- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tetikasa ‘Enfants du Pays (Zanaky Ny Firenena)’ Mahatsiaro Ireo Niharam-boina Tamin'ny Krizy Tao Borondi

Sokajy: Afrika Mainty, Borondi, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Saripika
One of the artworks shared of the project's Facebook page. [1]

Iray amin'ireo asa kanto nozarain'ny pejy Facebook-n'ny tetikasa.

Enfants du pays (Zanaky ny Firenena) dia tetikasa iray avy amin'ny ekipa Borondey mandrakitra sy mizara ny tantaran'ny olona tsirairay namoy ny ainy nandritra ny krizy mitohy mba ho “velona [2]” hatrany ny fahatsiarovana azy ireo.

Tamin'ny Aprily 2015, niharan'ny famoretana ny fihetsiketsehana manohitra ny filoha mirotsaka hofidiana amin'ny fehim-potoam-piasana vaovao indray, niteraka herisetra ara-politika izany ary nihamafy [3] avy eo, ka nisy ny fikomiana mitam-piadiana, fisamborana faobe, fandosirana mpitsoa-ponenana, ary vonoan'olona.

Maro ireo Borondey avy amin'ny firehana ara-politika samihafa no tafiditra tao anatin'ny fifandonana. Indraindray anefa, tsy mampiseho ny tantaran'ny tsirairay ao anatin'ny famoizana sy ny tolona ny fitaterana ny zava-nitranga hanazavana ny sary lehibe.

Mitanisa ny sasany amin'ireo niharam-boina ny habaka Enfants du pays, izay ahitana fijoroana vavolombelona mampihetsi-po avy amin'ny fianakaviana sy namana. Ohatra, ny momba an'i Charlotte [4] Umugwaneza, mpikatroka miady amin'ny kolikoly sady mpikambana ao amin'ny antokon'ny Hetsika ho amin'ny Firaisainkina sy ny Demokrasia, hita maty voatifitra tamin'ny Oktobra 2015 rehefa nosamborin'ny mpiasan'ny Sampan-draharahan'ny Fitsikilovam-pirenena, namela kamboty sy vady mananon-tena izy.

#Andron'nyvehivavy: Charlotte Umugwaneza: zanakavavy, vady, reny, tia tanindrazana

Na i Jean [8] Népomucène Komezamahoro, zatovo maty voatifitry ny polisy rehefa tafiditra tao afovoanin'ny fihetsiketsehana andro voalohany indrindra, namela ny fianakaviany tao anaty fisaonana.

Nahatonga ny fanangonam-baovao ho sarotra ny tsy fandriampahalemana, ka nandao [9] an'i Borondi ireo mpikarakara ny Enfants du pays hatramin'ny nanombohan'ny tetikasa tamin'ny taona lasa noho ny fandrahonana herisetra.

Nilaza ny tranonkalan-dry zareo [10] fa ny tanjony dia:

This space is to tell the story of the victims of Pierre Nkurunziza’s 3rd term, the stories of the people, “enfants du pays”, their hopes, dreams, challenges, shortcomings, and their premature and unjust deaths. We aim to tell their individual stories, to humanize their struggle, to return their dignity….to recognize their contribution to the nation and to not let their lives be lost in vain or be left anonymous.

Ity sehatra ity dia hizarana ny tantaran'ireo niharam-boinan'ny fehim-potoam-piasana fahatelon’ i Pierre Nkurunziza, ny tantaran'ny olona, “enfants du pays” [zanaky ny firenena], ny fanantenan'izy ireo, ny nofinofy, ny fanamby, ny tsy fahampiana, ary ny fahafatesana aloha loatra sy tsy ara-drariny nihatra tamin'izy ireo. Ny tanjonay dia ny hizara ny tantaran'ny tsirairay mba hamantaran'ny olombelona ny tolon'izy ireo, sy hamerenana ny fahamendrehan'izy ireo… .ho famantarana ny anjara birikin'izy ireo ho an'ny firenena sy tsy hamelana ny ain'izy ireo ho verivery foana na navela tsy fantatra anarana.

Niresaka [11] tamin'ny tompon'ny tetikasa ny The Observers, tranonkalam-panaovan-gazety ifarimbonana ampiantranoin'ny fantsom-baovao France 24, namariparitra ny fanapahan-keviny tamin'ny tapaky ny volana 2015 ny tompon'ny tetikasa fa handray andraikitra ho fanehoana ny fahatezerany amin'ny fiharatsian'ny herisetra ao amin'ny fireneny,  :

There’s been so much bloodshed that many people here think that non-violent actions are pointless. But we remain determined. Even though this project is draining, it means a lot to see how important it is for the families. Most of them are so happy that someone wants to know about their loved one.

Be loatra ny ra mandriaka fa maro ny olona eto no mihevitra fa tsy mamokatra ny hetsika tsy misy herisetra. Saingy mbola vonon-kiroso izahay. Na dia miha-ritra aza ity tetikasa ity, midika izany fa mila jerena ny halehibeny ho an'ny fianakaviana. Ny ankamaroan'izy ireo dia tena faly fa misy olona te hahafantatra momba ny havan-tiany.

Mametraka anarana sy endrika amin'ireo niharam-boinan'ny krizin'i Borondi

Kendren'ny tetikasa ihany koa ny hiasa miaraka amin'ny Borondey any ampielezana sy hanangana fampirantiana ara-javakanto any amin'ny tanàna maro manerana izao tontolo izao hanao fanairana amin'ny sanda ara-olombelon'ny krizy, ka hametraka asa kanto misy ifandraisany amin'ny lasibatra sy ny zavatra iainana ao anatin'ny tsy fahamarian-toerana ara-politika, ka ho fanaovana izany no nametrahana ny fanangonana anjara biriky [18]. Efa nanatontosa fampirantiana tahaka izany ry zareo tao New York, ary nifampizarana tao amin'ny pejy [19] Facebook ny sary.

PC Mbonimpa tao amin'ny @ChinatownSoup nandritra ny lanonam-panokafana ny fampirantiana artistikan'ny @EnfantsDuPays. Tongava mijery anay hatramin'ny voalohany mey !

Ny hosodoko amin'ny sioka eto ambony dia mampiseho an'i Pierre-Claver Mbonimpa, mpikatroka mpandala ny zon'olombelona fanta-daza izay voatifitra tao anaty fikasana hamono olona tamin'ny faramparan'ny taona 2015, ary nentina hotsaboina tany Belzika. Manana fianakaviana maty tamin'ireo sotasota ihany koa izy.

Nandritra ny krizy, voasakatsakana [24], araka izay tratra ny gazety mahaleotena,  saingy maro ny mpanao gazety, mpandala ny zon'olombelona ary ny olom-pirenena no nampiasa fomba vaovao hitaterana sy handraketana ny zavamisy amin'ny fampitam-baovao, anisan'izany ny radio sy ny media sosialy miafina mitatitra avy any an-tsesintany.

Mitovy amin'izany ihany koa, mampiasa ny fampitam-baovao ny Enfants du pays hampielezana araka izay tratra ny fahatsiarovana ireo matin'ny krizy ara-politika maherisetra, sy ny ratram-po tavela ao amin'ireo nilaozana. Natao izao hanalefahana ny fitantarana [25] notsotsorina amin'ny fifanandrinan'ny endrik'olombelona. Nahazo hafatra fanohanana [26] feno fientanentanana an-tserasera ny hetsik'izy ireo. Araka ny nolazain'ny mpisera Twitter @kagapina :

Mankasitraka anareo ry #EnfantsDuPays [27] amin'ny fanaovana an'i #Burundi [28]-ey tsy ho faty “fanindroany”