- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Fiovàn'ny Hatsaràn'Endrika sy Bika Tao Japàna Tato Anatin'ny 100 Taona

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Hevitra, Mediam-bahoaka, Tantara, Vehivavy sy Miralenta
Japan Beauty

Pikantsary avy amin'ny lahatsarin'i Watchcut tao amin'ny YouTube.

Natsofok'i Watchcut ho ao anatin'ilay andianà lahatsary “100 Years of Beauty,(100 taonan'ny hatsaràna)” [1]  ataony amin'izao fotoana izao i Japàna, amin'ny fanomezana fijery mahavariana momba ny fiovàn'ny hatsaran'ny endrika amam-bikan'ireo vehivavy tao Japàna nandritra iny taonjato farany lasa iny.

Mampiasa elanelam-potoana iray ilay andianà lahatsary mba hitrandrahana ireo fiovàn'ny ankosotra sy ny taovolom-behivavy nitety kolontsaina maro tato anatin'ny 100 taona farany. Etsy ankilany, ahitàna an'i Iràna [2], Korea [3] ary Filipina [4], ankoatra ireo hafa maro ao anatin'ireo firenena izay resahan'ilay andiana lahatsary.

Junko & Marina Taylor [5] no nanome ny fikarohana ho an'ilay lahatsary, ary maro amin'ireo fanamarihan-dry zareo no voarakitra ao amin'ny Pinterest [6].

Nanome lahatsary iray koa ry zareo nanazavany ny “fikarohana tany ambadik'ireo endrika ireo”:

Azo jerena eto [7] ireo andiany manontolo amin'ny 100 Years of Beauty [7]