Mifanatona Dingana Iray Eo Amin'ny Dihy An-Gorodona i Amerika Latina Sy i Afovoany Atsinanana

Screen Shot 2016-05-09 at 09.42.13

Mpampandihy kibo Salsa antsoina hoe Yulduz Starkova nampitambatra fomba fandihy teo anoloan'ny mpanatrika. Dikasary avy amin'ny Rindran-dihy ao Moskoa.

Nifototra avy any Afovoany Atsinanana ny fampandihizana kibo, raha nivelatra avy amin'ny fomban-drazana Amerikana Latina ny Salsa. Raha mampitambatra azy roa ireo ianao dia mahazo dihy hip mifangaro manana angovo ambony mampifandray ny faritra roa eto amin'izao tontolo izao, izay sarahan'ny tany sy ny ranomasina an'arivony kilometatra.

Feno fangarona dihy kibo sy salsa ny aterineto. Eto ambany ny ohatra iray amin'izany, atrikasa avy amin'ny studio Discover Dance ao amin'ny Fanjakana Mitambatra (UK):

Ary eto ny mpampandihy kibo matihanina Natasha Bradly nanatontosa dihy mampiaraka ny fampandihizana kibo sy ny salsa tamin'ny hira amin'ny gitaran'ny mpihira meksikana roa Rodrigo sy Gabriela:

Na amin'ity fampisehoana nataon'ny mpampandihy kibo Lana Terra miaraka amin'ny tarika Rumba Havana nandritra ny rindrankira tany Moskoa tamin'ny 2015:

Nandeha nihoatra ny dihy izany fiarahamiasa ara-kolontsaina izany ary nandeha tany amin'ny mozika mihitsy. Namoaka album tamin'ny 1994 ilay Ejipsiana Hossam Ramzy sy ilay Shiliana Pablo Carcamo hanaovana dihin-kibo fotsiny.

Tarika ara-mozika mampitambatra ny fihirana arabo nentim-paharazana amin'ny mozika kiobàna i Hanine y Son Cubano.

Tsy izao fangaron-kira Afovoany Atsinanana amin'ny Amerikana Latina ihany no tian'ny mpihaino. Misy ihany koa ny mety ho fivoarana lehibe kokoa amin'ny fahatakarana izay isoloany tena, araka ny fanazavan'ny mpaneho hevitra iray tao amin'ny YouTube azy :

Wonderful traditional Arabic singing woven into fabulous Cuban jazz. Just like we always dreamed, music will bring people together and give us a chance at world peace.

Fomba fihirana arabo nentin-drazana mahafinaritra voarandrana ho lasa jazz kiobana mahasodòka. Tahaka izay efa nofisintsika hatramin'izay, hampiara-dalana ny olona ny mozika ary hanome herijika ho an'ny fandriampahalemana eto amin'izao tontolo izao

Ao Ejipta, izay matanjaka ny fomban-drazan'ny dihin-kibo, dia efa manosika ny sisintaniny ihany koa ny salsa ary mampiroborobo ny fimaroana. Araka ny notaterinay tamin'ny volana marsa, nitombo ny lazan'ilay dihy, na dia eo aza ny fitsarana an-tendrony misy ao amin'ny kolontsaina mpitana ny nentin-drazana [mg].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.