurd cinayət işi ilə söz azadlığına, jurnalist fəaliyyətinə əngəl törədir və demokratiya mühitini boğur. Meydan TV rəhbərliyi irəli sürülən ittihamları rədd edir və bundan sonra da fəaliyyətini dayandırmayacaq.

Manambara eto indray izahay, amin'ny fanokafana io fanadihadiana heloka bevava tsy misy dikany io, mametraka fefy amin'ny fahalalahana miteny sy ny asan'ny mpanao gazety ary manempotra ny fiarahamonina demaokratika ny governemantan'i Azerbaijan. Mandà ireo fiampangàna rehetra ny Meydan TV ary tsy ao an'eritreriny ny hanajanona ny asany.

Fampitandremana: mpanoratra lahatsoratra teo aloha amin'ny teny Anglisy ho an'ny Medyan YV ny mpanoratra ito lahatsoratra ito, ary mitondra anjara matetika ao amin'ny vohikala.

Tsy misy avela amin'ny toerany

Manamarika amin'ny fiverenana amin'ny tokony ho izy izany fanambaràna mavesatra izany, taorian'ny famotsorana [20] ireo gadra politika 14 nialoha ny fitsidihan'ny Filoha Ilham Aliyev tany Washington DC hanatrika ny Fihaonana an-tampony momba ny Nokleary sy Fiarovana.

Nandova ny fanjakana avy tamin'i Heydar rainy sady lehiben'ny kaominista teo aloha i Aliyev , ary nampiseho tsy firaharahàna nakely akozy aza ny fahalalahana maneho hevitra sy ireo zo fototra hafa sasany.

Satria misy fiantraikany lehibe amin'ny toekaren'ny firenena ny fidinan'ny vidin-tsolika, lasa bebe kokoa sahala amin'ny kilalao mahery fihetsika saintsainin'ilay Amerikana mpanoratra, Suzanne Collins, ilay fitondràna, ary avy eo lasa toy ny andianà lahatsary malaza [21].

Niatrika famoretana [22]  ambony be ireo mpanao gazetin'ny Meydan hatramin'ny taona 2014 — taona izay nahavery sasaka ny vidin'ireo entana fanondran'i Azerbaijan — miaraka amin'ny fitazonana, fisavàna ny hetra [23] tampotampoka, ary ireo karazana sotasota hafa tao anatin'ireo roa taona lasa farany.

Araka [24] ny voalazan'i Melody Patry, ilay zokiolona amin'ny fisoloana vava ao amin'ny Tondro amin'ny Sivana :

Nataon'ireo manampahefana Azerbaijani lasibatra tsy misy indrafo ny Meydan TV sy ireo mpiasany. Mitovy natiora amin'ireo fiampangàna nampiasaina handefasana ireo mpanao gazety [sasany] sy ireo mpitsikera ny governemanta any am-ponja ireo fiampangàna natao tamin'ny Meydan TV. Manamafy io fanadihadiana io fa tsy manana eritreritra ny hanova ny fomba fiadiny amin'ny media tsy miankina sy ny fahalalahana miteny ao amin'ny firenena ny governemanta.