- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nandritra Ilay Famoretana Feno Rà Nandriaka, Nampiasa Bala Tena Izy Ny Polisy Hoy ireo Gambiana Mpanao Hetsipanoherana

Sokajy: Afrika Mainty, Gambia, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana, Zon'olombelona
A screenshot of a Twitter image of injured activists posted by Gambian journalist @freejobe39. [1]

Pikantsary tao amin'ny Twitter ahitana mpikatroka naratra, nalefan'ilay Gambiana mpanao gazety @freejobe39.

Nitifitra tamin'ny bala tena mba ho ezak'izy ireo hanaparitahana ny mpanao fihetsiketsehana am-pilaminana ireo manampahefana tao Gambia, ilay firenena bitika ao Afrika Andrefana, hoy ireo mpanao gazety sy ny mpandray anjara.

Voalaza fa hery iray ivelan'ny tafika, antsoina hoe Police Intervention Unit (PIU) – Hery vonjitaitran'ny polisy –  no nidaroka ireo mpanao hetsipanoherana, no sady nisambotra ireo hafa ihany, mba ho ezaka hamotehana ireo hetsi-panoherana ho fanohanana ilay lehibe mpitarika ny fanoherana, Ousainou Darboe. Lahatsary iray tsy matianina nozaraina tao amin'ny media sosialy no mampiseho ireo polisy midaroka ny vahoaka, no sady heno ao anatin'izany ny feo mitsitaitaika – voalaza ho feom-basy.

@BBCAfrica [8] eto #Gambia [9] Amin'izao fotoana izao, Bala tena izy!

Teny ampitanjozorana ireo mpanao fihetsiketsehana ireo, avy nanatrika ny fotoam-pitsaràna iray nihainoana an'i Darboe sy ireo mpikambana avy amin'ny antokony United Democratic Party (UDP) ,  izay nosamborina tamin'ny 16 Aprily — andro iray hafa voalaza ho nampiasàn'ny manampahefana bala tena izy.

Porofon'ny tifitra tao Gambia pic.twitter.com/fQYKmoZGCX [14]

Noraisin'i Darboe ny andraikitra nikarakaràna hetsi-panoherana iray taorian'ny vaovao momba an'i Ebrima Solo Sandeng, ilay lehiben'ny tanora UDP, sy ireo roa hafa mpikambana ao amin'ny UDP, maty tany an-trano fitazonan'ny polisy.  48 ora talohan'izao dia nanao fihetsiketsehana i  [16]Sandeng sy ireo hafa ireo mba hanohanana ny fanovàna ny rafi-pifidianana sy ny fialàn'ny filoha Yahya Jammeh, izay efa teo amin'ny fitondràna hatramin'ny 1994.

Nitohy hatrany ilay famoriambahoaka na dia taorian'ny nisamborana an'i Darboe aza. Nizara saripika ireo mpampiasa Twitter, ahitàna ny akanjobàn'ireo mpanao hetsi-panoherana feno rà taorian'ilay famoretana farany indrindra teo:

Porofon'ny herisetra aty #Gambia Mitombo!

#Gambia [9]: Fifandonana henjana eo amin'ireo mpanao hetsi-panoherana&ireo PIU mitam-piadiana ao amin'ny Làlambe Karaiba, maro mpanao hetsi-panoherana maratra

Ny Aprily 2000, nitifitra ireo mpianatra nanao fihetsiketsehana [24] ny mpitandro filaminana Gambiana, nahafatesana 14 ka isan'izany ny mpanao gazety iray sy mpirotsaka antsitrapo iray avy amin'ny Vokovoko Mena. Miaraka amin'izany tantara manjombona izany ao an-tsaina, miantso ny fiarahamonina iraisampirenena ireo mpikatroka mafàna fo sy ireo fikambanana mpiaro zon'Olombelona, mba hihetsika hanao zavatra hiarovana ny zon'ny vahoaka hifamory sy  hanao hetsi-panoherana am-pilaminana :

Antso ho an'ny fiarahamonina iraisampirenena

Ny 5 May, nolavin'ny mpitsara iray avy ao amin'ny fitsaràna tampony [32] ny hanafahana amin'ny alàlan'ny onitra an'i Darboe sy ireo 19 hafa, amin'ny anaran'ny filaminam-bahoaka sy ny filàna miaro ny tsy handosiran'ireo voatàna. Nahemotra ho amin'ny 16 May 2016 izao ny fandinihana ny raharaha.