Exit Davutoglu: Voahilika Ny PM Tiorka, Mihamafy Ny Tahotra Momba Ny Hoavy

Davutoglu at Harvard. Creative commons.

Davutoglu tao Harvard. Creative commons

Praiminisitra Tiorka efa ho roa taona teo ho eo, nambaran'i Ahmet Davutoğlu ny fikasany hiala teo amin'ny toerany “amin'ny anaran'ny maha-iray ihany ny antoko”, ao anatin'ireo porofo mivaingan'ny fifandirany amin'ny Filoham-pirenena Recep Tayyip Erdoğan

Davutoglu no olo-malaza faharoa manan-danja indrindra tao amin'ny AKP (Antoko Rariny sy Fandrosoana) izay nanjakazaka tamin'ireo politikan'i Tiorkia nandritra ny efa ho folo taona mahery izao, ary ny mety ho fanjavonany amin'ny sehatra politika dia azo heverina ho toy ny tsy fanesorana ny sàkana goavana nananan'ny firenena ho fanaraha-maso ireo fitadiavam-boninahitr'i Erdogan.

Maranin-tsaina iray manao solomaso, tsy mbola nahazo ny ‘aura’ (fon-)n'i Erdogan mihintsy i Davutoglu, izay tonga tery alohan'ny sehatra ho Praiminisitr'i Tiorkia sy hery mpitarika ara-politika ny AKP tamin'ny taona 2003.

Oadray vetivety izy izany Andriamatoa #Davutoğlu nahita asa vaovao mahazendana ho azy sahady

Manoratra  ao amin'ny Al-Monitor, voamarik'i Mustafa Akyol ny fisehoan'ny “bilaogy ara-politika iray feno misitery” izay nandoko an'i Davutoglu ho toy ny mpamadika taty aorian'ny nanesoran'ny kaomity mpanatanteraky ny AKP tamin'i Davutoglu ny fahefany hanendry ireo manampahefana any amin'ireo faritra misy ny antoko tamin'ny alalan'ny Komity Mpanatanteraky ny  AKP.

Raha toa ilay bilaogy – araka izay eritreritin'ny maro – ka fitarafana ireo fotokevitr'i Erdogan, dia tokony hiseho ho olona tsara fanahy ao ireo fotokevitra feno heloka bevavan'i Davutoglu mifanohitra amin'ny fitsipika henjan'i Erdohan tamin'ny fifampiraharahan'ny Firaisambe Eoropeana sy Tiorkia momba ireo mpitsoaponenana ary ny fanomezany tombon-dahiny ny rafitra parlemantera.

Izay miandry ny Praiminisitra Tiorka #Davutoğlu taorian'ny fanalàn'ny filoham-pirenena #Erdoğan…azy

Tetsy andaniny dia nahatsapa i Davutoglu fa tsy ampy ny vatsy ara-politika ananany mba hilaharany amin'ny iray amin'ireo mpitarika tena malaza sy tena matanjaka indrindra teo amin'ny tantaran'i Tiorkia, na teo aza ny fanànany fahefàna midadasika kokoa nomen'ny Lalàm-panorenana azy amin'ny maha-PM, raha oharina amin'i Erdogan.

Nitarika ny maro hatahotra izany hoe  manakaiky ny farany ny tetezamita Tiorka miala amin'ny demokrasia mikorontana ho amin'ny fanjakana tsy refesi-mandidy.

Ndeha isika hisaona ny demokrasia Tiorka, izay namoy ny iray amin'ireo mpanara-masony farany teo amin'ny fitondran'i #Erdoğan

Miaraka amin'ny mpandimby an'i Davutoglu izay toa mpomba kokoa ny fanovàna ny lalàmpanorenana ho fanomezana fahefana midadasika kokoa an'i Erdogan sy ny presidansa, ho andrasan'izao tontolo izao izay tena dikan'io ho an'ny krizin'ireo mpitsoaponenana efa misy ankehitriny any amin'ny sisintany Eoropeana sy ny fifandirana lalina eo amin'ny milisy Kiorda sy ny fanjakana Tiorka.

Indrisy anefa fa, zavatra iray no avoitran'ny fivoaran'i Tiorkia nandritra ny roa taona nifanesy, dia ireo fomba fijery izay toa lasa mivaona amin'ny fotoana iray, lasa toa azo eritreretina tampoka teo.

CHP MP: “Misaotra an'Andriamanitra fa misy ny Repoblika. Tamin'ny vanim-potoanan'ny Ottoman, mety efa tapaka ny lohan'i Davutoğlu”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.