- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nivoady Tsy Handràra Ny WhatsApp, Skype Sy Ny Antso Viber Ny Minisitra Ghaneana

Sokajy: Afrika Mainty, Ghana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Teknolojia, GV Mpisolovava
An MTN vehicle in Uganda, November 28, 2005, CC 2.0

Fiara MTN  ao Kampala, Oganda. Sary avy amin'ny futureatlas. (CC Generic 2.0)

Mampihena ny vola miditra amin'ny orinasan'ny fifandraisandavitra ny fitombon'ny fampiasana ny WhatsApp, Skype, Viber sy ny fampihatra amin'ny finday hanaovana antso ao Ghana. Maro ny antso nataon'ny orinasan'ny fifandraisandavitra ao Ghana mangataka ny Manampahefana Mpiandraikitra ny Fifandraisana Nasionaly mba hametra ny mpamandrika tsy hampiasa ny aterineto hanaovana antso an-telefonina.

Nalaza be ny antso toy izany vao tsy ela akory. Tao amin'ny lahatsoratra iray navoakan'ny CitiFM An-tserasera [1], nilaza i Ebenezer Twum Asante, Filoha Mpanatanteraka MTN ao Ghana hoe:

In as much as Sim Boxing [2] is illegal and we must all fight very hard to stop it, there is a much bigger issue with over the top calls generated through the internet media. So when you make a whatsapp call you are making the call through the internet and bypassing the traditional channel. If you compare that one to Sim Boxing, my position is OTT [3][over-the-top content] is more expensive. I think we must apply the same level of seriousness to OTT calls since it has a bigger revenue threats”.

Amin'ny maha tsy ara-dalàna ny Sim Boxing [2] dia tsy maintsy miady mafy izahay hampitsaharana izany, misy ny olana mavesa-danja kokoa amin'ny antso atao amin'ny alalan'ny fampitam-baovaon'aterineto. Koa rehefa manao antso WhatsApp ianareo dia manao ny antso amin'ny alalan'ny aterineto ka tsy mandalo amin'ny fantsona fampiasa mahazatra teo aloha. Raha mampitaha izany amin'ny Sim Boxing [2] ianao, ny hevitro dia lafo kokoa ny OTT [3] [Ambonin'ny Tampony]. Mihevitra aho fa tsy maintsy mampihatra ny fitoviana lenta matotra amin'ny antso OTT izahay rehefa mampisy ahiahy bebe kokoa izany eo amin'ny fidiram-bola”.

Ny voambolana “OTT” (Over-The-Top na Ambonin'ny tampony) dia mamariparitra fampihatra mifototra amin'ny aterineto (matetika an'ny orinasa hafa fahatelo) mamela ireo mpisera finday hifandray amin'ny alàlan'ny teknolojian'ny arofenitra an'aterineto amin'ny fandefasan-kafatra, feo sy/na lahatsary, fa tsy amin'ny fanao mahazatra amin'ny antso sy soratra atao amin'ny tambajotra an-tariby. Anisan'ireo ohatra vitsy amin'ny teknolojia mitaingina “eo amin'ny tampony” fampiasan'ny mpisera amin'ny lahatahiry ny Skype, ny WhatsApp ary Viber izay midika fa mora kokoa (maimaim-poana matetika) amin'ny ankapobeny noho ny tolotra omen'ny mpandraharahan'ny fifandraisandavitra izy ireo.

Nahatonga tsy fahazoana aina teo amin'ireo mpisera betsaka amin'ny finday sy ny media sosialy ao Ghana ny fanambaran'i Asante. Maximus Ametorgoh [4], mpitari-dalana amin'ny haivarotra nomerika sady Tale Mpitantana ny Pop Out, nanontany tena hoe nahoana ny lalàna toy izany no mety ho ampiharina:

I don't understand this call for regulation of selected OTTs because they affect cellular calls… Government is expected to monitor the activities of these OTTs? How? What should the regulation entail?

Tsy azoko ny antso hanaovana lalàna voatokana ho an'ny OTTs satria misy fiantraikany amin'ny antso amin'ny finday izany…  tokony hanara-maso ny asan'ny OTTs ny Governemanta? Amin'ny fomba ahoana? Inona no anton'ilay lalàna?

Nanamarika tao amin'ny pejy Facebook-ny [5] i Theo Acheampong [6], manampahaizana momba ny toe-karena, fa tokony hiomana amin'ny fitsenana ny fikorontanana ara-teknolojia izay hiroborobo hifaninana amin'ny fomba fiantsoana mahazatra taloha ny orinasan'ny fifandraisandavitra:

Our telcos are beginning to sound like sore losers. Why must Over-The-Top (OTT) calls made through social media networks such as WhatsApp be redirected through the traditional channels just for revenue making purposes? Isn't the cost of providing the service covered by the internet bundles consumers buy to access these apps and programmes; therefore, why must they pay an extra dime? Methinks the telcos need to smell the coffee because the traditional ‘voice game’ is over, and with it, the monopoly profits they used to make. It's all about data! Welcome to the world of disruptive technologies! The consumer is KING…

Manomboka hita ho resy ny mpandraharahan'ny fifandraisandavitra. Nahoana ny antso Ambonin'ny Tampony (OTT) mandalo tambajotra media sosialy toy ny WhatsApp no hahodina tsy maintsy hizotra any amin'ny fantsona mahazatra teo aloha hikendrena hampidiram-bola fotsiny ihany? Fa angaha moa tsy mividy ny fidirana amin'ireo fampihatra sy programa ny sandan'ny fonosan-tolotra atolotry ny servisy, koa nahoana no tsy maintsy mandoa ampahafolony mihoatra indray? Mieritreritra aho fa mila manimbolo kafe ny mpandraharahan'ny fifandraisandavitra, satria vita hatreo ny ‘filalaovana antso’ mahazatra teo aloha, ary miaraka amin'izany, ny tombombarotra azony tamin'ny ampihimamba nahazatra azy ireo hahazoam-bola. Resaka lahatahiry daholo izao! Tongasoa eto amin'ny tontolon'ny teknolojia mampikorontana! Ny mpanjifa no MPANJAKA …

Vokatry ny fitroarana tao amin'ny media sosialy, niteny tamin'ny fampitam-baovao i Asante hanazava izay tiany hambara amin'ny fifehezana ny antso OTT. Hoy [7] izy hoe :

We have never mentioned anywhere that OTT should be banned. We do not stand for that, we are rather interested in all the things we need to do to expand internet usage including the medium of OTT.  The only thing that we raised was around regulation. Regulation should not be equated to a ban. With regulation, all that we are saying is that, just as a company like MTN is regulated by the NCA, so should we also have all the OTTs; the major ones also regulated so that whatever you do on that platform it will be within the laws of Ghana.

Tsy niresaka mihitsy izahay na taiza na taiza fa tokony horaràna ny OTT. Tsy mijoro ho amin'izany izahay, fa mahaliana anay kokoa ny zavatra rehetra ilaina hanitarana ny fampiasana aterineto, anisan'izany ny OTT. Ny zavatra tokana natsanganay dia ny fitsipi-dalàna. Tsy tokony ampitoviana amin'ny fandraràna ny fametrahana fitsipika. Raha miresaka fitsipika, ny hany lazainay dia hoe, satria ny orinasa tahaka ny MTN izao dia fehezin'ny NCA, noho izany dia tokony hanana fifehezana tahaka izany koa ny OTTs rehetra; rehefa misy fifehezana ireo lehibe ireo dia ho ao anatin'ny lalànan'i Ghana avokoa ny zavatra rehetra ataonareo amin'io sehatra io.

Ho valin'izany antso izany, nanome toky ny Ghaneana ny Minisitry ny Serasera, Dr. Edward Omane Boamah, izay niteny tao amin'ny Andron'ny Fiarahamonin'ny Fampitam-baovao sy ny Tontolon'ny Fifandraisandavitra tao Accra fa tsy mieritreritra ny handrarà ny antso amin'ny aterineto ny governemanta. Nilaza [8] izy fa :

The other focus of today’s discussions is on OTT Services, of which there was a lot of media discussion last week. The reality of today’s telecommunication Industry is that consumers are in control. Consumers love innovation, flexibility, efficiency, comfort, and more often than not, low-cost alternatives and will always seek them out to enhance their livelihoods.

Our mandate should be to seek a balanced approach such that all stakeholders in this industry have their needs fulfilled. It is also imperative for us to learn from other countries and understand why they have or have not encouraged this trend of affairs.

But in all this, I wish to state emphatically that Government is not and has not in any way considered a ban on OTT services. We believe that as an emerging trend, the regulator, together with operators and consumers should find a middle ground which befits our peculiar situation.

To this end we wish to reiterate that we recognise the media as development partners and as such, we need your support in communicating accurate and verified messages to the public.

Mifantoka tamin'ireo tolotra OTT ny resaka hafa anio, izay nisian'ny fifanakalozan-kevitra be tamin'ny fampitam-baovao tamin'ny herinandro. Ny zavamisy eo amin'ny indostirian'ny fifandraisandavitra amin'izao fotoana izao dia mahafehy zavatra ny mpanjifa. Tia zava-baovao, azo roritina, mahomby sy mampilamina sy ny zavatra maro hafa ny mpanjifa, fa tsy hionona amin'ny vahaolana hafa ambany vidy, fa hitady mandrakariva ny hanatsara ny asa fivelomany.

Tokony mitady ny fomba voalanjalanja toy izany isika mba ho afa-po avokoa ny mpandray anjara reehtra eo amin'ity seha-pihariana ity. Laharam-pahamehana ho antsika ny mianatra ny firenen-kafa ka hahatakatra ny antony andrisihany na tsia io karazan-draharaha io.

Fa ao anatin'izany rehetra izany, tiako ny manamarika fa tsy nihevitra ary tsy mihevitra ny handrara ny tolotra OTT ny governemanta. Mino izahay fa tokony hahita marimaritra iraisana sahaza ny toetra ara-bolantsika na ny mpandrindra, miaraka amin'ny mpandraharaha sy ny mpanjifa.

Noho izany tanjona izany, tianay ny manamafy fa mankatoa ny fampitam-baovao amin'ny maha mpiara-miombon'antoka ho fampandrosoana azy izahay ka noho izany dia mila ny fanohananareo izahay eo amin'ny fahaizana mampita zavatra amin'ny hafatra voamarina ho an'ny daholobe.

Nilaza ny sioka nalefan'i Joy FM tao amin'ny iray amin'ireo onjam-peo malaza indrindra ao Ghana fa:

Manohana ny antso hifehezana ny antso amin'ny fampihatra an'aterineto toy ny WhatsApp ny Fanohanana ny Fampiasam-Bola Ghaneana amin'ny Fifandraisana Elekitronika. #JoySMS [9]

Namaly ilay sioka i Nene Odonkor (@nenedonkor [11]) nanao hoe:

Misy olona fohy fisainana eto Ghana. Efa nandoa vola tamin'ny aterineto isika mba hanaovana ireo antso. Hanasazy antsika ny hatendan-kanina. @Joy997FM [12] #joysms [13]

Nanamarika ny antony tsy tokony handraràna ny antso amin'ny aterineto i Maxwell Atiah (@maxwell_atiah [15]):

@Citi973 [16] @benkoku [17] tsy tokony handràra akory ny fampiasana ireo media sosialy izy ireo , ny volanay no handoavanay izany, handoavam-bola rahateo ny lahatahiry #CitiCBS [18].

Maro ireo mpisera amin'ny media sosialy no  mampirisika ny orinasan'ny fifandraisandavitra mba hanitatra hevi-baovao sy hanome tolotra aterineto tsara mba hampitomboana ny vola miditra aminy noho ny hoe hangataka amin'ny governemanta mba hametra ny antso amin'ny aterineto.