“Mitsikilo Ny Olom-pireneny” Ny Mpitondra Mozambikana, Araka Ny @Verdade

Esquema do sistema de escutas implementado em Moçambique. Imagem do jornal @Verdade

Kisarin'ny rafitra fanaraha-maso nampiharina ao Mozambika. Sary avy amin'ny @Verdade.

Tamin'ny fiandohan'ity volana ity, fantar'ireo Mozambikana fa “mihaino [ireo] antso an-telefaonina, mamaky [ireo] hafatra amin'ny finday (amin'ny somaiso, mailaka, WhatsApp, Viber …) ary manara-maso [ny hetsika ao amin'ny media sosialy] sy ny tranonkala  izay tsidihan'izy ireo ny fitondram-panjakana . “

Tamin'ny 4 May, nampiseho ihany koa ny fomba hakan'ny governemanta sy nanarahany maso ny fifandraisana teo amin'ny samy olom-pirenena Mozambikana amin'ny fampiasana ny rafitra ara-teknika voalaza fa naorin'ny orinasa Shinoa iray ZTE Corporation, ilay fanambarana navoakan'ny trano fampitam-baovao  tsy miankina @Verdade ( mpiara-miasa amin'ny Global Voices).

Nametraka tamin'ny fomba mangingina ny rafi-pitsofohana amin'ny fifandraisana rehetra tao Mozambika ny ZTE.

Natao nandritra ny fitondran'ny filoha teo aloha Armando Guebuza ny rafitra fanaraha-maso, ary nandoavan'ny governemanta vola manodidina ny 140 tapitrisa dolara Amerikana. Ny zanaky ny filoha teo aloha no mpanelanelana tao amin'ny fifanarahana:

O comando nacional de intercepção de informação foi adquirido pela Casa Militar, entre 2012 e 2014, e instalado pela empresa chinesa ZTE Corporation. Mas o negócio “militar” não foi feito directamente pelo Estado. A empresa privada Msumbiji Investment Limited, empresa da família Guebuza onde o filho do antigo Presidente, Mussumbuluku Guebuza é administrador executivo (CEO), intermediou o negócio que custou cerca de 140 milhões de dólares norte-americanos, aos cofres públicos, dos quais oito por cento foram pagos em comissões.

Niahy ny baiko fanaraha-maso ny serasera teo anelanelan'ny 2012 sy 2014 ny lehiben'ny tafika , ary napetraky ny  ZTE Corporation Shinoa ny rafitra. Nefa ny “tafika”  tsy natao hifampiraharaha mivantana tamin'ny fanjakana. Nanelanelana ny fifanarahana izay mitentina manodidina ny 140 tapitrisa dolara Amerikana nalaina tamin'ny volam-bahoaka ny zanaky ny filoha teo aloha, Mussumbuluku Guebuza, Tale Jeneralin'ny orinasa tsy miankina Msumbiji Investment Limited, izay orinasan'ny fianakavian'i Guebuza , naloha tamin'ny komisiona ny valo-polo isan-jaton'ireo vola.

Tantanin'ny lehiben'ny tafika izay manamora ny raharaha ny rafitra izay tafiditra amin'ny fifandraisana am-peo rehetra sy ny laharahiry mandeha amin'ny tambajotra finday sy ny telefaonina antariby. Tsy mila fahazoan-dàlana mialoha ara-pitsarana ny fitsofohana any anaty fifandraisana, ary tsy mila fifanarahana amin'ny orinasa fifandraisandavitra. Mitsongodia ny fifandraisana mailaka na tambajotra sosialy rehetra ihany koa ny rafitra .

A informação capturada pelo sistema em tempo real, é listada no projecto que estamos a citar, vai desde a mais simples chamada telefónica ou mensagem de texto (SMS) de todos os milhões de usuários das redes de telefonia móvel, passando pelas mensagens de todos o tipo de correios electrónicos (sejam de POP3, SMTP ou IMAP4) ou mesmo os emails trocados pelos diversos fornecedores online (gmail, yahoo, live). O sistema captura também os dados trocados através das aplicações de bate-papos, dos mais populares até aos menos conhecidos, acede às comunicações por Voz através de Protocolo de Internet (VOIP acrónimo em inglês), acessa aos dados trocados por FTP ou TELNET e também permite a recolha das comunicações trocadas nas redes sociais (facebook, twitter, google plus e até pelo youtube).

Azon'ny rafitra ara-potoana ny fifandraisana, miseho eo amin'ilay kisary rehefa miresaka isika , na io antso amin'ny finday tsotra na hafatra (SMS) an'ireo mpiseraseran'ny tambajotra finday rehetra an-tapitrisany, amin'ireo karazana  hafatra rehetra amin'ny mailaka elektronika (na POP3, SMTP na IMAP4), eny fa na dia ny mailaka hifanakalozan'ny mpamatsy aterineto isan-karazany (Gmail, Yahoo, live). Mahazo ny fifanakalozana lahatahiry amin'ny karajia (chat) ihany koa ny rafitra, manomboka amin'izay malaza indrindra ka hatramin'izay tsy misy mahafantatra indrindra, afa-miditra amin'ny fifandraisana am-peo amin'ny arifenitra an'aterineto (VOIP), afaka miditra amin'ny lahatahiry ifanakalozana amin'ny FTP na TELNET, ary ahafahana mitsongodia ny serasera ifanakalozana amin'ny alalan'ny tambajotra sosialy (Facebook , Twitter, Google Plus ary YouTube).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.