Nahoana No Tsy Mitsahatra Miresaka Ny Ranomboasary Ireo Mpampiasa Twitter Ao Quito

jugodenaranja

Ranomboasary aho. Sary iray nalaina tao amin'ny bitsik'i @luciadelafuente.

Ao Quito, renivohitr'i Ekoatora, tsy dia mahazatra loatra ny mahita olona mivarotra ranomboasary vao avy nopotserina, eny ambony talantàlana tsy ara-dalàna napetraka amoron-dàlana. Tsy ela akory izay, tonga mihitsy hatramin'ny fanànan-dry zareo tenifototra azy ireo manokana ety anaty tontolon'ny Twitter ao Quito.

Nahoana? Ny 4 May dia namoaka ny vokatry ny fitsirihana ny santionany 35 tamin'ireo ranomboasary tsy ara-dalàna amidy manodidina an'i Quito ny ministeran'ny fahasalamàna tao an-tanàna.. Hitan'ny tatitra avy amin'izy ireo fa 32% amin'ireo santionany ireo no tsy manaraka ny fenitra momba ny fahazoan'ny olona manjifa azy”.

Nasehon'ny fitiliana ny fisian'ny enterobacteriaceae na zavamiaina bitika hafa, ary dia nentanin'ny ministera ny olona mba tsy hisotro ilay ranomboakazo na haka toky fa nandray ny fepetra mifanaraka amin'ny ara-pahasalamana ilay mpivarotra talohan'ny nanaovany izany.

Naneho hevitra tamin'ny hanihany momba ilay vaovao ireo mpampiasa Twitter ao Quito. Ny sasany nampifandrohy ilay vaovao amin'ireo olana hafa ao Ekoatora, midehaka amin'ny fahasalamany tsy misy tomika na nilaza tsotra izao ny fitiavan'izy ireo ny ranomboasary.

Mividiana ranomboasary eo amin'ilay bandikely ery amin'ny kihon-dàlana ery, dia avy eo fanafody ao amin'ny toeram-pivarotam-panafody eo amin'ny manodidina eo, ahodino ny toerakena, faly ny rehettra.

Sary: Tafavoaka velona aho avy eo:

- Ceviche avy ao anaty siny iray
– merengues 25-cent
– vonganà lagilasy 5-cent
– Norteño liquor manome tanjaka 220V
– Zavapisotro misy alikaola iray tavoahangy nolaroina hanitra
– Switch [zavapisotro misy alikaola nafangaro, tonga dia vonona]
– zavapisotro misy alikaola mahery nasiana Nestea
– Seabass ceviche avy eny amoron-dàlana
– Tena mamo tampona aho tamin'ny fety nankalazana ny nahaterahako

Ezahan-dry zareo lazaina amiko fa hoe ranomboasary kely monja dia hanimba ahy.

Bitsika: Tsy roboka tamin'izany tantara izany aho, tairo lesy ranomboasary a!

Vao 16 taona aho no efa nisotro switch, hahatonga ahy tsy mety maty ny fisotroana ranomboasary #OrangeJuice

Raha tafavoaka velona amin'ny sosialisma-n'ny taonjato faha-21 aho, dia amoeba izany ny ranomboasary teny amoron-dàlana

Sary: tafavoaka velona tamin'ny ranomboasary aho.

Tweet: Ranomboasary iray aorian'ny lalao baolina kitra no tena lafatra ary tsara kokoa aza raha mbola vaovao sy mangatsiaka

Nampiasaina ihany koa ny tenifototra #ISupportYouOrangeJuiceVendor (ManohanaAnaoAhoRyMpivarotraRanomboasary) mba handefasana sary mahatsikaiky sy fomba fijery isankarazany momba ilay olana. Ny sasany nikendry ny El Comercio, gazety iray nampita ny vaovao momba ilay fitsirihana nataon'ny ministeran'ny fahasalamàna :

Lahatsoratra tamin'ny Facebook : Miankina amintsika rehetra monina eto Quito ny fanapahankevitra, na isika handray izay lazain'ireo media mpanatavy resaka, na tsia; toy ny hoe miankina amin'ìreo mpivarotra tsy ara-dalàna ny hampifanaraka ny fandraharahana madinika ataony hifanaraka amin'ny fepetra ara-pahasalamana, izay raha ny marina dia  mahasarika kokoa (ny hany safidy tokana) na tsia. Izaho izao nisotro ranomboasary fa dia tsy nisy na inona na inona nitranga. Ao anivon'ny fikatsoana iray manjo ny toekarena sy ny lozabe manjo ny firenena, misy ireo izay maniry ny hanenjika ireny ketrika ireny fa tsy mba midera azy ireo aloha, dia avy eo manome hevitra azy ireo ho fanatsaràna. Tsarovy fa rehefa mividy ranomboasary isika dia manohana ireo fianakaviana ao Quito, fianakaviana avy any amorontsiraka mamboly sy mioty ny voasary, raha tsy hilaza ny hatsaràn'ny fanoloana ireo zavapisotro indostrialy amin'ny vita nanahary.

Sary: #elComercioVersusOrangeJuice

Bitsika: Afaka mahita maso ny fikarakarana azy mihitsy ianareo; eo noho eo no ikarakaran'ireo mpivarotra azy io #ManohanaAnaoAhoRyMpivarotraRanomboasary

Sary: Tohano Ny Mpivarotra Ranomboasarinareo. Aza roboka amin'izany. Mampididoza kokoa ireo zavapisotro be fatran-tsiramamy raha mitaha amin'ireo ranomboasary eny amoron-dàlana…

Bitsika: TOHIZO NY LALANTSIKA RY MPIVAROTRA RANOMBOASARY!!!! #ManohanaAnaoAhoRyMpivarotraRanomboasary

Manatevina laharana ny fanentanana hiarovana ny #Ranomboasary ao Ekoatora aho!

Niresaka momba ilay olana tamin'ireo mponina ao Quito ny fantsona mpilaza vaovao PublimetroTV , ary ny ankamaroan'ireo niresahana dia nanaiky fa tsy tsara loatra ny fepetra momba ny fahadiovana eny amin'ireo talantàlana fivarotana ranomboasary. Tsara anefa ny manamarika, na izany aza, fa nibaboka izy ireo hoe tsy mbola nanandrana ranomboasary novidiana teny amin'ireo mpivarotra amoron-dàlana akory.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.