
Chungking, renivohitr'i Shina nandritra ny fotoanan'ny ady 1937-1945, teto tamin'ny 1944 ary tamin'ny sary miloko. Navoakan'ny mpisera Twitter @chinarhyming.
Kaonty Twitter roa no loharanontsary avy ao anatiny nandritra ny ady lehibe faharoan tao Azia.
Ny kaonty China in WW2 [shina nandritra ny ady lehibe faharoa] dia mifantoka amin'ny ady tao Shiina izay nanomboka tamin'ny Septambra 1931 tamin'ny nibodoan'i Japan ho taniny an'i Manchuria. Ny kaonty Twitter hafa, WW2 in Asia, [ady lehibe faharoa tao Azia] indray dia nanokatena tamin'ny “Fisiahana mivantana momba ny tantara, 80 taona katroka taorian'ny nitrangàny” mandrapahatongan'ny taona 2025 sy ny fahavalopolo taonanan'y fitsingerenan'ny fiafaran'ny ady.
Shina nandritra ny ady lehibe faharoa
Araka ny lazain'ny mombamomba azy, ny China in WW2 dia manolotra “ireo adin'i Shiina sy Japan tamin'ny 1931-1945 sy ny fahaterahan'i Azia maoderina.” Ny kaonty dia tantanin'i Peter Harmsen, mpanoratra ny boky ‘Shanghai 1937‘ sy ‘Nanjing 1937‘.
Ny kaonty Twitter dia manolotra ireo sarin'ny ady naharitra ela efa adinon'ny any Japan sy ny Tandrefana, na dia 15 taona aza ny faharetany mandrapahatongan'ny fahalavoan'i Japan tamin'ny 1945.
Cover of Japanese kids’ magazine from 1934. Theme: fighting with warlords in north #China. #WW2 #Japan pic.twitter.com/eaCD5Er6Ge
— China in WW2 (@chinaww2) April 3, 2016
Fonon'ny Gazetiboky hoan'ny ankizy tamin'ny 1934. Lohahevitra: miady miaraka amin'ny lehiben'ady any avaratra
Ireo sary ireo dia manome topimaso mahavalalanin'ny tontolon'ny taompolo 1930s, ary manasongadina hoe hatraiza, nandritra ny fotoana maro tao amin'ny taompolo, no nifampihosona sy niasa niaraka tamin'ireo fahefana Tandrefana i Japan raha niady tamin'i Shina.
Japanese, British sentries in city of Tianjin, north #China, 1939. #Japan #WW2 pic.twitter.com/ofXplnaglw
— China in WW2 (@chinaww2) April 26, 2016
Miaramila Japoney, Britanika manao fiambenana tao an-tanànan'i Tianjin, Shina avaratra
Japanese Marines with British-made Vickers-Crossley armored cars during first battle of Shanghai in 1932. #China pic.twitter.com/bEYkrEd69O
— China in WW2 (@chinaww2) January 9, 2016
Tafika an-dranomasina Japoney mandeha fiara mifono vy Vickers-Crossley vita britanika nandritra ny ady voalohany tao Shangai tamin'ny taona 1932.
Raha maro ny sary heverina ho niomanana ny fakana azy, dia misy ireo sasantsasany maha ankona hita ao amin'ny tahirin-tsary:
Japanese troops disembarking in Hangzhou Bay, Nov 1937. #Japan was pioneering amphibious tactics then. #China #WW2 pic.twitter.com/hNpRWC9A9T
— China in WW2 (@chinaww2) March 25, 2016
Andia-tafika Japoney mitody ao amin'ny Helodranon'i Hangzhou, Nov 1937. Namaky lay tamin'ny tetipanorona sady an-drano no an-tanety i Japan tamin'izany.
Tafiditra ihany koa ny sary nanaovana propagandy:
Japanese poster urging defenders of Hong Kong to abandon resistance, December 1941. #China #Japan #WW2 pic.twitter.com/pDXizPg5Xp
— China in WW2 (@chinaww2) May 6, 2016
Afisy Japoney mandrisika ny mpiaron'i Hong Kong tsy hifahatra hijoro, Desambra 1941.
Ary toy izany ihany koa ireo pika izay miresaka betsaka ny fananiham-bohitra nataon'i Japan hanjanaka ny avaratra atsinanan'i Shina tamin'ny 1930s:
Getting from Dalian to Harbin, fast. Magazine ad for #Japan-operated railroad in puppet state Manchukuo, #China pic.twitter.com/IorhzEdDgI
— China in WW2 (@chinaww2) April 4, 2016
Miainga avy ao Dalian mankany Harbin, malaky. Dokambarotra an-gazetiboky amin'ny lalamby nampiasain'i Japan tao amin'ny firenena saribakoly Manchukuo, Shina
Matetika ihany koa ny fahan'ny Twitter no mandrohy ny lahatsoratra bilaogy mitatitra ny ady lehibe faharoa tao Shina:
What happened to the Japanese stranded in #China at the end of #WW2? Read it here https://t.co/NcMhShhiQu #Japan pic.twitter.com/Rvklf3BXrA
— China in WW2 (@chinaww2) March 2, 2016
Inona no nitranga tamin'ireo Japoney voakendaroroka tao Shina tamin'ny faran'ny ady lehibe faharoa? Vakio ato
WW2 in Asia [Ady lehibe faharoa tao Azia]
Ny kaonty Twitter WW2 in Asia indray dia mikendry ny hanao karazana jery todika sioka mivantana tamin'ny ady tao Azia. Loharano tsara ahitana ireo sary tsy fahita sy mahatalanjona ihany koa izy io.
Ny ankamaroan'ny fanintonan'ilay bilaogy bitika dia ny fivoahan'ny sary ao amin'ny bilaogy “eo noho eo”; raha misioka ny toe-javatra tamin'ny May 1936 ny kaonty amin'izao fotoana izao:
May 11, 1936: New Japanese law to make disclosure of industrial information an act of treason pic.twitter.com/qImZk2dleO
— WW2 in Asia (@asiainww2) May 11, 2016
11 mey 1936: Lalàna Japoney vaovao mametraka ny fampahafantarana ara-indostrialy ho ao anatin'ny asam-pamadihan-tanindrazana
Manome tokotanin-tsehatra ilaina hahafantarana izay mitranga ihany koa ny sioka rehefa nandroso tao anatin'ny ady i Azia:
May 8, 1936: Speech in Japan's parliament denouncing Army's role in politics is received with thunderous applause pic.twitter.com/nCwiqWXAQ8
— WW2 in Asia (@asiainww2) May 8, 2016
8 mey 1936: kabary ao amin'ny parlemantan'i Japan manameloka ny anjara toeran'ny Tafika ao amin'ny politika nahazo tehaka mirefodrefotra
April 6, 1936: Japan's war minister orders army to stay out of politics pic.twitter.com/tVCeRv7Ihs
— WW2 in Asia (@asiainww2) April 6, 2016
6 avrily 1936: manome baiko ny tafika hitoetra ivelan'ny politika ny minisitry ny ady Japoney
March 10, 1936: New Japanese Minister of War Terauchi Hisaichi says army is not trying to introduce Fascist regime pic.twitter.com/CWT8BJMHgi
— WW2 in Asia (@asiainww2) March 10, 2016
10 marsa 1936: Milaza ny minisitra japoney vaovao misahana ny ady Terauchi Hisaichi fa tsy mitady ny hampidirana ny fitondrana fasista ny tafika
Hita ao ihany koa ireo tahirin-kevitra tsara nisy tao amin'ny fampiroboroboana fanjanahantany Japoney tao Azia Avaratra Atsinanana nialoha ny fanombohan'ny fifanandrinana tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny taona 1941.
April 21, 1936: Japan plans railway from Korean port city of Fusan to Seoul, citing economic and strategic reasons pic.twitter.com/oDHT17sRk0
— WW2 in Asia (@asiainww2) April 22, 2016
21 avrily 1936: Mikasa hametraka lalamby miainga avy ao amin'ny seranantsambo korena ao Fusan mankany Seoul i Japan, lazainy fa ara-toekarena sy ara-tetipanorona no anton'izany
Maneho fomba fijery mahaliana amin'i Japan sy i Azia 80 taona lasa izay ny kaonty Twitter :
April 3, 1936: League of Nations names Japan world's leading exporter of dangerous drugs, followed by Germany pic.twitter.com/kLoYHJ5Htb
— WW2 in Asia (@asiainww2) April 3, 2016
3 avrily 1936: Tononin'i Ligin'ny Firenena [razamben'ny Firenena Mikambana] ho i Japan no voalohany mpanondrana rongony mampididoza indrindra, arahin'i Alemaina izany filaharana izany
May 5, 1936: Japan and territories under its control lead world in per capita drug use, League of Nations data show pic.twitter.com/HVPzCAAodf
— WW2 in Asia (@asiainww2) May 6, 2016
5 mey 1936: Japan sy ireo zaratany ambany fifehezana no voalohany manerantany isan'olona mampiasa rongony indrindra, hoy ny lahatahirin'ny Ligin'ny Firenena
Misy ihany koa ireo zavatra mahakivy asongadin'ilay kaonty Twitter ny fampisehoany fa tsy tena tratran'ny tsy nampoizina tamin'ny fipoahan'ny ady izao tontolo izao:
April 18, 1936: ‘Japan Must Fight Britain’ by Lt. Cmdr. Ishimaru Tota is published in English pic.twitter.com/HuxFOa5Qo0
— WW2 in Asia (@asiainww2) April 18, 2016
18 avrily 1936: Mivoaka amin'ny teny anglisy ny boky ‘Tsy maintsy miady amin'i Britain i Japan’ nosoratan'ny komandà Ishimaru Tota