- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ramatoa Telo Mahery Fo Mandefa Fanentanana Mba Hamporisihina Ny Fitaterana Ireo Tranga Momba Ny Herisetra Ara-nofo Ao Meksika

Sokajy: Amerika Latina, Meksika, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta

“No te calles” (“Aza mangina”) io no hafatra izay kasain'ireo niharan'ny herisetra ara-nofo tao Meksika mba halefa amin'ny fanentanana navoaka tao amin'ny tambajotra sosialy hamporisihina ny olona hitatitra ireo loza vokatry ny fanafihana ara-nofo.

Mpianatra ao amin'ny ambaratonga ambony mipetraka ao amin'ny toeram-ponenan'ny mpianatra ao Acatlán, ao amin'ny Anjerimanontolo Nasionaly Mizakatena ao Meksika [1]i Gabriela Nava. Niharan'ny herisetra ara-nofo teo akaikin'ny toeram-ponenan'ny mpianatry ny anjerimanontolo i Gabriela raha iny nisy lehilahy iray naka sary ny tao anaty zipony, tamin'ny fakantsary tamin'ny finday. Fantatra taty aoriana kely fa mpiasa iray ao amin'ny anjerimanontolo io olona io [2].

Nandritra izany fotoana izany, olona iray no nanafika an'i Andrea Noel [3]  – efa fantatra ankehitriny [4] – olona izay nanainga ny zipony teny an'arabe ary nisintona ny silipony hiborotsaka, taovam-pananahany hihanjahanja nandritry ny fotoana fohy.

Samy niharan'ny tsikera tsy tambo ho isaina sy fanamarihana manivaiva tao amin'ireo tambajotra sosialy i Gabriela sy Andrea, avy amin'ireo olona manameloka ireo tranga ho noho ny fomba fiankajon'ireto vehivavy.

Mitantara ireo zavatra niainany i Yakiri Rubio mandritra io fotoana io, taorian'ny nahavoan'ny loza mahatsiravina kokoa noho ny fanararaotana: fanolanana. Tsy maintsy niatrika fandavana na fanemorana fitsarana nataon'ireo Meksikana manampahefana izy, ary nampaingaina hatramin'ny hoe namely ny iray tamin'ireo nanao herisetra taminy mihintsy aza.

Tamin'ny Martsa 2016, nanokana santionany kely ny Global Voices mikasika ny herisetra mahamenatra natao tamin'ireo vehivavy [5] tao Meksika sy ny paikady mirindran'ny governemanta mikasika ny fanomezan-danja ny asam-birao ary famoronana ireo “ fanairana ny miralenta [5]” mba hisehoana hoe miatrika ilay olana sy manaraka ny andraikiny mifanaraka amin'ny lalàna iraisam-pirenena momba ilay fotokevitra.

Fa any ambadiky ny fampanantenana poakaty miaraka amin'ireo mpiasam-panjakana mikaroka izay hiatrehana ny herisetra, mitsangana io vondrom-behivavy mahery fo io mba hamporisika ny fanaovana tatitra ireo ireo heloka bevava ary nitondra miaraka tamin'izy ireny hafatra iray manan-danja ho any amin'ireo tambajotra sosialy.

Cuando nos tocan a una, respondemos todas.

Raha vao misy iray aminay voakitika, mamaly ny ankamaroanay.

Nissho masoandro ilay lahatsary tamin'ny fotoana izay nitodihan'ny sain'ny olona hifantoka lalina tamin'ireo tranganà heloka bevava ara-nofo atao amin'ireo vehivavy taorian'ny fandrakofana goavana ny tranga nanjo an'i Andrea Noel sy ilay tranga tsy takona nafenina “Los Porkys [6]“, izay niampangana tanora efatra avy amin'ny sangany ara-tsosialy tao amin'ny fanjakan'i Veracruz [7] (ao atsinanan'i Meksika) ho nanolana zaza tsy ampy taona.

Mahatonga ireo fanentanana toy ny “Aza mangina” ho tena ilaina ny fitomboana mahatahotry ny isan'ireo heloka bevava marobe mikasika ny fanafihana ara-nofo ao Meksika. Araka ny tambajotra Actitud Fem [8]:

Cuarenta y siete por ciento de las mujeres en México mayores de 15 años han sufrido algún tipo de violencia, sea física, sexual, emocional o económica. Asimismo, y por increíble que resulte, 26 entidades del país no penalizan en la actualidad y con todo rigor el abuso sexual pues este delito, en ocasiones, recibe castigos menores que el asignado al robo de una vaca como lo informó el Instituto Nacional de las Mujeres.

Fito amby efapolo isan-jaton'ireo vehivavy ao Meksika, manodidina ny 15 taona no no efa niaina karazana herisetra sasantsasany, na ara-batana, ara-nofo, ara-pihetseham-po, na ara-toekarena. Ankoatr'izay, na tsy mampino araka ny iheverana azy aza, 25 amin'ireo singa mandrafitra ny firenena no tsy manasazy mafy ny fanararaotana ara-nofo amin'ìizao androntsika izao satra mbola kely lavitra noho ny sazin'ny mpangalatra omby vavy, matetika, ny sazin'io heloka bevava io, araka ny tatitry ny Ivontoerana Nasionaly Ho an'ny Vehivavy.

Noho izany, mfanindran-dàlana amin'ilay fanentanana “Aza mangina”, niantso andro iray hanaovana fihetsiketsehana tamin'ny Alahady 14 Avril 2016 ireo vondrona mahery fo nanohana ireo vehivavy, izay mikendry ihany koa mba hanosehana ny teny filamatra hoe: “raha voakitika ny iray aminay, izahay rehetra no mamaly”, araka ny fampahafantarana [9] tao amin'ny media nomerika Tercera Via. Nitatitra momba io tranga io ihany koa i Sara Lovera ho an'ny tambajotra fanaovana bilaogy tsy miakina, Homozapping [10] fa:

Con el hashtag #VivasNosQueremos todas a las calles, las redes sociales y los grupos organizados de mujeres en al menos 15 entidades del país preparan una movilización para hacer visible la preocupación sobre todas las violencias machistas. Cada día se suman más organizaciones que el próximo domingo 24 de abril estarán en muchas plazas del país.

Dicen quienes promueven la movilización que la violencia machista parece no tener límites y agregan que está en ascenso.
Y si la movilización tiene éxito, habremos avanzado años luz. No importa que hayamos estado parcialmente dormidas. Claro que no, pero este es un golpe fuerte.

Miaraka amin'ny tenifototra #VivasNosQueremos [#WeWantUsAlive], ireo làlana rehetra, ireo tambajotra sosialy, ary ireo vondrona misy ny fikambanam-behivavy izay misy 15 raha kely ao amin'ny firenena dia manomana mba hanetsika sy hampiseh ny ahiahin-dry zareo ho an'ireo herisetra rehetra atao amin'ireo vehivavy. Fikambanana maro no manatevin-daharana isan'andro ary ho tonga foana amin'ireo toerana maro manerana ny firenena amin'ny 24 Aprily (fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny 21 Aprily 2016) .

Milaza ireo mpampahafantatra ilay hetsika fa toa tsy misy fetrany ny herisetra atao amin'ireo vehivavy ary mitombo hatrany.

Ary raha mahomby ny hetsika, dia handroso an-taona maro isika. Tsy maninona ny hoe nandry tsy lavo loha izahay. Mazava ho azy fa tsia, nefa efa tsioka  mavesatra io.