
Sarin'ny Lapam-panjakana Yangon nalain'i Si Thu Aung. Tao amin'ny raki-tsary Facebookn'i Si Mon,nahazoana alàlana.
Lasa nalaza be teo amin'ny mpisera Facebook tao amin'ny firenena ny sarin'ny vakoka ao Myanmar namboarina tamin'ny photoshop nampidirana fako teo anoloana. Manasongadina ny haratsin'ny fako eo amin'ny toerana malaza falehan'ny mpizahan-tany ao Myanmar ny sary noforonin'ilay artista Si Thu Aung, izay mampirisika ny olona mba hijery izany ho fanentanana fa ilaina ny miaro ny toerana malaza na vakoky ny firenena .
Zavatra mampanahy hasandratry ny manam-pahaizana maro ny fandotoana ateraky ny fako, izay mandrisika an'i Myanmar hanangana modely maharitra kokoa ho an'ny fampandrosoana .Nanao fanangonana fako ilay nahazo ny loka Nobel sady Minisitra ambony San Suu Kyi Aung ho fanentanana manerana ny firenena tamin'ny faran'ny 2015 hampisehoana fa laharam-pahamehana ny miresaka ny olana.
Nalefan'i Si Mon tao amin'ny Facebook ny sary , izay nanazava fa mety hampakatra ny voninahitry ny firenena ny fandraofana ny fako ;
အခုဆို နိုင်ငံအပြောင်းအလဲတွေ ကြောင့်နိုင်ငံခြားဧည့်သည်တွေ ဝင်လာရင် ဘယ်နေရာကြည့်ကြည့်သန့်သန့်ရှင်းရှင်း သပ်သပ်ရပ်ရပ်နဲ့ ကိုယ့်နိုင်ငံအလှကို ကမ္ဘာသိအောင် ပြဖို့အကောင်းဆုံးအချိန်ပါ။ သင်ကိုယ်တိုင်ကဦးဆောင်ပြီး စည်းကမ်းတကျအမှိုက်ပစ် ခြင်းအားဖြင့် သင့်ပတ်ဝန်းကျင် သာယာလှပရုံသာမက နိုင်ငံ့ဂုဏ်ကိုပါမြှင့်တင်ပေးရာ ရောက်ပါတယ်။ အဲ့တာကြောင့် သင့်အမှိုက်တစ်စကို စည်းကမ်းမဲ့တစ်ကြိမ်တစ်ခါပဲဆိုပြီး ပစ်လိုက်ပေမဲ့ လူတိုင်းအဲလိုပဲတွေး ပြီးပြစ်ကြမယ်ဆိုရင် ကြီးမားတဲ့သက်ရောက်မှု ရှိလို့ အမှိုက်ပစ်ခါနီးတိုင်း သတိဆောင်ကြပါလို့ တိုက်တွန်းအပ်ပါတယ်။
Tonga ny mpitsidika vahiny amin'izao fotoana noho ny fiovana ara-politika ary fotoana ho anao izao hampisehoana ny hakanton'ny firenena amin'izao tontolo izao amin'ny endrika madio sy milamina. Raha manome ohatra ianao amin'ny fitandremana hoe aiza no arianao ny fakonao, dia afaka mampakatra ny fenitry ny firenentsika . Noho izany, hiteraka fiantraikany goavana ny tsy mivaky loha manipinipy fako, na dia indray mandeha monja aza, sady mihevitra toy izany avokoa ny olona rehetra. Noho izany, mieritrereta tsara alohan'ny hanarianao fako.

Sarin'ny U Bein Bridge ao Mandalay nalain'i Si Thu Aung. Nalaina tao amin'ny raki-tsary Facebookn'i Si Mon, nahazoana alàlana.

Sarin'ny tora-pasika Ngapali nalain'i Si Thu Aung. Nalaina tao amin'ny raki-tsary Facebookn'i Si Mon, nahazoana alàlana.