Gazety Rosiana Mahaleotena Nampiato Ny Lefitry Ny Tonian-dahatsoratra Noho Ny Fanafintohinana Fanaovana Kendaroroka

The Novaya Gazeta newsroom and its close “cooperation” with Russian federal police. Image edited by Kevin Rothrock.

Efitra fanoratana sy famoaham-baovao Novaya Gazeta sy ny “fiarahamiasany” akaiky amin'ny polisy federaly Rosiana. Sary namboarin'i Kevin Rothrock.

Nampiatoan'i Dmitry Muratov, lehiben'ny tonian-dahatsoratra ao amin'ny Novaya Gazeta, iray amin'ireo gazety mahaleotena tranainy indrindra ao Rosia ny lefiny, Sergey Sokolov, taorian'ny fanambarana fa nanome toromarika ny mpiasany i Sokolov hanao kendaroroka ireo voarohirohy tamin'ny fanadihadiana notontosain'ny gazety vao haingana momba ireo fikambanana antserasera voalaza fa manery ny tanora hamono tena.

Efa namoaka fialan-tsiny ampahibemaso noho ny fihetsiny i Sokolov, nilaza izy fa nanao fahadisoana noho ny rarintsaina nateraky ny tatitra tsy tapaka momba ireo tsy ampy taona matin'ny famonoan-tena. “Miala tsiny aho tamin'ny endrika tafahoatra amin'ny tsy fahamalinako,” hoy izy tamin'ny fanambarana navoakan'ny Novaya Gazeta.

Noho ny antsafa nivoaka tamin'ny 20 Mey tao amin'ny Lenta.ru nifanaovana tamin'ny mpandrindra ny vondrom-piarahamonina Vkontakte “Morye Kitov” (Ranomasin'ny Trozona) no nitarika ny fampiatoana an'i Sokolov (izay mijanona manan-kery mandra-piandry ny fanadihadiana anatiny). Nilaza tamin'ny Lenta.ru ity tovolahy tsy mitonona anarana ity fa niresaka tamin'i Natalia Sokolova, tonian-datsoratra ao amin'ny Fahitalavitra Novaya Gazeta izy, izay nametraka fisian'ny “fiarahamiasa” avy amin'ny gazety tamin'ny fisamboran'ny polisy ilay mpandrindran'ny vondrom-piarahamonina Vkontakte iray hafa (Fantatra fa tantara noforonina ilay fisamborana).

Vkontakte messages between the Morye Kitov administrator and Novaya Gazeta's Natalia Sokolova. Image: Lenta.ru.

hafatra Vkontakte nifanaovan'ny mpandrindra ny Morye Kitov sy ny Novaya Gazeta nisoloan'i Natalia Sokolova tena. Image: Lenta.ru.

Tamin'ny hafatra mivantana tao amin'ny Vkontakte, nanolo-kevitra i Sokolova fa mety ho mora ny hahatongavan'ny polisy federaly any aminy, raha manaiky ny “fifandaminana” atolotr'i Sergey Sokolov ao amin'ny Novaya Gazeta izy, izay mitaky fa amin'ny Novaya Gazeta ihany no iresahany fa tsy miresaka amin'ny seha-baovao hafa izy:

 

Твоя жизнь и безопасность гарантируется только сообщением новой газете. Если хочешь без срока, то нужно говорить с нами.

Rehefa miresaka amin'ny Novaya Gazeta ihany ianao no voaantoka ny ainao ary hilamina ny fiainanao. Raha te-ho afaka amin'ny fidirana any am-ponja ianao dia mila miresaka aminay.

Tao amin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny mpandrindra ny “Morye Kitov”, dia nanaiky i Sokolova fa ny tatitra fanadihadiana navoakan'ny Novaya Gazeta tamin'ny 16 Mey momba ny vondrom-piarahamonina Vkontakte manery ny tanora amin'ny fikitihina ny ain'izy ireo dia mety hitarika mankany amin'ny fanesorana ny fiainana an-takonana [ny fanafenana ny anarana] ao amin'ny RuNet (mametraka ny “Aterineto amin'ny alalan'ny pasipaoro”), na dia milaza aza ravehivavy fa manohitra ny fiovana tahaka izany izy. Vantany vao nampitandrina ravehivavy, dia nanokatra raharahan-keloka bevava ny mpanao famotoran'ny fanjakana ao St. Petersburg tamin'ny 20 Mey amin'ny lalàna federaly miady amin'ny fandrisihana ny hafa hamono tena. Mety hitondra hatrany amin'ny fanagadrana dimy taona ny ambony indrindra ny fanamelohana.

Araka ny mpandrindra ny “Morye Kitov”, dia nandrahona i Sokolova fa mety hiampanga azy amin'ny lalàna hafa ny polisy (dia ny hoe ao anatin'ny fikambanan-jiolahy), izay mety hahatonga azy ho any am-ponja hatramin'ny 15 taona.

Nilaza ny lehiben'ny tonian-dahatsoratry ny Novaya Gazeta, Dmitry Muratov, fa nanome toromarika ny ekipa mpiasa ao amin'ny orinasam-panangom-baovao i Sokolov hampiasa “fomba tsy azo ekena hanangonam-baovao.” Nampanantena ny lehiben'ny toniandahatsoratra fa havoakany ho hitam-bahoaka ny tsikaritra amin'ny famotoran'ny Novaya Gazeta ny asan'i Sokolov.

Famoizam-po tsy voakarakara no antony voalohany mahatonga ny famonoan-tena. Azo tsaboina ny famoizam-po ary azo sorohina ny famonoan-tena. Mety mahazo fanampiana avy amin'ny laharan-telefonina fanohanana amin'ireo mitady hamono tena na tratran'ny krizy ara-pihetseham-po ianao. Tsidiho ny Befrienders.org raha hijery laharana fanampiana momba ny fisorohana ny famonoan-tena ao amin'ny firenenao.[naotin'ny mpanitsy amin'ny teny malagasy: indrisy fa tsy misy ny mpanolo-tsaina misoroka izany rehefa nijery ny tranonkala aho hatreto, asa sao dia mahafantatra ianareo?]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.