Noroahan'ny Vondrona Mpanenjika Hosoka Ny Alibaba, Masiaka ireo Shinoa Mpanjifa

A counterfeit Gucci bag for sale on Taobao. Screen capture in May 2015 via Jing Daily

Poketra Gucci sandoka amidy ao amin'ny Taobao. Pikantsary tamin'ny May 2015 avy amin'i Jing Daily

Nandray fanapahana ny “International Anti-Counterfeiting Coalition (IACC)” – Fiaraha-mitantana  Iraisampirenena manenjika ny Hosoka fa haato ny maha-mpikambana ny Alibaba ao amin'ilay vondrona, iray volana monja taorian'ny nankatoavana ny fidirany tao, taorian'ny nialàn'ireo mpikambana maro, isan'izany ny Gucci, Michael Kors sy Tiffany, ho fanoherana ny fidiran'ilay goavan'ny Aterineto Shinoa.

Manana mpikambana maherin'ny 250 ilay vondrona miady amin'ny hosoka, ny ankamaroany dia marika malaza erantany.

Tamin'ny volana lasa iny, nanapaka hevitra hanitatra ny fandraisana mpikambana ho any amin'ireo mpanelanelana ilay vondrona mba ho fikatsahana vahaolana hiadiana amin'ny famokaranaa sy fitsinjarana hosoka.

Ny Alibaba no orinasa mpanelanelana voalohany niditra ho mpikambana tao anatin'ilay rafitra vaovao, nefa tsy ela velona ny naha-mpikambana azy.

Tsy faly ireo mpikambana hafa ao amin'ilay vondrona nahita ny fahatongavan'ilay Shinoa vaovao mpikambana satria ny Alibaba no mitantana ilay sehatra varotra eletronika midadasika indrindra erantany, Taobao izay matetika no voakiana noho ny fampiantranoany toeram-pivarotana marobe ety anaty aterineto mivarotra vokatra hosoka.

Ny fandaozana avy hatrany ilay vondrona no setriny avy amin'ireo marika toy ny Gucci sy Michael Kors, izay niantsoan'ito farany ny Alibaba ho “ny mpifanandrina faran'izay mampididoza sy manimba indrindra“.

Maro ireo mpikambana efa niomana ny hiala, araka ny imailaka nalefa ho an'ireo mpikambana ao amin'ny filankevi-pitantanan'ilay vondrona.

Nambara tamin'ny 13 May teo ny fanapahankevitra hampiato ny maha-mpikambana ny Alibaba, taorian'ny nanambaràn'ny Associate Press fa raha ny marina dia manana petrabola ao amin'ny Alibaba ny Filohan'ny IACC, Robert Barchiesi, tombontsoa iray nafeniny tsy ho fantatr'ireo mpikambana hafa tao amin'ny filankevi-pitantanana.

Raha tafaverina tany aminy, tsy dia nitsetra loatra an'ilay goavan'ny fitsinjarana ireo Shinoa mpanjifa.

Tao anatin'ny iray amin'ireo randram-baovao isan'ny malaza indrindra ao amin'ny Weibo, maro no milaza fa nahazo ny sahaza azy ny Alibaba :

我想说这个组织当初为毛让阿里巴巴加入呢?为了故意给它难堪?

Fomba ahoana no naneken'ny vondrona ny maha-mpikambana voalohany ny Alibaba? Hanomezana henatra ny Alibaba ve ?

天朝引以为豪的BAT,一个成了大众眼里的诈骗冠军,一个世界级的假货王者,还有个几乎被公认的抄袭大王。

Ao amin'ny voninahitry ny fanjakan'ny lanitra– BAT [Baidu, Alibaba sy Tencent no telo goavan'ny aterineto ao Shina] — ny iray lasa mpanjakan'ireo mpandainga [amin'ny fanondroana ireo valimpikarohan'ny Baidu mampahafantatra ireo dokambarotra manana tantara ratsy], ny iray mpanjakan'ny fanaovana hosoka erantany [manondro ny Alibaba], ary ny iray hafa dia eken'ny maro ny maha-mpanjakan'ny hala-tàhaka azy.

说实话阿里巴巴里假货确实比真货多,基本都是高仿山寨。这种公司要在法治国家估计早就被罚款破产了。

Betsaka lavitra noho ny vokatra tena izy ny hosoka ao amin'ny Alibaba. Hosoka avo lenta / kalitao ny ankamaroany. Tokony hiharan'ny onitra avo be ny orinasa tahaka io ary efa nangorona entana raha tany amin'ireo firenena izay mampihatra ara-bakiteny ny lalàna mifehy.

里要打假,光天猫就得多少家关门啊,自绝财路的事,谁干

Raha tena momba ny ady atao amin'ny hosoka ny Alibaba, firy ireo tsena ao amin'ny Tmall (sehatra iray fivarotana vokatra avo kalitao) no ho voatery hikatona? Ho toy inona ny tombombarotra veriny?

Amin-keso ny fanehoankevitry ny sasany :

还是回国吧,只要你的假货做得真卖得便宜,中国人都会拥护你,没有人会取消你的资格

Mipetraha ao an-trano. Raha avo lenta sady mora ilay hosoka azonao, hanohana anao ny vahoaka Shinoa ary tsy misy na iza na iza hanilika anao.

关键是,马云也想卖真货啊!可是国内没有几个生产真货的厂家啊!

Ny marina dia hoe, na ohatra aza naniry ny hivarotra vokatra tena izy i Jack Ma [mpanorina ny Alibaba ], vitsy ireo orinasa mety ho afaka hamokatra azy ireny.

Na izany aza, miasa eo ambanin'ny fiarovana omen'ny Great Firewell ao Shina ho azy, hitohy hitàna ny lohany amin'ny varotra elektronika ao Shina ihany ny Alibaba, hoy i Wang Ruo, tale mpanatanteraka fahiny tao amin'ny Taobao nanindry :

关于阿里被清出国际反假货联盟,有一位前橙同学说的很准确:“阿里进了打假联盟,也抹不去卖假的名声,出了联盟也抹不去第一电商的地位”

Momba ny fanilihana ny Alibaba tsy ho ao anatin'ilay vondrona miady amin'ny hosoka, ity misy fitanisàna iray manindrona avy aminà namana iray : “Na nahavita niditra tao amin'ny IACC aza ny Alibaba, tsy ho afaka hiala amin'ny tanjany amin'ny famarotana hosoka ry zareo. Na voadàka hiala tao amin'ilay vondrona aza izy, mbola mitàna ny lohalaharana amin'ny varotra elektronika ihany.”

Amin'ny filaza hafa, tsy misy fiovàna azo andrandraina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.