- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Global Voices Miasa Miaraka Amin'ny Groundviews Avy Ao Sri Lanka

Sokajy: Azia Atsimo, Sri Lanka, Mediam-bahoaka
Screenshot from Groundviews website. [1]

Pikantsary avy amin'ny tranonkalan'ny Groundviews.

Nanomboka fiarahamiasa iray vaovao ny Global Voices sy ny Groundviews, izay hampitambatra ny fifantohan'ny Global Voices amin'ny fanaovan-gazetin'olontsotra sy ny fandalinana ary fahaizamanaon'ny  Groundviews, mba hitondràna fandrakofam-baovao tokamiavaka sy mijery lalina avy any Sri Lanka ho antsika mpamaky.

Avoakan'i Sanjana Hattotuwa sy Raisa Wickrematunge, ny Groundviews [1] dia tranonkalam-baovao iray tantanan'olontsotra ary efa nahazo loka, no sady voalohany amin'ny karazany ao Sri Lanka.

Tamin'ny Novambra 2006 no nantomboka ilay tranonkala ary namoaka tantara maro, amin'ny endrika lahatsoratra, feo, lahatsary ary saripika amin'ny fiteny Anglisy, Sinhala ary Tamil, efa ho folo taona. Ireo lahatsorany matanjaka sy manindrona momba ny fitantanana, ny zon'olombelona, ny zavakanto sy ny literatiora, ary ny fanamafisana ny fanorenana fandriampahalemana hanosehana ny fetran'ireo fampahalalambaovao tranainy, amin'ny fanerena an'ireo mpamaky ao Sri Lanka hihevitra ivelan'ny faritra mampahazoazo aina azy ireo.

Noho ny asa fanaovany gazety dia azon'ny Groundviews ireo loka iraisampirenena [2], ka isan'ireny ilay loka malaza Manthan Award South Asia tamin'ny 2009. Nomarihan'ny Freedom House tao anatin'ny tatitra fanaony isantaona 2013 momba ny media erantany hoe: [3]

Nitombo be ny anjara toerana niraisin'ireo media sy ny bilaogy ety anaty tranonkala ao anatin'ny tontolon'ny fampahalambaovao rehetra, miaraka amin'ireo mpamoaka vaovao toy ny Groundviews sy Vikalpa izay manome vaovao sy karazana fanehoankevitra amin'ny endriny maro, na dia momba ireo tantara sy hetsika saropady aza, izay zara raha resahan'ireo media efa mahazatra.

Lisitra telo ao amin'ny Twitter [4] no karakarain'ny Groundviews ao Sri Lanka – ireo bilaogera sangany [5], mpanao gazety loharanony sy media [6] ary ireo kaonty Twitter ofisialin'ireo politisiana sy ny governemanta ao Sri Lanka [7]. Hita ao amin'ny Facebook. [8]ihany koa ny Groundviews.