- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tsy Fotoanan'ny Fanaovana Akanjobà Misy Sary Maritoa sy Antsimbilona Izao Any Indonezia

Sokajy: Azia Atsinanana, Indonezia, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara, Zon'olombelona
A store owner in Indonesia selling a t-shirt which features the album cover of German band Kreator was arrested for promoting the banned hammer and sickle communist symbol. Source: Wikipedia [1]

Nosamborina ilay tomponà fivarotana akanjobà ao Indonezia ahitàna famantarana ny rakikiran'ilay vondrona Alemàna Kreator noho ny fanelezana ilay sary maritoa sy antsimbilona famantarana ny kaominista. Loharano: Wikipedia

Manamafy ny hetsika entina hanoherana ny kaominisma ny polisy sy ny miaramila any Indonezia, amin'ny fisamborana ireo olona ahiahiana ho manindrahindra ny fotokevitra voarara.

Tamin'ny fiandohan'ity volana ity, nampidirina am-ponja [2] ireo mpikatroka mafana fo roa tany Mollucas noho ny nanaovan'izy ireo akanjobà misy ny sary famantarana “Partai Kopi Indonesia” (Antoko Kafe Indoneziana). Araka ny polisy, mitovy amin'ny voalohan'anaran'ilay Antoko Kaominista Indoneziana (PKI) efa maty amin'izao ilay fango famantarana, na mitodika amin'ireo mpitia kafe aza ilay akanjobà.

Ireo mpikatroka mafana fo nofonjaina nampangaina ho manely ny kaominisma amin'ny fanaovana akanjobà “Pecinta Kopi Indonesia” (PKI)

Mandritra izany, nosamborina ihany koa ny tompon'ilay fivarotana fahatsiarovana sy ireo mpiasany, noho ny fivarotana akanjobà an'ilay vondrona Alemàna mpiangaly mozika metaly, Kreator, izay ahitàna [5] ny fango famantarana maritoa sy antsimbilona.

@kreator Ups! Any Indonezia ihany no mitranga.

Ny volana Febroary tamin'ity taona ity, nofoanana [9] ny Belok Kiri Fest (Turn Left Fest), izay nokarakaraina mba hiresadresahana ireo hevitry ny ankavia, taorian'ny nandavan'ny polisy ny fahazoandàlany.

Any Indonezia, atao toy ny fotokevitra mihoapefy ary rahona ho an'ny filaminam-pirenena ny kaominisma sy ny marksisma. Afaka atao ho toy ny famadihan-tanindrazana araka ny Lalàna Indoneziana nasiam-panovàna [10] Momba ny Heloka Bevava izay hetsika rehetra na fanohanana ny Kaominisma, Marksisma na Leninisma. Afaka miampanga [11] ny asan'izay mpikaroka manoratra momba ny kaominisma mihitsy aza ilay lalàna.

Mino [12] ireo mpiandraikitra miaramila fa misy tetidratsy [13] hamadihana mba hamelomana indray ireo vondrona kaominista ao amin'ny firenena, fa mieritreritra kosa ireo mpanadihady sasany fa miezaka ny hamotika ireo hetsika fotsiny ny miaramila mba handrefesany ny fanoherana kaominista ny taona 1965, izay nitondra ho amin'ny fahafatesana olona iray hetsy noahiahiana ho kaominista ary ireo mpanaraka azy nanerana an'i Indonezia.

Nampangaina ho namolavola famonoan'olona faobe [14] ny miaramila, izay nitondra tamin'ny fiakaran'ny Jeneraly Suharto teo amin'ny fitondrana. Eo ankilany, milaza ireo miaramila fa fiarovantena nanoherana ny fanafihan'ireo kaominista iny.

Nandrara ny PKI i Suharto, ary nisakana ny olona tsy hanao fanadihadiana momba izay andraikitry ny miaramila tamin'ireo famonoana ny taona 1965. Nitondra nandritra ny 32 taona i Suharto hatramin'ny fametrahany fialàna ny taona 1998.

Tamin'ny taona 2014, rehefa nandresy ny Filoha Joko Widodo (Jokowi), nanainga azy hanome rariny ho an'ireo niharan'ny famonoana ny taona 1965 ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona.

Ho valin'ireo fisamborana nanao tohivakana tato ho ato, nangataka [15] ny fampiharana ny lalàna i Jokowi mba hampitsaharana izay mety ho ezaka entina hamelomana indray ny antoko kaominista, saingy nanainga azy ireo kosa hanaja ny zon'olombelona sy ny fahalalahana hiteny.

Ny kabinetran'ny firenena indray, toa hita ho mizara roa amin'ilay resaka. Raha toa ka atambatry ny lehiben'ny fiarovana kosa ireo miaramila mbola am-perinasa sy ireo manamboninahitra efa misotro ronono, mba hanampy ny fibahanana ny famelomana indray ny kaominisma ao Indonezia, ny minisitry ny fandrindrana ny fitsaràna sy ny zon'olombelona kosa tsy mahita ny maha ratsy ny fitrandrahana ireo hevitry ny havia raha toa io ka mijanona amin'ny resaka fikarohana ho an'ny fampianarana ambony.

Ho an'ilay Silamo mpikaroka, Akhmad Sahal [16], misy fomba tsaratsara kokoa entina hiadiana ny kaominisma noho ny fisamborana ireo ahiahiana ho kaominista:

Ny fandalinana ireo fihevitra havia no fomba tsara indrindra HANDRESENA ny kaominisma. Tsy mamelona ny antoko kaominista, fa ireo fihevitra mitsikera sy siantifika. Satria ny fahatahorana be fahatany= tsy fisokafan'ny saina.

Noho ito bitsika ito, nampangain'ireo sasany mpisera amin'ny Aterineto ho miaro ny kaominisma sy mamadika ny finoany Silamo izy. Nanazava ny toerany avy eo i Sahal:

Tsy miray hevitra amin'ny kaominisma aho, ny zavatra tohanako fotsiny dia ny zo afaka hahalala sy hamaky, tafiditra amin'izany ireo hevitry ny havia. Mba hitsahatra tsy hatahotra be fahatany.

Any Indonezia, mahazatra ny maheno ireo tomponandraiki-panjakana mampifandray ny kaominisma sy ny vondrona LGBT amin'ny fampihorohoroana. Lazaina [20] matetika aza ireo ho hevitra hanakorontanana ny firaisana sy ny fiandrianam-pirenena. Manohitra io fisainana mantsotsotra zavatra io ireo sasany mpampiasa Twitter :

Tsy ho faty noho ny fandrahonana avy amin'ny [vondrona fivavahana mahery fihetsika] Mandatehezana Fiarovana Silamo [22] (FPI), ny Marksisma. Ho faty ny Marksisma rehefa lasa fotokevitra itompoana. Mitovy amin'ireo boky masina.

Fahatahorana ny kaominisma, fahatahorana ny fahalalahana, fahatahorana ny LGBT, fahatahorana ny Shinoa sy ireo hery avy any ivelany: toetoetran'ireo manana fahatsapàna ho ambany. Matahotra ny havendranan'ny tenany ihany.

Misy ezaka ny hanamboatra fahavalo tsy tena izy amin'ny resaka famelomana ny kaominisma na LGBT. #stopshacklingthedemocracy (atsaharo ny fanitsakitsahana ny demokrasia)

Toy ny mahazatrra, olana vaovao io. Teo aloha ny LGBT, avy eo ny alikaola, ankehitriny ny kaominisma. Inona ny manaraka? Ny eritreritro hoe ny resaka vetaveta.