- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

‘Mpikatroka’ Nanafika Trano Fivarotan-tena Ao St. Petersburg, Nanery Ireo Vehivavy Handeha Miboridana Any Amin'ny Polisy

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Vehivavy sy Miralenta, Akon'ny RuNet
Women forced to walk nude through the streets en route to a police station. “Activists” captured them for practicing prostitution. Image: Life.ru

Vehivavy noterena handehandeha miboridana manerana ny arabe mankany amin'ny polisy. Nalain'ireo “mpikatroka” sary izy ireo fa hoe mivaro-tena. Sary: Life.ru

Tamin'ny ora mamatonalina teo anelanelan'ny 17 sy 18 May, niditra an-keriny tao amin'ny trano fivarotan-tena ao Saint-Pétersbourg, namaky ny varavarana fidirana ny vondron-dehilahy notarihin'ilay mpilalao ady totohondry kickboxer taloha Viacheslav Datsik. Avy eo nohodidinin-dry zareo ireo vehivavy (sy lehilahy iray) hitan'izy ireo tao anatin'ny trano (tokony ho olona 11 ny fitambarany), alohan'ny nandroahana azy ireo hivoaka any ivelany ary nanery azy ireo handehandeha miboridana tanteraka eny amin'ny arabe mankany amin'ny paositry ny polisy ao an-toerana.

Rehefa tonga tao amin'ny paositry ny polisy ny vondrona, voalaza [1] fa najanon'ireo polisy mpiandry raharaha ny zavatra nataon'ilay vondrona, fa maika hitady akanjo ho an'ireo vehivavy sy hahafantatra ny zava-mitranga izy ireo. Nametraka tatitra ofisialy tamim-pahanginana i Datsik ary nivoaka. Avy eo, niezaka nanao fanafihana hafa tao amin'ny toerana faharoa, tamin'io alina io ihany izy sy ny mpiray tsikombakomba aminy.

Nanontaniana ny antony nahatonga ireo lehilahiny nanery ny babon'izy ireo handeha miboridana eny an-dalambe, nilaza [2] tamim-piesoesoana tamin'ny tranonkalam-baovao Fontaka i Datsik hoe, “Tokony hahafantatra ireo maherifon'ny fireneny ny olona.”

Araka ny filazan'ny Fontanka, noteren'i Datsik hihaino fampianarana momba ny aretin'ny “fitiavana andoavam-bola” mihitsy aza ireo babony, no sady nandidy azy ireo hanala ny akanjon'izy ireo izy.

Niafara tany amin'ny hotely ny fanafihana mafana fo nataon'i Datsik, ka voatànan'ireo mpiambina izy ary nalefa tany amin'ny mpampihatra lalàna. Na dia tsy ara-dalàna aza ny fivarotan-tena ao Rosia, ny hany fiampangana voalaza fa nomanin'ny polisin'i St. Petersburg ho an'i Datsik dia ( fanaovana jiolahim-boto sy fanimbana fananana niniana natao).

Naka sary ny fanafihan'ny vondrona tao amin'ny trano fivarotan-tena voalohany ny iray tamin'ireo milaza tena fa “mpikatroka” miara-miasa amin'i Datsik, ary avy eo namadika ny lahatsary tao amin'ny fampitam-baovao tia manaitaitra (tabloid) Life.ru ( Lifenews taloha). Namoaka izany lahatsary izany ny News Network (Tambajotram-baovao) (azo idirana eto [3], tokony ho fantatry ny mpamaky fa manelingelina tanteraka ny sary), natao manjavozavo ny vatan'ireo vehivavy, fa tsy ny tavan'izy ireo. Nisy fotoana tao amin'ny lahatsary, nisy vehivavy miboridana iray niezaka nandositra ireo andian-jiolahin'i Datsik. Notazonin'ny iray tamin'ireo lehilahy tamin'ny tendany sady miankin-drindrina izy, ary nitalaho hoe, “Miangavy, avelao aho. Mba miangavy re.”

Life.ru broadcasts footage from an attack by Viacheslav Datsik and his men on women at a presumed brothel. (Faces blurred by Global Voices.)

Life.ru mandefa ny lahatsary tamin'ny fanafihan'i Viacheslav Datsik sy ny ekipany tamin'ireo vehivavy tao amin'ny trano voalaza fa fivarotan-tena. (Endrika notakonan'ny Global Voices, fa tsy Life.ru.)

Nisarika ny saina manoloana ny fanapahan-kevitry ny Life.ru hampiseho ny endrik'ireo vehivavy i Alexey Kovalev, Rosiana mpanao gazety sady mpamorona ny  NoodleRemover.news [4] (izay mitatitra vaovao momba ny fifampiraharahana maloto sy fanalam-baraka ao amin'ny fampahalalam-baovao Rosiana fehezin'i Kremlin), , nanoratra [5] tao amin'ny Facebook izy hoe:

Нельзя работать на Лайфньюс. Нельзя даже за руку здороваться с теми, у кого пресскарта Ньюсмедиа. Нельзя говорить “ну да, упыри, зато хорошие профессионалы и Габрелянов выстроил эффективный медиахолдинг”. “Фёлькишер беобахтер” тоже был эффективным медиахолдингом.

Aza mba miasa ao amin'ny Lifenews. Raha misy olona mitondra karatra maha-mpanao gazetin'ny Lifenews, aza mba mandray ny tanan'izy ireo efa voaozona akory. Ary aza miteny koa hoe: “Eny, olon-dia izy ireo, saingy matihanina ireo ary nametraka  vondrona haino aman-jery mahomby i Gabrelyanov [mpanorina ny sampam-pahalalam-baovao].” Vondrona haino aman-jery mahomby ihany koa ny Völkischer Beobachter [gazetin'ny antoko Alemaina Nazi].

Mpilalao ady totohondry teo aloha sady mpanakanto amin'ny haiady i Viacheslav Datsik [6]. Miantso ny tenany ho “Tarzan Mena,” efa voaheloka ho jiolahim-boto izy, efa nigadra noho ny halatra, tao anatin'ny fikambanan-jiolahy, mpanao vola sandoka, sy ny sisa maro hafa. Manana fomba fijery anti-Semita sy anti-Kristianina tafahoatra i Datsik, miantso ny tenany ho Slavy mpanompo sampy (avy any Eoropa Atsinanana sy Afovoany) izy. Nandritra ny lalao famaranana ady totohondry tamin'ny 2001, voatery nanakana azy tamin'ny fihazonana mafy ny tanany ny mpitsara, rehefa tsy nanaja ny lakolosy, midika fiafaran'ny ady izy. Tamin'ny volana Aogositra 2010, afa-nandositra ny fonja mihitsy aza izy ary niampita sisintany tsy ara-dalàna ho any Norvezy, izay voasambotra ihany izy tatỳ aoriana ary nalefa niverina tany Rosia ihany. Tamin'ny Martsa 2016, vao roa volana monja izay, navotsotra i Datsik.