- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tahirin-Tsary Bobaka Ahitana an'i Shina sy i Japan Nandritra ny Ady Lehibe Faharoa

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Shina, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Saripika, Tantara
china in world war 2 [1]

Chungking, renivohitr'i Shina nandritra ny fotoanan'ny ady 1937-1945, teto tamin'ny 1944 ary tamin'ny sary miloko. Navoakan'ny mpisera Twitter @chinarhyming [1].

Kaonty Twitter roa no loharanontsary avy ao anatiny nandritra ny ady lehibe faharoan tao Azia.

Ny kaonty China in WW2 [2] [shina nandritra ny ady lehibe faharoa] dia mifantoka amin'ny ady tao Shiina izay nanomboka tamin'ny Septambra 1931 tamin'ny nibodoan'i Japan ho taniny an'i Manchuria [3]. Ny kaonty Twitter hafa, WW2 in Asia [4], [ady lehibe faharoa tao Azia] indray dia nanokatena tamin'ny “Fisiahana mivantana momba ny tantara, 80 taona katroka taorian'ny nitrangàny” mandrapahatongan'ny taona 2025 sy ny fahavalopolo taonanan'y fitsingerenan'ny fiafaran'ny ady.

Shina nandritra ny ady lehibe faharoa

Araka ny lazain'ny mombamomba azy, ny China in WW2 [2] dia manolotra “ireo adin'i Shiina sy Japan tamin'ny 1931-1945 sy ny fahaterahan'i Azia maoderina.” Ny kaonty dia tantanin'i Peter Harmsen, mpanoratra ny boky ‘Shanghai 1937 [5]‘ sy ‘Nanjing 1937 [6]‘.

Ny kaonty Twitter dia manolotra ireo sarin'ny ady naharitra ela efa adinon'ny any Japan sy ny Tandrefana, na dia 15 taona aza ny faharetany mandrapahatongan'ny fahalavoan'i Japan tamin'ny 1945.

Fonon'ny Gazetiboky hoan'ny ankizy tamin'ny 1934. Lohahevitra: miady miaraka amin'ny lehiben'ady any avaratra

Ireo sary ireo dia manome topimaso mahavalalanin'ny tontolon'ny taompolo 1930s, ary manasongadina hoe hatraiza, nandritra ny fotoana maro tao amin'ny taompolo, no nifampihosona sy niasa niaraka tamin'ireo fahefana Tandrefana i Japan raha niady tamin'i Shina.

Miaramila Japoney, Britanika manao fiambenana tao an-tanànan'i Tianjin, Shina avaratra

Tafika an-dranomasina Japoney mandeha fiara mifono vy Vickers-Crossley vita britanika nandritra ny ady voalohany tao Shangai tamin'ny taona 1932.

Raha maro ny sary heverina ho niomanana ny fakana azy, dia misy ireo sasantsasany maha ankona hita ao amin'ny tahirin-tsary:

Andia-tafika Japoney mitody ao amin'ny Helodranon'i Hangzhou, Nov 1937. Namaky lay tamin'ny tetipanorona sady an-drano no an-tanety i Japan tamin'izany.

Tafiditra ihany koa ny sary nanaovana propagandy:

Afisy Japoney mandrisika ny mpiaron'i Hong Kong tsy hifahatra hijoro, Desambra 1941.

Ary toy izany ihany koa ireo pika izay miresaka betsaka ny fananiham-bohitra nataon'i Japan hanjanaka ny avaratra atsinanan'i Shina tamin'ny 1930s:

Miainga avy ao Dalian mankany Harbin, malaky. Dokambarotra an-gazetiboky amin'ny lalamby nampiasain'i Japan tao amin'ny firenena saribakoly Manchukuo, Shina

Matetika ihany koa ny fahan'ny Twitter no mandrohy ny lahatsoratra bilaogy mitatitra ny ady lehibe faharoa tao Shina:

Inona no nitranga tamin'ireo Japoney voakendaroroka tao Shina tamin'ny faran'ny ady lehibe faharoa? Vakio ato

WW2 in Asia [Ady lehibe faharoa tao Azia]

Ny kaonty Twitter WW2 in Asia indray dia mikendry ny hanao karazana jery todika sioka mivantana tamin'ny ady tao Azia. Loharano tsara ahitana ireo sary tsy fahita sy mahatalanjona ihany koa izy io.

Ny ankamaroan'ny fanintonan'ilay bilaogy bitika dia ny fivoahan'ny sary ao amin'ny bilaogy “eo noho eo”; raha misioka ny toe-javatra tamin'ny May 1936 ny kaonty amin'izao fotoana izao:

11 mey 1936: Lalàna Japoney vaovao mametraka ny fampahafantarana ara-indostrialy ho ao anatin'ny asam-pamadihan-tanindrazana

Manome tokotanin-tsehatra ilaina hahafantarana izay mitranga ihany koa ny sioka rehefa nandroso tao anatin'ny ady i Azia:

8 mey 1936: kabary ao amin'ny parlemantan'i Japan manameloka ny anjara toeran'ny Tafika ao amin'ny politika nahazo tehaka mirefodrefotra

6 avrily 1936: manome baiko ny tafika hitoetra ivelan'ny politika ny minisitry ny ady Japoney

10 marsa 1936: Milaza ny minisitra japoney vaovao misahana ny ady Terauchi Hisaichi fa tsy mitady ny hampidirana ny fitondrana fasista ny tafika

Hita ao ihany koa ireo tahirin-kevitra tsara nisy tao amin'ny fampiroboroboana fanjanahantany Japoney tao Azia Avaratra Atsinanana nialoha ny fanombohan'ny fifanandrinana tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny taona 1941.

21 avrily 1936: Mikasa hametraka lalamby miainga avy ao amin'ny seranantsambo korena ao Fusan mankany Seoul i Japan, lazainy fa ara-toekarena sy ara-tetipanorona no anton'izany

Maneho fomba fijery mahaliana amin'i Japan sy i Azia 80 taona lasa izay ny kaonty Twitter :

3 avrily 1936: Tononin'i Ligin'ny Firenena [razamben'ny Firenena Mikambana] ho i Japan no voalohany mpanondrana rongony mampididoza indrindra, arahin'i Alemaina izany filaharana izany

5 mey 1936: Japan sy ireo zaratany ambany fifehezana no voalohany manerantany isan'olona mampiasa rongony indrindra, hoy ny lahatahirin'ny Ligin'ny Firenena

Misy ihany koa ireo zavatra mahakivy asongadin'ilay kaonty Twitter ny fampisehoany fa tsy tena tratran'ny tsy nampoizina tamin'ny fipoahan'ny ady izao tontolo izao:

18 avrily 1936: Mivoaka amin'ny teny anglisy ny boky ‘Tsy maintsy miady amin'i Britain i Japan’ nosoratan'ny komandà Ishimaru Tota