Mpihira Kirgyz Namoaka Hira Mampihovitrovitra Amin'ny Fanokafana ny Games Of Thrones

Screenshot of video uploaded by Zanoza.kg.

Dikasary avy amin'ny lahatsary YouTube navoakan’i Zanoza.kg.

Manan-javatra maro iraisana ny “Games of Thrones” sy i Kyrgyzstan — endri-tany mahatonga hanao poezia, fomba fiakanjo mahavalalanina ary ny safotofoto ara-politika zary mahazatra ifandroritan'ny mpihazom-pahefana tavaratra sy tatsimo.

Ankehitriny ny mpihira Kyrgyz avy amin'ny tarika vako-drazana Ordo Sakhna namoaka hira fanokafana fampisehoana tsy mbola fandre mihitsy teo aloha, tao anaty fampisehoana notontosain'ny seha-pampitam-baovao tao an-toerana Zanoza.kg sy ny Internews mpanohana ny fampivelarana ny fampitam-baovao miorina ao Washington.

Hira vako-drazana Kyrgyz

Namelona indray ny fahalianan'ilay firenena aziatika afovoany indray amin'ny zavamaneno nentim-paharazana ny fahalaovantena, ary tsy misy mahahoatra ny komuz, izay hita mandrakariva amin'ny isan-tokantrano Kyrgyz sady ny tiana indrindra amin'ireo rindrankira nasionaly manamarika fotoan-dehibe.

Kyrgyz musical instruments featuring on the one som note that has since been withdrawn from circulation.

Zavamaneno Kyrgyz misongadina ao amin'ny vola taratasy iray som izay efa tsy nivoaka sy tsy manankery intsony.

Saingy na tamin'ny vanim-potoana Sovietika aza, dia efa fanta-daza tokoa ny fitiavan'ny mpiray firenena ilay zava-maneno, araka ny porofoin'ity sombiny avy amin'ilay Olomanga Kyrgyz mpanoratra antsoina hoe Chingiz Aitmatov ao amin'ny boky Zazavavy manao folara mena:

Over the radio came a tune I knew, played on the komuz. It was a Kyrgyz song which always made me think of a lonely horseman riding through the twilit steppe. He has a long journey before him, the steppe is vast, he can think at leisure and softly sing a song, sing on what is in his heart. A man has many things to think over when he is alone, when the only sound in the stillness about him is the rhythmic thud of his horse’s hoofs. The strings of the komuz rang gently, like water rippling over smooth, clean stones . The komuz sang of the sun setting behind the hills, of the cool blueness sweeping stealthily over the ground, and of the wormwood and yellow feather grass stirring and swaying, shedding their pollen on the sun-baked road. The steppe would listen to the rider and sing with him…

Heno tao amin'ny onjam-peo ny gadon-kira iray fantatro, nolalaovina  tamin'ny komuz. Hira Kyrgyz nahatonga ahy hieritreritra hatrany mpitaingin-tsoavaly tokana manavatsava ny fatrana (lemaka tsy misy mpikarakara). Mbola lavitra ny dia hotontosainy, midadasika ny fatrana, afaka mieritreritra amim-panalanandro izy ary mikalo hira iray tsimoramora, mihira izay ao am-pony. Manana zavatra maro hoeritreretina ralehilahy rehefa manirery izy, ary ny hany feo mbola reny avy ao amin'ny fahanginana dia ny fikatroky ny kitron-tsoavaly misy gadona. Mikarantsana tsimoramora ny tadin'ny komuz, tahaka ny rano mikoriana amin'ny vatolampy malama sy madio. Nihira ny filentehan'ny masoandro any ambadiky ny havoana ny komuz, ny rivotra manga mangatsiatsiaka mamafa mangina ny tany, sy ny ahidratsy sy ny bozaka komavoka voatopatopa sy voakipilipily, mandraraka ny vovombony amin'ny lalana nodanihin'ny masoandro. Hihaino ilay mpitaingi-tsoavaly ny fatrana ary hihira hiaraka aminy.. .

Raha hihaino hira nentim-paharazana Kyrgyz maro kokoa, loharanom-baovao tena tsara amin'ny teny anglisy momba izany ny bilaogin'i Dennis Keen KeenonKyrgyzstan.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.