- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Profesora Sy Mpamakafaka Politika Nisy Naka Ankeriny Sy Voadaroka Tao Maputo

Sokajy: Mozambika, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Mediam-bahoaka, Politika
José Jaime Macuane, Professor e comentador político. Foto: Facebook

José Jaime Macuane, Profesora sady mpamakafaka politika nisy naka ankeriny sy voadarokatao Maputo. Saripika: Partilhada publicamente tao amin'ny Facebook [1]

Manomboka ho lohahevitra mampididoza ny fanehoan-kevitra amin'ny fiainana politika ao Mozambika, hatramin'ny nisian'ny famonoana ho faty ilay mpampianatra oniversite Gilles Cistac [2] (mpampianatra hitsy ara-dalampanorenana) tao amin'ny lalamben'ny tanàna (marsa 2015), dia lasa miaina ny fotoanan'ny horohoro  indray i Maputo tamin'ny fakana an-keriny mpampianatra iray eny an-dalambe.

Ny lasibatra farany tamin'izany indray dia i Jose Jaime Macuane, mpanadihady politika mozambikana sady mpamakafaka amin'ny fandaharana iray be mpijery indrindra ao Mozambika, Pontos de Vista, [3] fandaharana isan'alahady ao amin'ny fantsona fahitalavitra STV, ka ao no hamakafakany ara-politika ireo lohahevitra isan-karazany nanamarika ny herinandro. Ato amin'ity lahatsary tamin'ny 22 mey 2016 ity no ahitana ny fidirana farany nataon'ity politology ity talohan'ny fakana an-keriny:

Jaime Macuane, Politólogo da Universidade Eduardo Mondlane. Captura de Tela do Programa STV [3]

Jaime Macuane, Politólogy avy ao amin'ny Oniversite Eduardo Mondlane. Dikasary, avy ao amin'ny programa YouTube ny Pontos de Vista [4] tao amin'ny STV, Mozambika.

Mpampianatra ao amin'ny Oniversite Eduardo Mondlane [5] (UEM), ivotoeram-pampianarana ambony an'ny fanjakana lehibe indrindra ao amin'ny firenena i Macuane. Hita [6] maratra teo amin'ny lohany sy ny tongony akaikin'ny lalana mihodidina iray ity mpamakafaka ity. Mbola manify dia manify ny antony fantatra mahatonga ny fakana an-keriny ity mpandalina politika ity, saingy taratra ihany fa ny tanjon'ny fanafihana [7] dia ny hampitahotra ilay mpampianatra tamin'ny fomba fijeriny:

Jaime Macuane, encontrado com ferimentos de bala nas pernas. Foto:

Jaime Macuane, hita naratran'ny bala teo amin'ny tongony. Saripika: Nozaraina ampahibemaso tao amin'ny Facebook [8].

Última Hora* Última hora* Última hora*

Jaime Macuane baleado (‪#‎canalmoz [9])

Maputo (Canalmoz) – Acaba de ser baleado em Marracuene em Maputo, o analista político José Jaime Macuane. Fonte familiar disse ao CanalMoz que Macuane foi raptado em sua casa por desconhecidos que se acredita serem do famoso esquadrão da morte que rapta e assassina indivíduos que não celebram o partido Frelimo e seus dirigentes incluindo membros da oposição. Macuane é painelista residente no programa “Pontos de vista” da STV e professor universitário. Foi baleado e abandonado em Marracuene. Neste momento está internado numa clínica privada na capital. Com os últimos assassinatos por encomenda política, já se fala de estado de terror absoluto em Maputo. (Redação)”.

Ora farany* ora farany* ora farany*

Maputo (Canalmoz) – Vao nisy nitifitra tao Marracuene, Maputo, i José Jaime Macuane, mpamakafaka ara-politika. Loharanom-baovao avy amin'ny fianakaviana no nilaza fa nalain'olon-tsy fantatra heverina ho ilay vondro-tafiky ny fahafatesana an-keriny tao an-tranony i Macuane. Ity vondro-tafiky ny fahafatesana ity dia malaza ho mpaka an-keriny sy mamono olona tsy mankalaza ny antoko Frelimo sy ny mpitarika ao aminy ka anisan'ny lasibatra amin'izany ny mpanohitra. Mpandaha-kevitra maharitra ao amin'ny “Pontos de vista” [Fomba fijery] i Macuane sady mpampianatra anjerimanontolo. Voatifitra sy nilaozana tao Marracuene izy. Efa nampidirina hopitaly tao amin'ny toeram-pitsaboana iray tsy miankina ao an-drenivohitra izy amin'izao fotoana izao. Amin'izao fisian'ny famonoana olona politika vao haingana izao, dia ny fampihorohoroana tanteraka no miresaka ao Maputo ankehitriny. (Soratra) “.

Nampidirina tao amin'ny hopitaly tsy miankina iray ao Maputo i Jaime Macuane, hoy ny loharanom-baovao avy amin'ny fianakaviana, ary “tsy atahorana ny ainy”, hoy i Celio Mabjaia ao amin'ny pejy [10] Facebook:

Jaime Macuane internado no Hospital Privado de Maputo depois de ter sofrido um atentado. Foto: Partilhada publicamente no Facebook [11]

Jaime Macuane nampidirina ao amin'ny Hopital Tsy Miankina ao Maputo hatramin'ny nanafihana azy. Saripika: Nozaraina ho hitam-bahoaka tao amin'ny Facebook [10]

Tsara indray ny mampahatsiahy fa miaina fotoam-pihenjanana ara-politika sy ara-miaramila ary ny tsy fisian'ny filaminana amin'ny ankapobeny i Mozambika, ary voamariky ny fakana an-keriny sy famonoana ireo olompirenena manana fomba fieritreretana hafa ankoatra ny eo amin'ny fitondrana.