- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Netizen Report: Noho Ny Fifandonana Anaty Cyber Sy Zon'Olombelona, Mitombo Ny Disadisa Eo Amin'i Etazonia Sy Iràna

Sokajy: Iràna, Hafanam-po, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona, Feo voarahona, Tatitry ny Mpiserasera, GV Mpisolovava
Palace of Justice, Tehran. Photo by Stanislao, released to public domain.

Lapan'ny Fitsaràna, Tehran. Sary an'i Stanislao, sehatra ho an'ny daholobe.

Manome topimaso iraisampirenena amin'ireo fanamby, fandresena ary fironana vao mipongatra amin'ny resaka zo amin'ny aterineto manerantany ny Netizen Report ato amin'ny Global Voices Advocacy.

Betsaka nibitsika n [1]y fitohizan'ny fitazonana am-ponja an'ireo Iraniana mpahay teknolojia sady mpikatroky ny aterineto  toa an'i Arash Zad [2], Hossein Ronaghi Maleki [3] sy Saeed Malekpour [4], nandritry ny fihaonambe RightsCon nataon'ireo mpiaro ny fahalalana tao Silocon Valley tamin'ny herinandro voalohany tamin'ny Aprily.

Tao amin'ny fandaharana resaka an-databatra momba ny famaizana teknolojika ataon'i Etazonia amin'i Iràna [5], nanontanian'i Nariman Gharib, Iraniana mpikaroka momba ny aterineto fa monina ao Londona, ny solontenan'ny deptartemantam-panjakana Amerikàna, Emily Norris, momba ny ezaky ny departemantany hanery ny governemanta Iraniana hanafaka ireo Iraniana bilaogera sy mpandraharaha voafonja. Namaly i Norris [6]:

…Misy maherin'ny 900 ireo gadra noho ny politika ao Iràna, araka izany tsy afaka hiantso azy ireny amin'ny anarany tsirairay avy izahay, saingy azo[nay] atao…ny mitaky amn'ny governemanta Iraniana hanafaka ireny gadra noho ny politika ireny… Ny lehibe indrindra ho anay amin'ny fanasongadinana ireny tranga ireny, ho fanampin'ireo sazy, dia ny fiantsoana ny vondrona iraisampirenena sy ny governemanta Iraniana amin'ny alàlan'ny rafitry ny Firenena Mikambana…. Tena zavadehibe ho anay ao amin'ny Departemantam-panjakana ny handre vaovao avy amin'ireo mpikatroka sy ireo ONG izay mahafantatra ny zavatra miseho mba hahafahanay manasongadina ireny tranga ireny sy miresaka momba azy ireo.

Raha toa ny sampana iray tao amin'ny departemanta Amerikàna nangetaheta ny hanohana ny asan'ireo Iraniana mpahay teknolojia miasa tena, nanokana fitaovana tsy azo tsinontsinoavina ihany koa i Etazonia mba hanelingelenana ny fotodrafitrasa teknolojikan'ny governemanta Iraniana sy hanakànana an'i Iràna tsy ho afaka hanao toy izany amin'i Etazonia.

Tamin'iny herinandro voalohany ho an'ny Aprily iny, ny Departemantan'ny Fitsaràna ao Etazonia dia nanameloka Iraniana [7] izay voalaza ho nanampy tamin'ny fanantontosana ny fanafihana an-tserasera ny fotodrafitrasan'ny solosaina ao Etazonia natao hibaikoana ny tohodrano ao amin'ny fanjakan'i New York sy ireo ampahany amin'ny sehatry ny fikirakiràna ny ara-bolan-dry zareo Amerikàna.

Araka ny voalazan'ny Washington Post, io no manamarika ny fotoana voalohany nanamelohan'i Etazonia [7] olona notohanan'ny fanjakàna hanao fijirihana mba hanelingelina ireo tambajotran'ireo indostria andrin'i Amerika. Ny fanadihadiana lalina momba ny lasany sy ny asan'ireo mpijirika no namoaka fa mety ho efa tafiditra tamin'ny hetsiky ny governemanta [8] hanovàna endrika ny tranonkalan'ilay mpifaninana teo aloha ho Filohampirenena sady mpitarika ny Hetsika Maitso, Mehdi Karroubi, ihany koa ry zareo ireo.

Mitombo indray ny isan'ny maty ho an'ireo Bangladeshis tsy mpino

Tanora iray 28 taona, mpianatra lalàna, no maty novonoin'olona telo [9]tao Dhaka, Bangladesh, ny 7 Aprily 2016. Ny fanakianany ny fitahirizana ireo fombandrazana ara-pivavahana teny anatin'ny tontolon'ny bilaogy sy ny Facebook no tena nanaovana ity tanora ity ho lasibatra. i Nazimuddin Samad dia mpianatra lalàna tao amin'ny Anjerimanontolon'i Jagannath. Efa hatry ny ela izy no niasa ho mpandrindra niaraka tamin'ny Ganajagaran Mancha [10], ilay vondrona nitaky ny rariny ho an'ireo niharam-boina tamin'ny ady tamin'ny 1971 sy ny fandraràna ny politika ara-pivavahana tao amin'ny firenena. Tamin'ny 2013, nipoitra tao anaty lisitra iray ny anarany, nahitàna bilaogera 84 sy mpikatroka nampangain'ireo mpitari-pivavahana Miozolmana mpitahiry ny nentin-drazana ho nanoratra namely ny fivavahana Silamo.

Mety ho dingana roa fanamarinana no hotrandrahan'ireo Ejiptiana manampahefana.

Nanao tatitra ireo [11] mpikaroka momba ny teknika ao Ejipta fa lasibatry ny rafitra fanarahamaso ataon'ny governemanta, rafitra izay mitrandraka dingana roa fanamarinana ny fidirana amin'ireo sehatra ety anaty aterineto, toy ny  Facebook, Yahoo ary Hotmail, ireo olo-malaza mpikatroka mafàna fo mpiaro zon'olombelona.

Ho an'ireo sy tolotra hafa koa, matetika omena safidy ireo mpampiasa, na hampiasa ny laharan'ny findainy ho toy ny fomba faharoa hanaporofoana, na hampifandray ny momba azy amin'ny any an-tranonkala hafa. Raha manadino tenimiafina ny mpampiasa iray, dia afaka mangataka amin'ilay orinasa handefa ‘code’ vaovao any amin'ny findainy mba hahafahany miditra indray avy eo mankao amin'ilay sehatra hanamarinany ny aminy. Ao Ejipta anefa, noho ny tanjaky ny fanarahamaso ataon'ny fanjakàna amin'ny fifandraisandavitra, hita toa andraman'ireo mpisehatra avy amin'ny fanjakana ny miditra amin'ny kaontin'ireo mpikatroka mafàna fo, amin'ny alàlan'ilay safidy ‘tenimiafina adino’, amin'ny fipaingorana ireo ‘code’ alefa any amin'ny findain'ireo mpikatroka mafàna fo ireo, ary avy eo mamorona tenimiafina vaovao, dia maka tanteraka ny fifehezana ilay kaonty. Fantaro bebe kokoa [11] avy amin'ny alàlan'i Ramy Raoof [12], manampahaizana manokana momba ny fiarovana dizitaly ary monina ao Kairo, ny momba izay mitranga.

Nodiovina tao amin'ny tranonkala Shinoa ny #PanamaPapers

Niasa hamafa izay fanondroana rehetra [13] mankany amin'ilay fiporitsahana vao haingana, Panama Papers, [14] tao amin'ny media sosialin'ny fireneny ireo Shinoa mpanivana ny aterineto, taorian'ny nanononana ny anaran'ireo valo mpikambana ankehitriny na fahiny tao amin'ny Politburo ao anatin'ireo sangany erantany mampiasa kaonty banky any ivelany mba hanafenana ny harenan'izy ireo. Ny rahalahin'ny Filoha Xi Jinping, Deng Jiagui, ihany koa dia voalaza tao anatin'ireo poritsaka. Mba handosirana ny sivana dia marobe ireo mpampiasa no nanomboka ‘nitsimpona’ ny hoe Panama tany anatin'ny lahatsoratr'izy ireo.

Facebook: Ampiasain'ireo manampahefana Kazakh ho toy ny polisin'ny fitenenana

Olompirenena Kazakh roa no miatrika sedra ara-pitsaràna [15] noho ny zavatra nataony tao amin'ny Facebook. Alexander Baranov , mpanao gazety, dia nampangaina ho nanala baràka taminà lahatsoratra iray nilazàny fa manao ratsy fitondra ireo mpiasa ao aminy ny mpampiasa azy ary voarohirohy aminà raharaha tsy ara-dalàna,  fiampangàna iray izay mety hitazonana azy ho tomponandraikitra handoa onitra ara-bola mitentina eo amin'ny folo tapitrisa tenge eo (US $29,000). Ramatoa iray hafa no voasazy handoa onitra efa ho  64.000 tenge ($185) noho ny filazana tao amin'ny Facebook fa misy fihetsiketsehana mifandray amin'ny resaka heloka bevava mitranga ao amin'ny efitrano mifanila amin'ny azy.

Fotoana izao hampanarahanao toetrandro ny WhatsApp -nao: Tonga ny fanafenana hafatra “amin'ny andaniny roa”

Ny nivoaka farany tamin'ny fitaovan'ny Facebook natao hifandefasana hafatra, WhatsApp, dia misy fanafenana hafatra amin'ny endriny feno [16] ho an'ireo lahatsoratra sy antso, amin'ny fiantohana fa ho arovan'ilay fampiasa ny resaka ifanaovan'ireo an-davitrisa mampiasa azy, amin'ny fampiasàna fanafenana matanjaka. Tao anaty lahatsoratra iray am-bilaogy, nanoratra i Jan Koum mpiara-namorona ny WhatsApp [17] “Iray amin'ireo finoana fototra anananay ato amin'ny WhatsApp ny hetaheta hiaro ny fifandraisana manokan'ny olona, ary ho ahy, raisiko ho raharaha manokana io. Lehibe tany URSS aho nandritry ny fitondràna kaominista ary ny zavanisy hoe ny olona tsy afaka niresaka ankalalahana dia iray amin'ireo antony nifindràn'ny fianakaviako nankaty Etazonia.” Eo amin'ny fototra iorenan'ny teknolojia Open Whisper Systems [18]mihitsy no natsangana ilay rafitra fanafenana, mpamorona rahateo ny Signal, ary manao izay tsy hahafahana mihaino amin'ny fomba elektronika ireo hafatra WhatsApp na dia manoloana ny fisianà didim-pitsaràna aza.

Fikarohana vaovao (fanamarihana: Lahatsoratra mbola amin'ny teny Anglisy ireto tanisaina eto ambany)

 

Misorata amin'ny Netizen Report amin'ny alàalan'ny imailaka [23]

 

Nandray anjara tamin'ity tatitra ity i Mahsa Alimardani [24], Ellery Roberts Biddle [25], Weiping Li, Elizabeth Rivera [26], sy Sarah Myers West [27]