Noafahana vonjimaika tamin'ny 4 Mey 2016 ilay bilaogera Hossein Ronaghi-Maleki rehefa nandoa onitra. Nitokona tsy nihinan-kanina i Maleki tamin'ny volana Aprily ho fanoherany ny fanagadrana azy..
Tamin'ny sioka tamin'ny 6 Mey, nizara ny sariny vao haingana miaraka amin'ny fanehoan-kevitra an-tononkalo i Maleki:
هر رفتنی را بازگشتی است هر چند با جسم ضعیف و مریض احوال اما ایستاده و خندان باید بازگشت. باید بازگشت… pic.twitter.com/lp3zICJuka [1]
— Hossein Ronaghi (@HosseinRonaghi) May 6, 2016 [2]
Isaky ny fiaingana rehetra, misy ny fiverenana. Na dia malemy sy marary aza, tsy maintsy mitsangana sy mitsiky isika. Tsy maintsy mandroso isika…
Nosamborina tamin'ny Desambra 2009, enim-bolana taorian'ny fifidianana filoham-pirenena nahabe adihevitra tao Iran i Maleki. Nampidirina tao amin'ny fonja malazan'i Evin avy hatrany izy, natoka-toerana nandritra ny 376 andro talohan'ny nanombohan'ny fitsarana azy tamin'ny 2010. Nanome sazy 15 taona an-tranomaizina [3]azy ny fitsarana noho ny fiampangana azy ho “manaparitaka fampielezan-kevitra manohitra ny fitondrana”, “mpikambana amin'ny vondrona aterineto Iran Proxy [4]”, sy “manevateva ny mpitarika faratampony Iraniana sy ny filoha. “
Nibilaogy tamin'ny solonanarana Babak Khorramdin, anaran'ny Persianina iray fahiny mpitolona ho an'ny fahafahana avy ao Azerbaijan i Maleki (Maleki dia Azeri foko Iraniana).
Tamin'ny volana Aprily, nitatitra momba ny raharahan'i Maleki tato [mg] [5]ny Global Voices sy ny Global Voices Advocacy.
Andro vitsy monja taorian'ny fahafahana vonjimaika, efa niasa nanao fanentanana momba an'i Mahmood Beheshti, gadra politika iray hafa eo am-pitokonana tsy hihinan-kanina any Iran i Maleki.
آنچه نگرانم می کند ایمان و اراده ای وصف نشدنی #محمود_بهشتی [6] به راه و اعتقادش است.#FreeMahmoodBeheshti [7]pic.twitter.com/wBD3O5NNzr [8]
— Hossein Ronaghi (@HosseinRonaghi) May 7, 2016 [9]
Ny mampiahiahy ahy dia ny finoana sy ny hery tsy hay faritana asehoan'i #Mahmood_Beheshti izay miroso hatrany amin'ny lalan-kalehany.
Fitantarana hafa vao haingana momba an'i Hossein Ronaghi-Maleki ao amin'ny Global Voices: