- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sarin-Janabolana Avy Amin'ny Google Mampiseho Ny Fahapotehana Vitan'ny Fihontsahan'ny Tany Taorian'ny Fihovitrovitry Ny Tany Tao Japan

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Voina
Before and after of multiple landslides on Mt Aso, Japan. Images from Google Earth blog. [1]

Taloha sy taorian'ny fihontsahan'ny tany imbetsaka teo amin'ny tendrombohitra Aso, Japan. Sary avy amin'ny blaogin'ny Google Earth.

Namoaka sary avy eny an'habakabaka tamin'ny Google mampiseho ny ampahan'i Japan tratran'ny fihontsahan'ny tany nandritra ny fihovitrovitry ny tany tao Kumamoto [2] tamin'ny 14, 15 ary 16 avrily 2016 lasa teo ny Google Earth blog [1] (izay tsy ao anatin'ny Google [3] velively):

For example, we can see aerial imagery of the slopes of Mt Aso captured on April 15th, and again on April 16th showing that a large number of landslides took place between the images being captured.

Ohatra, azontsika jerena ny sary avy eny an'habakabaky ny teven'ny tendrombohitra Aso nopihana tamin'ny 15 Aprily, dia avy eo indray ny tamin'ny 16 Aprily mampiseho ny hamaroan'ny fihontsahan'ny tany teo anelanelan'ireo sary nalaina ireo.

Ireo andiana fihovitrovitry ny tany mahery, ka tafiditra amin'izany ilay manana hery 7,0 amin'ny refin'ny hovitra [4], nahatratra ny atsimo andrefan'ny nosy Kyushu no nahatratra mafy indrindra ny prefektioran'i  Kumamoto.

Mora hita avy eny an'habakabaka ny fahapotehana vitan'ny fihovitrovitry ny tany, ary hita ao amin'ny Google Earth amin'izao fotoana izao.

Nangonin'ny blaogy Google Earth ny fampitahana ny taloha sy taoriana [1] izay manome ohatra mahavàka amin'ny habe sy ny halalin'ny fihovitrovitry ny tany.

satellite images of Kumamoto earthquake [1]

Tetezana sy lalana ao amin'ny faritry ny tanànan'i Minami Aso, atsinanan'i Kumamoto.

satellite images of kumamoto earthquake

Tetezana sy lalana potiky ny fihontsahan'ny tany ao amin'ny faritry ny tanànan'i Minami Aso, atsinanan'i Kumamoto.

Mbola misy sarin-janabolana noraisina hafa azo jerena nanditra ny fihovitrovitry ny tany tao Kumamoto ihany koa ato [1].