Ny Herinandro Tato Amin'ny Global Voices Podcast: Ny Nanjavona

Mitodika any amin'ireo tantara sasany navoakanay vao haingana tato amin'ny Global Voices ny Herinandro Tato Amin'ny Global Voices.

Amin'ity herinandro ity, mitondra anao any Ekoadaoro, Oganda, Bangladesh ary Okraina izahay. Hiresaka amin'ny tonian-dahatsoratr'i Pakistan, Sana Saleem momba an'i Zeenat Shahzadi, mpanao gazety nanjavona tao nandritra ny sivy volana ihany koa isika.

Misaotra indrindra ireo mpanoratra, mpandika lahatsoratra sy tonian-dahatsoratra rehetra nanampy nanatontosa azy ity. Mampiseho tantara avy amin'i Juan Arellano [mg: Nahoana No Tsy Mitsahatra Miresaka Ny Ranomboasary Ireo Mpampiasa Twitter Ao Quito]   James PropaPantha Rahman Reza [mg: Arahaba Feno 50 Taona i Rana, Masud Rana, Ilay James Bond-n'i Bangladesh ] Aric Toler and Tetyana Lokot, ary Sana Saleem [mg: Aiza i Zeenat Shahzadi? Ahiana Ho Niharan'ny Fanjavonana An-terisetra Ao Pakistàna Ilay Mpanao Gazety] ity fizaran-tantara ity.

Mampiseho mozika voaaron'ny Creative Commons avy amin'ny Free Music Archive (Arisivan'ny Mozika Afaka) ihany koa izahay, anisan'izany ny Please Listen Carefully (Azafady, henoy tsara) hiran'i Jahzaar; Orange Juicier (Laoranjy be ranony) avy amin'i Podington BearAnalog hiran'i Jon Luc Hefferman; Giga Lounge hiran'i Gigaboy; Dancing on the Edge (Mandihy eo an-tsisiny), hiran'i Kai Engel; ary ny WTS avy amin'i Cory Gray.

Manantena ny hihaino ny feontsika indray afaka tapa-bolana. Mihainoa finaritra!

Ny sary ao amin'ny hajia-tsary SoundCloud dia avy amin'ny Wikimedia Commons/UTR News, CC BY 3.0, sy Luis Prado/the Noun Project, nasian'i Tetyana Lokot fanovana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.