- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miverina Amin'ny Laoniny Ankehitriny Ny Media Sosialy Ogandey Rehefa Avy Notapahana Nandritra Ny Andro Maro

Sokajy: Afrika Mainty, Oganda, Fanampenam-bava, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, Zon'olombelona, GV Mpisolovava

Tsy afaka niditra firy tamin'ny media sosialy indray ireo Ogandey rehefa  nandidy ireo tranonkala hikatona noho ny “antony ara-pilaminana” [1] ny Vaomieran'ny Fifandraisana tao Oganda taorian'ny lanonana fametrahana amin'ny toerany ny Filoha Yoweri Museveni.

Facebook thumbs down

Ankhibe Facebook midina – midika hoe tsy masaka.

Nanomboka ny alin'ny 11 May 2016 ny fahatapahana, ary nanambara ireo mpanome tolotra aterineto  fa tokony hiverina amin'ny laoniny ny 13 May ny fidirana tamin'ny tranonkala toy ny Facebook sy Twitter .Nitatitra  anefa ny mpanjifa sasany fa naharitra hatramin'ny Alahady 15 May ny olana tamin'ny fampiasana ny media sosialy .

Naneho hevitra ohatra i Josia Kato tao amin'ny pejy Facebook-n'ny orinasam-pifandraisana mpitari-dalana MTN ao Oganda tamin'ny 3:12 maraina tamin'ny 14 mey, nanontany [2]ny antony tsy nahafahany mahazo hafatra amin'ny app WhatsApp. Namaly [3] ny MTN fa “mbola mitohy ny fanakatonan'ny governemanta ny media sosialy”, izay mifanohitra tamin'ny fanambarana teo aloha [4]  fa “efa niverina tamin'ny laoniny ny media sosialy rehetra.”

Amin'izao fotoana izao,  afaka miditra amin'ny tranonkalan'ny media sosialy ara-dalàna ny Ogandey.

Nanao fianianana ny Filoha Museveni ny 12 May tamin'ny fe-potoana fiasana fahadimy izay nisy adihevitra rehefa nahazo vato mihoatra ny 60% tamin'ny fifidianana ny Febroary 2016 teo. Nilaza ireo antoko mpanohitra tao amin'ny firenena  fa nisy hosoka ny fifidianana, ary naneho ny ahiahiny momba ny dingan'ny fifidianana [5] ihany koa ny mpanara-maso iraisampirenena  sy ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona.

Nihantsy ny fandresen'i Museveni tamin'ny andianà hetsi-panoherana antsoina hoe “fanentanana. fihantsiana [6] “ny antoko mpanohitra lehibe indrindra, Forum for Democratic Change (FDC) (Zaikabe ho amin'ny Fiovana Demokratika) , sy ireo mpikatroka hafa. Ny Media sosialy no tena nikarakarana ny fandaminana ny hetsika.

Nandritra ny fanakatonana an-katerena, ny olona izay mampiasa ny tambajotra virtoaly manokana [7] (VPNs) ihany no afaka niditra tamin'ny tranokalan'ny media sosialy. Tavela any ivelany ireo izay tsy dia havanana amin'ny teknolojia. Nampiasa VPNs ihany koa ireo Ogandey mba hialana amin'ny fanakatonana ny media sosialy nanditra ny efatra andro [8] tamin'ny fifidianana tamin'ny Febroary.

Toa tsy manana olana manodidina ilay fanakanana anefa ny Lapam-panjakana ao Oganda. Namoaka [9] ny sarin'ireo mpitarika Afrikana tonga nanatrika ny fanokanana an'i Museveni tao amin'ny pejy Facebook-ny tamin'ny 7:27 hariva ,ora ao an-toerana tamin'ny 11 May ny kaonty ofisialin'ny trano fonenan'ny filoha ,  izany hoe ora roa sy sasany taorian'ny fanombohan'ny fanakatonana ny media sosialy.

State House

Mbola nandeha ny Pejy Facebook-n'ny Lapam-panjakana Ogandey taorian'ny fanakatonana.

Naneho hevitra mikasika ny lahatsoratra ny mpisera Facebook iray :

This is laughable indeed , I wonder whom u expect to read this since u ordered for the shut down of social media

Mampihomehy tokoa izany, manontany tena aho hoe iza no hantenainareo hamaky izany kanefa ianareo nandidy ny fankatonana ny media sosialy.