- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Niteraka Fihotsahan'ny Tany sy Tondra-drano Nahafatesan'olona Ny Orana Tsy Nitsahatra Tao Sri Lanka

Sokajy: Azia Atsimo, Sri Lanka, Fitantanam-pitondrana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana, Voina, Vonjy Voina
Image courtesy Sri Lanka Red Crescent Society's Facebook Page [1]

Sary nindramina tamin'ny pejy Facebook Fikambanan'ny Volantsinana Mena

Tamin'ny Talata 17 May, tanàna telo tao amin'ny havoana ao amin'ny distrikan'i Kegalle, tokony ho 72 km (45 maily) avaratr'i Colombo, Sri Lanka no niharan'ny fihotsahan'ny tany goavana [2], ka fianakaviana an-jatony no voalaza fa tsy hita popoka. Namoaka vatana mangatsiaka 17 avy ao anaty fotaka sy potipoti-javatra ny mpamonjy voina, ka lasa mihoatra ny 40 ny isan'ny namoy ny ainy [3] tamin'ny Alarobia. Nilaza [4] ny Vokovoko Mena Sri Lankey fa fianakaviana maro no nanjavona.

Niteraka fandravana tao afovoan'i Sri Lanka ny orambe sy ny tafio-drivotra. Matetika avy be hatrany ny orana ao amin'ny firenena Azia Atsimo ny volana Mey, izay manodidina ny 382 milimetatra [5] ny haavon'ny orana. Na izany aza, nahitana orana 305 milimetatra [6]tamin'ny Alahady lasa teo fotsiny. Mampitombo ny faharatsian'ny toe-javatra ny toetrandro ratsy [7]. Namindra toerana [3]ireo fianakaviana manodidina ny 100.000 ny tondra-drano vao haingana.

Miatrika tondradrano ratsy indrindra tao anatin'ny 60 taona i SriLanka

Niparitaka tamin'ny aterineto ireo sary misy ny fahasimban'ny natiora. Nandefa [10] sary sasany mahery vaika misy ny fihotsahan'ny tany ny tranonkala mediam-baovao Roar Lanka, raha nandefa sary misy ny tondradrano nitranga manerana an'i Sri Lanka tao amin'ny tranonkala Yamu kosa ilay mpanoratra Shifani [11].

Nanazava tamin'ny lahatsoratra tao amin'ny Yamu mikasika ny antom-pisian'ny orana tsy miato ao Sri Lanka ilay bilaogera Indi Samarajiva [12]:

Why is it raining so much? This is the Yala Intermonsoon [13]. Honestly, we should just call it the monsoon but the term is more defined by when the rains hit India. Sri Lanka gets it in between.

Maninona no avy be ny orana? Intermousson (elanelan'ny talio) [13]izao. Amim-pahatsorana, tokony antsointsika fotsiny hoe talio izany saingy faritana toy izany ny voambolana rehefa mamely an'i India ny orana. Eo antsefatysefan'izany no misy an'i Sri Lanka.

Nampahafantatra ihany koa ilay bilaogera fa milaza ny vinavina fa hitombo ny rotsak'orana mandritra ny faran'ny herinandro hoavy.

Nandritra izany, maro ireo nandefa fanampim-baovao tao amin'ny Twitter:

VAOVAO FARANY- Iangaviana ireo monina manodidina ny Faritry ny Renirano Kelani mba hifindra any amin'ny toerana azo antoka kokoa noho ny Fiakaran'ny rano.

Mila ny fanohananao mba hamonjy ireo niharam-boinan'ny tondradrano. Lahatsary vao haingana tao Kolonnawa,Wellampitiya, #Srilanka [16]

Marobe ireo lahatsary misy ny tondradrano navoakan'ireo mpiserasera tao amin'ny sehatra media sosialy samihafa. Ity lahatsary navoakan'ny Trufriend [20] tao amin'ny Youtube:

Naneho ny fahasorenany kosa ny sasany noho ny tsy firaharahiana ny zavamisy avy tamin'ny media manerantany:

Fanafihana tao Paris: 15 namoy ny ainy,10 naratra
Tondradrano tao Sri Lanka: 40 namoy ny ainy, 1000+ mijaly.
Aiza ny #PrayForSriLanka [21]? (Mivavaka ho an'i Sri Lanka) 😑💔#LK [22] #SriLankaFloods [23]

Talanjona kosa ny sasany manoloana ny fiovan'ny toe-javatra haingana:

Inona no fiovana hita amin'ny andro iray, manomboka amin'ny selfie tondra-drano ka hatramin'ny fandevenana faobe an'ireo 100 namoy ny ainy tamin'ny fihotsahan'ny tany tao Sri Lanka

Gaga ny maro tamin'ireo mpiserasera Facebook manerantany raha nahafantatra ny tondradrano ao Sri Lanka rehefa nampahafantarin'ny namana na ny olom-pantatr'izy ireo tamin'ny fanamarihana ny tenany ho avotra tamin'ny alalan'ny fampiasana ny marika Facebook Safety Check [27] napetraka vao haingana:

vao avy nanamarika ny tenany fa avotra nandritra ny tondradrano tao srilanka tao amin'ny facebook ny namako….misy tondradrano ve ao Sri Lanka amin'izao fotoana izao?

Cassandra Doole [29] ao amin'ny Roar Lanka kosa nandefa vaovao momba ny laharana vonjimaika sy ny ezaka fanavotana.

The president's message in Facebook [30]

Hafatry ny filoha tao amin'ny Facebook

Maithripala Sirisena [30], filohan'i Sri Lanka, manana mpanjohy efa ho an-tapitrisany ao amin'ny Facebook, nandrisika ireo mila fanampiana mba hitatitra ny mahazo azy ireo any amin'ny manampahefana amin'ny alalan'ny fiantsoana an-tariby ny Foibem-baovaon'ny Fitondram-panjakana

If you are a victim of the prevailing adverse weather condition, and hasn't been given any assistance even after contacting a government official, inform ‘Tell the President’ through 1919 as soon as possible.

Raha niharam-boina tamin'ny toetrandro ratsy ianao, ary tsy nahazo fanampiana na dia efa niantso ny manampahefam-panjakana aza, ilazao faran'izay haingana ny “Lazao ny Filoha” amin'ny alalan'ny 1919.