- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

‘Biko Zulu’, ‘Antsoin-Dry Zareo Hoe Daktari Aho’ sy ‘Anganon'i Nenibe’ Anisan'ireo Mpandresy Tamin'ny Loka Bilaogy Kenyana

Sokajy: Afrika Mainty, Kenyà, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Teknolojia
Some of the BAKE Awards 2016 winners – L to R, Dr. Claire Kinuthia (theycallmedaktari.com), Maryann Waweru (mummytales.com), Rachael Muthoni (safari254.com), Diana Kaluhi (kaluhiskitchen.com) and Lucia Musau (luciamusau.com). Photo used with permission. [1]

Sasany tamin'ireo nandrombaka ny Loka BAKE 2016 (ankavia miankavanana: Dr. Claire Kinuthia (theycallmedaktari.com), Maryann Waweru (mummytales.com), Rachael Muthoni (safari254.com), Diana Kaluhi (kaluhiskitchen.com) ary Lucia Musau (luciamusau.com). Sary avy amin'ny Fikambanan'ny Bilaogera ao Kenya (BAKE), nahazoana alalana ny sary.

Nambara [2] nandritra ny lanonambe notontosaina tamin'ny 14 Mey tao Nairobi renivohitra ao Kenya ireo mpandresy tamin'ny Loka Bilaogy Kenyana.

Nitondra loka roa nody ny Biko Zulu [3]: Bilaogy Tsara Indrindra Amin'ny Famoronana Asa-soratra sy Bilaogin'ny taona ao Kenya. Anisan'ireo mpandresy ny Techweez [4] tamin'ny Bilaogy Tsara Indrindra Momba ny Teknolojia; Ben Kiruthi [5] tamin'ny Bilaogy Sary Tsara Indrindra; They Call Me Daktari (Antsoin'izy ireo hoe Daktari aho) [6] tamin'ny Bilaogim-baovao Tsara Indrindra; ary ny Mummy Tales [7] (Anganon'ny Nenibe) tamin'ny Bilaogy Lohahevitra Tsara Indrindra.

Natomboky ny Fikambanan'ny Bilaogera ao Kenya (BAKE) [8]tamin'ny taona 2012, ny Loka Bilaogy Kenyana, fantatra koa amin'ny hoe BAKE izay mankasitraka sy manome loka [9]ireo bilaogera Kenyana miavaka. Misokatra ho an'ny Kenyana sy ny marika rehetra miasa ao Kenya ny fifaninanana, araka ny filazan'ny mpikarakara.

Nanomboka tamin'ny dingana fampahafantarana [10]ireo sokajy 19 nanomboka tamin'ny 8 Janoary hatramin'ny 10 Febroary 2016 ny fifaninanana. Avy eo ny mpitsara [11]mifidy izay bilaogy dimy tsara indrindra isaky ny sokajy, alohan'ny nisokafan'ny fifidianana tamin'ny aterineto [12] ho a'ny daholobe tamin'ny 3 Martsa 2016.

Jereo ao amin'ny tranonkalan'ny loka ny lisitra feno misy ireo mpandresy [2] tamin'ny sokajy miisa 19.