Andacollo, Tanàna Shiliana Voahodidina Fakon'akora

Plaza principal de Andacollo. Imagen tomada de Wikimedia Commons y publicada bajo términos de GNU Free Documentation License. Fotografía tomada por Katja Radon.

Kianjan'ny tanànan'i Andacollo. Sary avy amin'ny Wikimedia Commons ary navoaka teo ambanin'ny fepetran'ny lisansa GNU Free Documentation. Sary avy amin'i Katja Radon.

Ny Relaves.org dia vondrona mandrisika ny fitondram-panjakana Shiliana mba handray ny andraikiny manoloana ireo fakon’ akora tavela (fakon’ akora tamin'ny fitrandrahana) sy manentana amin'ny fampihenana azy ireo. Tato ho ato, nosarihan'ny vondrona ny saina manoloana ny raharaha Andacollo, tanàna fitrandrahana harena ankibon'ny tany sy faritra ahitana mponina eo ho eo amin'ny 10000 eo ao avaratr'i Shily. Araka ny filazan'ny tranonkalan'ny vondrona, “nambara’ fa faritra tototry ny fandotoan'ny singa PM10 [‘izay mety ho lavenona, molaly, singam-by, simenitra na vovobony’] i Andacollo tamin'ny taona 2009. Ankoatra izany, maherin'ny 18 ireo savovon'akora ao an-tanàna, izay niteraka fiantraikany ara-pahasalamana henjana”:

Sary: Eny, savovona fakon'akora fitrandrahana ity.
Ny Mahazo an'i Andacollo

Sioka: Jereo ny #raharahaAndacollo, faritra tototry ny fandotoana sy misy ireo savovona fakon'akora maherin'ny 18

Mpisera YouTube, Bastian Salfate nandrakitra lahatsary notontosain'ny mpianatra avy ao amin'ny Sekolin'ny Asa Fanaovan-gazety Universidad de la Serena, izay mampiseho antsafa miaraka amin'ireo mponina ao Andacollo mikasika ny olana ara-pitrandrahana ao amin'ny faritra.

Raha nanontaniana mikasika ny fiantraikan'ny fitrandrahana amin'ny ankapobeny, ny mponina iray ao Andacollo namaly hoe:

[Yo lo encuentro] negativo. Porque no deja ningún beneficio acá. Todo lo compran en otro lado. La gente de Andacollo no se ha favorecido en nada.

[Mino aho] fa ratsy izany. Satria tsy namela tombontsoa teto mihitsy. Mividy zavatra any amin'ny toeran-kafa izy ireo. Tsy mba nahita tombontsoa akory ny mponin'i Andacollo.

Nilaza ny fiavian'ireo orinasan'ny fitrandrahana ny mponina iray hafa:

La gente le tira mucho a la minería, pero desgraciadamente pero ya no se puede […]  Porque la minera acá, según dicen, que han comprado todo Andacollo. ¿Y de qué nos sirve a nosotros? De nada. Las empresas son canadienses. ¿De qué nos vale a nosotros? No sé.

Nanantena zavatra betsaka avy amin'ny fitrandrahana ny vahoaka, saingy indrisy tsy afaka hanantena intsony izahay […] Satria ny orinasam-pitrandrahana eto, araka ny filazan'izy ireo, dia nividy an'i Andacollo manontolo. Ary inona no soa ho anay? Tsy misy mihitsy. Kanadiana ireo orinasa. Inona no sanda ho anay amin'izany? Tsy fantatro.

Olana sarotra ao amin'ity faritra ity ny fitrandrahana, milaza ireo orinasa sasany fa bankirompitra ary nandroaka mpiasa tao Andacollo, mandrahona ny toe-karena eo an-toerana izay miantehatra betsaka amin'ity indostria ity. Satria niala an-daharana ireo orinasa, manjary sarotra kokoa ny hanao ezaka hanalefahana ny fahasimban'ny tontolo iainana efa nolotoin'ny asa fitrandrahana.

Saingy tsy voafetra ao Andacollo ihany ny olan'ny fakon'akoram-pitrandrahana. Ahitana fanariana fakon'akora sahabo eo ho eo amin'ny 449 eo ao Shily araka ny tarehimarika tamin'ny taona 2010, ary notombanana fa mamokatra fako eo amin'ny 1.400.000 taonina isan'andro eo ireo orisanam-pitrandrahana ao amin'ny firenena. Tokony tadidintsika ihany koa ny raharaha fitrandrahana tao El Soldado, izay nirodana ny toeram-panariana fakon'akora taorian'ny horohorontany tamin'ny Martsa 1965. Maherin'ny 200 ny olona namoy ny ainy ary kilometatra an-jatony no voaloton'ny fako.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.