- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Fanjakana Iraniana Mifampitàna Amin'i Kim Kardashian

Sokajy: Iràna, Fahalalahàna miteny, Hehy, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zavakanto & Kolontsaina
Kim Kardashian takes on Tehran. Photo edited by Kevin Rothrock.

Alain'i Kim Kardashian i Teheran. Sary nataon'i Kevin Rothrock.

Kim Kardashian izao no lasa fahavalo vaovao ho an'ny fanjakàna Iraniana. Nanao io fanambaràna io i Teheran taorian'ny fisamborana ireo lasibika valo tao amin'ny Instagram—fanentanana iray natomboka tany ampiandohan'ity taona ity, rehefa nanomboka andianà hetsika nantsoiny hoe “Spider [1]” (Hàla) ireo Iraniana manampahefana.

Nakatona ny kaonty ary nosamborina ireo lasibika ka nentina hiatrika fitsaràna. Ny fanta-bahoaka indrindra amin'ireo lasibika nentina hotsaraina dia i Elham Arab, nipoitra tao amin'ilay fandaharana malaza izay amin'ny fahitalavitra Iraniana antsoina hoe  Honeymoon.

Saripîka iray nalefan'i Elham Arab (@elhamarab__) [2] tamin'ny 12

 

Nanintona ny sain'izao tontolo izao ny raharahan'i Elham Arab sy ireo lasibika hafa. Nalefa tao amin'ny fahitalavi-panjakana Iraniana ny fialantsiny imasom-bahoaka nataony, ary azo tsirihana ihany koa ao amin'ny kaonty Instagram iray vaovao antsoina hoe Elham Arabofficial. [3]

“Tia hatsaràna sy laza daholo ny olona rehetra. Te-ho hita izy rehetra, saingy ny zava-dehibe indrindra ilaina fantarina dia ny sanda ho aloan'izy ireo mba ho hita.”

Kim Kardashian sy Instagram no ‘Horohoro’ ho an'ny fiarahamonina Iraniana

Mostafa Alizadeh, mpitondra tenin'ny Sampana Miady Amin'ny Heloka Bevava Niomanana ao Iràna, dia nilaza fa niray tsikombakomba ny Instagram sy Kim Kardashian mba handresy lahatra ny fiarahamonina Iraniana.

IranWire mitatitra hoe [4]:

“Lasibika malaza amin'ny sehatra hay endrika amam-bika i Rtoakely Kim Kardashian ka noho izay dia niteny taminy ny Tale jeneralin'ny  Instagram, ‘ataovy toy ny hoe tompony,’” hoy i Alizadeh. “Tsy misy hisalasalàna fa misy fanohanana ara-bola tafiditra amin'io. Tena hentitra izahay amin'io.”

Mamaly ilay Horohoro Kardashian ireo Mpampiasa ny Telegram

Iray amin'ireo sary nozaraina be tao amin'ny Telegram no teraka avy amin'ny bitsika iray avy amin'i Omid Memarian, nizaràny saripika iray ahitàna olomalaza izay nambara ho fahavalon'ny revolisiona ao Iràna. Dadatoa Sam tamin'ny 1978 no nanombohan'ireo sary ary niafara tamin'ny Kim Kardashian ny taona 2016.

Ny fivoaran'ireo fahavalon'ny revolisiona! Rehefa tafavoaka velona tamin'ny fananiham-bohitry ny Popper sy ny Soros, dia miatrika ny #Kardashian indray ankehitriny. Fiovàna re izany !

enemies of iran

1978: Dadatoa Sam

1988: Salman Rushdie

1997: Karl Popper

2004: George Soros

2016: Kim Kardashian

Ity sariitatra manaraka ity koa dia nitety ny Telegram, mampiseho tovolahy iray mihinana lagilasy. Ao anatin'ilay sary, miteny azy ny reniny fa te-hitady vady ho azy.

sweetie its time we found you a wife

“Ry zanakolahy malalako, fotoana izao tokony hitadiavana vady ho anao.”
“An an an, Kim no tiako [anarana hanitra lagilasy ao Iràna].”

Raha jerena ny lazan'i Kim Kardashian noho ireo vody beny, angamba tsy mahagaga raha marobe ny Iraniana tanora no nanomboka nizara tao amin'ny Telegram ity sarinà voatabia kambana manaraka ity :

tomato

گوجه ی #کیم_کارداشیان پروژه ی #نفوذ گوجه ای یکی از ابزار های رخنه به جوانان توسط کارداشیانِ #جاسوس کشف شد

voatabia #Kim_Kardashian – ny tetikasa fandresen-dahatry ny voatabia – iray amin'ireo fitaovana handresena lahatra ny tanora hitan'ireo #mpitsikilo an'i  Kardashian.

Sary iray hafa nifampizaràna betsaka tao amin'ny Telegram no mampiseho saripika iray nasiam-panovàna manasongadina an'i Kim Kardashian, ny vadiny Kanye West ary ny filoha Amerikàna Barack Obama. Ao anatin'ilay sary, novàna tsy hifanaraka amin'ny lokony tany ampiandohana ny lokon'ilay ankanjobà nanaovan'i Kardashian. Matetika dia asa tanàn'ireo Iraniana mpanivana ny fanovaovàna tahaka io. Nitondra ireo Iraniana maro hanontany raha toa ity lahatsoratry ny Telegram ity ka avy amin'ireo Iraniana manampahefana.

kim obama kanye

عکس لو رفته از یکی از جلسات کیم کارداشیان با رییس‌جمهور آمریکا برای #نفوذ در بین جوانان ایران

Saripika niporitsaka avy amin'ny fihaonan'i Kim Kardashian tamin'ny filoha mba hiresahana ny fandresena lahatra ireo tanora ao Iràna.

Sary nozarain'i Kim Kardashian tao amin'ny Instagram no sary niaingàna :

#FBF POTUS [8]

Saripika iray nozarain'”i Kim Kardashian West (@kimkardashian) tamin'ny 30 Jan

Hafatra iray hafa nozaraina tamin-keso tao amin'ny Telegram no mitaraina momba ny fiantraikan'i Kim Kardashian. Asehon'ilay hafatra ny faniriana hoe te-hitafy toy ilay parlemantera Fatemeh Alia daholo ireo vehivavy tanora fa tsy toa an'i Kim Kardashian. Fatemeh Alia dia malaza amin'ny fijoroany hentitra sy ny fiarovany ny hijab (fisalobonana).

Women in Iran's Parliament. Photo from Dar Sahn. [9]

Vehivavy ao amin'ny parlemanta ao Iràna. Sary an'i Dar Sahn.

جوانان ما به جای فاطمه آلیا، کیم کارداشیان را الگوی خود قرار داده اند،خب این #غلط_است_دیگر

Màka tàhaka an'i Kim Kardashian ny tanorantsika raha tokony ho i Fatemeh Alia. #Tena_Diso_Mihitsy_Izany

Nozarain'ireo mpampiasa Telegram ihany koa ny sariitatra iray navoakan'ny  IranWire [10]mampiseho ny Godzilla amin'ny endriny Iraniàna : Kim Kardashian.

Haji send in the back up our youth are dropping like flies [10]

Haji! Haji! Mila fanohanana izahay. Midaraboka toy ny lalitra daholo ny tanorantsika.

Hitan'ny Tafiky ny Cyber ao Iràna daholo ny rehetra.

Tena maha-te-hihomehy ny hadalàna famoronana fahavalo iray avy amin'i Kim Kardashian sy ny Instagram. Mahatsikaiky. Nefa, tena nisy fiantraikany mihitsy ny famoretana atao any amin'ireo trano fihetezana sy ireo lasibika ao amin'ny Instagram. Manaraka ny lamina fanarahana maso ireo fomba rehetra fanehoana kolontsaina sy ny fisehoana ivelan'ireo vehivavy io, izay efa hatramin'ny nanombohan'ny revolosiona ara-kolontsaina tao Iràna.

Tany ampiandohan'ny andian-taona 1980, narahan'ireo milisy teny an'arabe teny ireo vehivavy. Nosamborina raha vao mampiseho singam-bolo kely ety ivelany. Eny am-bavahadin'ny anjerimanontolo, jerena ny hohon-tànana sao misy dindon'ny fikikisana. Orokorohan'ireo mpiambina ry zareo sao misy vehivavy mpianatra nanao ranomanitra.

Nitohy nanosika hatrany ny fetran'ny fanehoana ara-kolontsaina sy ara-batana ireo vehivavy ao Iràna.  Nankahàtra ireo fameperana atao azy ry zareo isaky ny afaka manao izany.

Hadi Ghaemi [11] avy amin'ny Fanentanana Iraisampirenena ho an'ny Zon'Olombelona ao Iràna milaza hoe :

“Tsy hanao afa-tsy ny hanakana ny fahavelomana ara-kolontsaina sy artistikan'ireo Iraniana fotsiny io fanotofana sy fandrahonana io, izay azy ireo tsy misy fangarony, no sady mangeja bebe kokoa ireo tanoran'ny firenena.”

“Ny fanafihan'ireo Mpambina ny Revolisiona amin'ireo indostrian'ny hay endrika sy bika ao Iràna dia vavolombelon'ny fahatahorana ireo henjam-pihetsika izay manandrana ny hifehy izay rehetra endri-piainan'ny vahoaka sy hanamontsana izay fanamby rehetra hita maso momba ny fijery tery ny tontolo ananan-dry zareo.”

Ny fikasàna ao anatin'ireny karazana hetsika atao amin'ny vehivavy ao Iràna ireny dia mampahatsiahy amin'ireo fianakaviana ny filàn'izy ireo mifehy ny zanany vavy. Tsy misy olona voaaro. Tsy misy zavatra an'ny tena manokana. Tsy manana ny toerana ho an'ny fanehoana ny amin'ny tena manokana.

Raha ny marina dia tsy misy tokony hatao mampihomehy mihitsy na kely aza.