- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitodika Amin'ny Media Sosialy Ireo Ekoatoriana Satria Nokapohan'ny Horohorotany Mafy Ny Morontsiraky Ny Firenena

Sokajy: Amerika Latina, Ekoatora, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Voina
Photo: Damages caused by the earthquake in Ecuador. Screenshot of the video shared by Youtube user Gabehash. [1]

Fahapotehana vokatr'ilay horohorotany tany Ekoatora. Pikantsarin'ilay lahatsary nozarain'ny mpampiasa Youtube Gabehash.

18/04/2016, 08/00 – Satria nikapoka ny morontsiraky Ekoatora ny alin'ny Sabotsy 16 Aprily ny iray amin'ireo horohorotany namono olona be indrindra tato anatin'ireo folo taona lasa, nanenika ny media sosialy ireo sary, lahatsary ary tatitra an-tsoratra. Mbola mitohy hatrany ilay tranga, fa araky ny ankamaroan'ireo mpilaza vaovao ao an-toerana [2] sy ireo manampahefana, nitombo ho 272 ny isan'ireo maty, raha maherin'ny 500 ireo olona naratra.

Iray amin'ireo tanàna tena voa mafy indrindra i Pedernales, tanànan'ny amorontsirak'i Ekoatora, tena akaikin'ny foibeny. Tany, nahatonga fiparitahana herisetra sy fangalarana [3] ilay fisavoritahana:

indrisy, 80% an'i Pedernales ankehitriny no potika, misy fahapotehana tanteraka any, halatra, tena mampanahy be ny toe-javatra. Mila fanampiana haingana #EcuadorEarthquake

‘Tsy nisy nanandrana ny hampiditra am-ponja ireo mpampiasa Twitter mizara loharanombaovao. Marina?’

Nanambara fisianà toe-draharaha manokana ny governemanta, mitovitovy amin'ny tany misy hotakotaka, tany amin'ireo faritany maro. Nisesika tao amin'ny Twitter ireo olona mba hizara fanavaozana ny zavatra mitranga, ary mba hijery ny misy ireo namana na havana mety ho voafandrika na nafoy tamin'ilay loza. Ny sasany nampitaha ireo habetsaky ny loharanombaovao nalefa mikasika ilay tranga teo amin'ireo sehatra amin'ny Aterineto amin'ny tsy fahampian'ny loharanombaovao apetraky ny governemanta sy ireo loharano hafa :

Raha misy horohorotany ao amin'ny firenenao ary mila alaina any amin'ny Twitter ny loharanombaovao, tena tsapanao fa misy zavatra tsy mandeha ao. Tena tsy milamina.

Ekoatora , “toe-draharaha manokana”: midika hoe: tsy misy olona mitatitra na inona na inona izay tsy lazain'ny governemanta. Ny lalànan'ny “ao” anatin'ny serasera

Mandritra izany, ireo mpampiasa sahala amin'i Andrés Delgado, nilaza ny fitondrantena mifanohitry ny governemanta teo aloha izay niankin-doha tamin'ny media sosialy [11], ary nanipika ny tena maha zavadehibe ireo sehatra ireo amin'ny fotoana tahaka izao :

Tsy nisy nanandrana ny hampiditra am-ponja ireo mpampiasa Twitter nizara loharanombaovao. Marina? MARINA? #Earthquake #Tsunami

Sarin'ilay loza mahatsiravina

Maro amin'ireo sary sy lahatsary zaraina ao amin'ny Twitter ihany koa no mampiseho vokatra nahatsiravina avy tamin'ilay horohorontany tao amin'ny firenena, indrindra tany  amin'ireo toerana nanakaiky ny foibeny:

Lahatsary mahavaky fo #EcuadorEarthquake! 30 segondra tsapa ho toy ny ho mandrakizay

Sary misimisin'ny fahapotehana navelan'ny #EcuadorEarthquake (horohorontany any Ekoatora ) any #Pedernales, Manabí

Ilay tranoben'ny Ivontoerana Fiarovana Sosialy ao Ekoatora any Portoviejo. Tena mahery #EcuadorEarthquake

Amin'ny YouTube, mampakatra ny tatitra avy aminy momba ilay horohorontany ireo mpampiasa. GP Films Trainning Art [24], havanana amin'ny fanaovana lahatsary sy fampianarana ny haiady, nandefa lahatsary iray nandefasany ireo tatitra avy tamin'ireo toerana tena voa mafy indrindra. Nampiasa ny kaonty Facebook-ny ihany koa izy  handefasana torohay [25] mikasika ny fomba famonjena.

Estamos pendientes hasta estas horas de la madrugada […] Donde hubo más consecuencia fue en Pedernales. Alumnos míos de allá están en shock, no tienen fuerzas, no pueden ni hablar […] Dicen que Pedernales está destruido. No hay una casa en pie. Dicen que lamentablemente está aconteciendo bastante violencia

Nanaraka ilay tranga hatramin'ny maraina be izahay […] Hita ao Pedernales ny ankamaroan'ireo vokatry ny loza. Tena voadona mafy ireo mpianatro sasany any, tsy manana hery intsony izy ireo, na ny miteny aza tsy  vitany […] Milaza izy ireo fa potika tanteraka i Pedernales. Tsy misy trano mitsangana any na iray aza. Nilaza [ihany] koa izy ireo fa, indrisy, maka toerana ao ny herisetra maro.

Nozarazaraina be maneran-tany ity lahatsarin'i Ángel Leonardo Torres [26] ity. Mampiseho ny fiandohan'ilay horohorontany tazana tao anatin'ny trano fivarotana fanaka fanao an-trano :

Mampiasa ny loharanombaovao avy tamin'ny Ivontoerana Misahana ny Zeofizika ao Ekoatora i Edgar Sanchez, ka nizara tamin'ny Twitter ito sarintany ito, miaraka amin'ireo horohorontany 1.000 farany tao an-toerana:

Sarin'ireo #earthquakes (horohorontany) 1.000 farany tamin'ny #FSharp avy tamin'ny https://t.co/cpjpuqDy67 [29] aseho miaraka amin'ny #PowerMap #TerremotoEcuador pic.twitter.com/GM5MFSaaaP [31]

Ho an'ireo vaovao farany momba ilay horohorontany, araho ireo tenifototra #TerremotoEcuador [4],, #EcuadorEarthquake [33], #SISMO [34] ary ny kaonty Twitter an'ny Ivontoerana Zeofizika [35] ao Ekoatora.