‘Biko Zulu’, ‘Antsoin-Dry Zareo Hoe Daktari Aho’ sy ‘Anganon'i Nenibe’ Anisan'ireo Mpandresy Tamin'ny Loka Bilaogy Kenyana

Some of the BAKE Awards 2016 winners – L to R, Dr. Claire Kinuthia (theycallmedaktari.com), Maryann Waweru (mummytales.com), Rachael Muthoni (safari254.com), Diana Kaluhi (kaluhiskitchen.com) and Lucia Musau (luciamusau.com). Photo used with permission.

Sasany tamin'ireo nandrombaka ny Loka BAKE 2016 (ankavia miankavanana: Dr. Claire Kinuthia (theycallmedaktari.com), Maryann Waweru (mummytales.com), Rachael Muthoni (safari254.com), Diana Kaluhi (kaluhiskitchen.com) ary Lucia Musau (luciamusau.com). Sary avy amin'ny Fikambanan'ny Bilaogera ao Kenya (BAKE), nahazoana alalana ny sary.

Nambara nandritra ny lanonambe notontosaina tamin'ny 14 Mey tao Nairobi renivohitra ao Kenya ireo mpandresy tamin'ny Loka Bilaogy Kenyana.

Nitondra loka roa nody ny Biko Zulu: Bilaogy Tsara Indrindra Amin'ny Famoronana Asa-soratra sy Bilaogin'ny taona ao Kenya. Anisan'ireo mpandresy ny Techweez tamin'ny Bilaogy Tsara Indrindra Momba ny Teknolojia; Ben Kiruthi tamin'ny Bilaogy Sary Tsara Indrindra; They Call Me Daktari (Antsoin'izy ireo hoe Daktari aho) tamin'ny Bilaogim-baovao Tsara Indrindra; ary ny Mummy Tales (Anganon'ny Nenibe) tamin'ny Bilaogy Lohahevitra Tsara Indrindra.

Natomboky ny Fikambanan'ny Bilaogera ao Kenya (BAKE) tamin'ny taona 2012, ny Loka Bilaogy Kenyana, fantatra koa amin'ny hoe BAKE izay mankasitraka sy manome loka ireo bilaogera Kenyana miavaka. Misokatra ho an'ny Kenyana sy ny marika rehetra miasa ao Kenya ny fifaninanana, araka ny filazan'ny mpikarakara.

Nanomboka tamin'ny dingana fampahafantarana ireo sokajy 19 nanomboka tamin'ny 8 Janoary hatramin'ny 10 Febroary 2016 ny fifaninanana. Avy eo ny mpitsara mifidy izay bilaogy dimy tsara indrindra isaky ny sokajy, alohan'ny nisokafan'ny fifidianana tamin'ny aterineto ho a'ny daholobe tamin'ny 3 Martsa 2016.

Jereo ao amin'ny tranonkalan'ny loka ny lisitra feno misy ireo mpandresy tamin'ny sokajy miisa 19.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.